Rajemison Rakotomaharo invite d'honneur ou invite surprise

1. patrick2002 ( 03/04/2009 02:01)
dia lasa ny saina @ fahatongavany Rajemison Rakotomaharo teny Ivato.
Izaho manokana aloha dia midera ny fandava-tenan'ity filohan'ny andrim-panjakana taloha ity tena mahatsapa izaho fa mendriky ny olo-manga ity rangahy ity ,na homme d'Etat ,raha ohatry ny izao daholo ny fihetsiky ny mpanao politika efa lasa lavitra i Madagasikara .
Ny mpitondra tokoa manko mandalo fa ny firenena mitoetra
Tsy haiko ahoana ny fanadihadianareo
Mpisolelaka ve sa ,mpamadika palitao sah! inona no mba hevitrao.
novalian'i soanja ny 04/04/2009 03:04
2. soanja ( 03/04/2009 02:09)
Mba azon'i Pat hazavazavaina ve ny momba io rangahy io? zah tsy maharaka mihitsy hoe iza io? Misaotra indrindra.
3. patrick2002 ( 03/04/2009 02:42)
namaste :lol: :lol:
Rajemison Rakotomaharo dia azo lazaina fa tanak'havanan'i Ravalo ,izy no nisolo ny toerana an'i Ravalo ho ben'i Tanana t@ 2002 ,rehefa nanao auto-proclamation ohatry ny Andry TGV koa i Ravalo t@ 2002 :wink:
rehefa avy eo dia notendren'ny Ravalo ho senateur izy ,ary dia lany ho filohan'izany andrim-panjakana izany ,izy no nandravina ny disadisa nisy teo @ AREMA izay maro an'isa tao @ senat tamin'izany , rehefa nandeha teny ny volana sy ny taona dia ohatry ny rano tsiramamy moa ny fitondrana any @ tany madinika ohatry ny Madagasikara ,plus ianao misotro plus ianao mangetaheta , :{ :{ :{ ka dia nanjary nananika an'i Ankaratra ny fahefana tadiaviny Ravalo ,tadiaviny hailika ny mpanohitra nefa ,Rajemison Rakotomaharo manongila-tsofina hatrany any @ mpanohitra ,nogadraina i Rolland Ratsiraka ,nanolo-=kevitra i Rajemison fa manozona ny toeranao ianao raha manao an'izany ,ary ohatry ny manosika ny mpanohitra handeha ho any @ herisetra ,tsy nanaiky Ravalo ,nasorona ho filoha ny senat i Rajemison ary dia nosoloina TIKO BOYS ,ex directeur Regional ny MAGRO fianarantsoa :{ :{ irony le olona mpiray petsapetsa ,sa mpisolelaka ,irony tsy haiko intsony no holazaina azy anky soanja ah! :cry: :cry: .Ary Rajemison Rakotomaharo nalefa Ambassadeur any suisse .
Avy eo lany ben'ny Tanana i Andry Rajoelina ,nisy ny fifanatonana izay nataony Rajemison Rakotomaharo niaraka @ Norbert Lala Ratsirahonana an'i Andry sy Ravalo fa hiara miasa izy mianaka ,kanefa dia tsiky ndrafilahy no nataon'ity mpitery ronono an'ilay zaza vao mihana-mandeha @ politika ,toa miteny hanaka-po hoe tsy hampafiriny omby lahy novosiriko ialahy :-D :-D :-D ,mbola natoky tena ihany ny Dadan'ny TIM ka nanao ny fanaony ,heveriny fa i Pety angamba izy ity na voninahitsa =)) =)) =))
4. soanja ( 03/04/2009 03:24)
Namaste Ra-PAT!

Tsy manan-kolazaina izany iaho momban'ilay rangahy io. Misaotra anao anefa nanome fanazavana fa dia mahavita raha tokoa ny mpanao politika.

:-* :-* :-* :-*
5. dadabe ( 03/04/2009 04:50)
:roll: misy raha la terre
6. sitlo ( 03/04/2009 05:41)
Soanja kay tsy mahalala akory ny regime Ravalo nefa miantsanantsana ery.
7. Rambow ( 03/04/2009 07:35)
oavy am la eo Dada ry lety e. Rajems atao PM; Repoblika faha 4; ra sahy ialahy isany d asio fifidianana d ho ita eo ny tohiny
8. welie ( 03/04/2009 14:26)
Atoa Rajemison kosa ngamba no azo lazaina hoe "neutre " @ ito resaka ito. Eny fa na dia tanana akavanan-dRavalo aza izy dia tsy nisalasala mihitsy naneho ny heviny ary ni contredire andRavalo @ heviny ara politika rehefa hitany fa tsy nety. Avy eo moa d hita fa natao ambasadaoro any Suisse izy ... kanefa d tsy manana lolo-po hanao vengeance @ Ravalo (asa aloha izay any am-pony an! )... fa dia mbola mitazona ny amitié-ny hatrany...
Ka asa tokoa na hoe hivadika palitao izy na tsia (izay nanaovany démenti tao @ Midi) fa en tout cas, hita tokoa izy fa ny firenena no ambony @ fa tsy d ny fitadiavan-tseza loatra ngambany... :roll:
9. soanja ( 03/04/2009 19:35)
sitlo:

Soanja kay tsy mahalala akory ny regime Ravalo nefa miantsanantsana ery.

