Jereo indray ange fa mahita ho lazaina e . . .

1. essera ( 02/04/2009 05:48)
Zay mpisera eto amin'ny forum dia nahatadidy tsara ny nolazaiko momba ilay pasitera nolazaina fa hoe : "mipipiza ialahy dia sotroy ny pipin'elah."

Herinandro taty aoriana dia nahitsin'ny mpitarika tao amin'ny FJKM ihany ilay izy. (Misaotra an'Andriamanitra). Marina ny fanamby nataoko satria sarotra ny hino an'ilay izy fa tsy ara-bakiteny ilay izy fa mety ho opa saingy tsy azon'ny olom-piangonana ambony averina.

Raha nihaino vaovao indray omaly dia voalazan'ny filoha teo aloha fa :
"Norahonana tamin'ny basy aho, dia nitsoaka ny vady aman-janako (Maika) tany anaty ala. Voatery nitsoaka aho nanavotr'aina".
Dia jereo tsara ny lojika raha toa manao reconstitution toy ny fomban'ny polisy :
- Raha voambana basy ve Ra8 dia ho tafavoaka teto Madagasikara fa tsy ohatra hoe notazonina tany amina toerana iray. Ka tsy hisy feo mihitsy avy eo ho heno hoe any Swaziland Ra8. Tsy possible ny hoe avy voambana basy ianao dia nitsoaka nandray avion fa ny tananao roa no nampakarina ambony. Efa programmé ilay izy.

Mbola ampian'ny filoha teo aloha ihany ve ny erreurs ataony ? Télécommander-na ny aty an-tanana ary baikoina amin'ny alalan'ny fitaka ny olona avy any ivelany hanani-bohitra.

Tandremo lé "MANIPULATION" fa sao dia ifoteran'ny rambonao eo ianao Dada