Ka diso be ianao raha mihevitra fa zay no tsy hitiavako ny fitondran-dRa8 hiverina satria fantatro hoe iza no amin'ny fitondran-dRa8. Ny tsy hitiavako ny hiveranany dia ny experiences hitako tany amin'izay nalehako tao Mada sy ny fijaliana manoloana izany ho an'ireo niharan'izany tamin'ny fitondrany. Izay hoe iza no ao tsy dia problemako loatra. Fa raha fatantro kosa hoe ianao no nofidianu napetraka teo fa tsy ny vahoaka no nifidy anao ho eo nefa ianao manao ny tsy mety sy manambaka vahoaka dia lasibatry ny fihetsempoko ianao mandrapa-afany! Tsy ny seza hoa ry Sitlo ny olana fa ny ethics nentina mitondra no tsy ampy!

10. soanja ( 03/04/2009 19:38)
Sitlo> Raha tsy niaina ny nianan'ny vahoaka madinika ianao tamin'ny fitondrana-dRa8 faramparany dia hoy aho tsy hahafaka ny tiako ambara eto. Fa raha niainy kosa ianao ka nahatsapa sy voaporonao amiko fa tsy nanambaka izy dia hozy aho hoe fair game le izy.
11. fijo ( 03/04/2009 20:51)
eto aho dia mitay hevitra amin'i patrick.i rajemison,sy ry rakotonanana honore ireny dia olona ts ymijery loatra izay olona eo,fa ny hiasa ny azy.
be ny nanameloka an'i rakotomanana fony izy nantsoin'i ravalo.nefa ireny no olona atao hoe tena miasa hoan'ny firenena.dia to aizay ko ano fahitako an'i rejemison io.
asa izay hoavy,fa hatramin'izao aloha olomarina io.
12. patrick2002 ( 04/04/2009 02:22)
fijo:

izay mintsy no tokony hataony olom-pirenena tsy ankanavaka na iza izy na iza ,rehefa io no eo dia tokony hiasa @ firenena ianao fa tsy tokony hiasa @ mpitondra ,eto izaho dia gaga misy olona manebaka fa raha vao tsy manohana an'i Ravalo dia Ratsiraka izay .
Dia adala ve ny ao @ HCC nanaiky ny maha filoha ny HAT an'i Andry olona Ravalomanana a 100% ireo olona ireo honnetete intellectuel oblige ,fantany fa tsy ho zakany Ravalo intsony ny fitondrana ,ary raha mbola mikiri-biby tamin'io Ravalomanana dia ra mandriaka namono olona @ arivony ary nampiditra amponja olona amin'arivony .Izay schema izay no tsy tiany homme d'etat niara niasa t@ Ravalo no nahatonga azy hiala t@ Ravalo ,io koa no nahakivy an'i Ravalo ka nampitsoaka azy .
13. soanja ( 04/04/2009 03:04)
patrick2002:

fijo:

eto aho dia mitay hevitra amin'i patrick.i rajemison,sy ry rakotonanana honore ireny dia olona ts ymijery loatra izay olona eo,fa ny hiasa ny azy.
be ny nanameloka an'i rakotomanana fony izy nantsoin'i ravalo.nefa ireny no olona atao hoe tena miasa hoan'ny firenena.dia to aizay ko ano fahitako an'i rejemison io.
asa izay hoavy,fa hatramin'izao aloha olomarina io.

eto izaho dia gaga misy olona manebaka fa raha vao tsy manohana an'i Ravalo dia Ratsiraka izay .
Dia adala ve ny ao @ HCC nanaiky ny maha filoha ny HAT an'i Andry olona Ravalomanana a 100% ireo olona ireo honnetete intellectuel oblige ,fantany fa tsy ho zakany Ravalo intsony ny fitondrana ,ary raha mbola mikiri-biby tamin'io Ravalomanana dia ra mandriaka namono olona @ arivony ary nampiditra amponja olona amin'arivony .Izay schema izay no tsy tiany homme d'etat niara niasa t@ Ravalo no nahatonga azy hiala t@ Ravalo ,io koa no nahakivy an'i Ravalo ka nampitsoaka azy .

Ka izay le izy ry Ra-Pat koa efa zatra voafahana ara-bola ry zareo ary jamben'ny kilalao fanaony any ho any dia izay no fahitany izay olona mitsangana , mijoro manohitra ny fitondran-dRa8. Tsy zakany hoe misy Malagasy sahy hijoro tsy hanaiky amin'ny fanaparem-pahefana, fandetehana ny madinika indrindra ireo izay miezaka ny hampiakatra ny faripiainan'ny tantsaha sy fiharin-karena iombonana, ary indrindra ny tsindry aloka amin'ny fanambakana isan-karazany.

Ny azy tsy ny hevitra no haroso fa ny hanasoketa olona no mahamaika sao mba hiemotra ny anao vavy. Mimboaha agny, ampafirin'ny godra ndreky nintsy nandalohvko izy ity zala!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0073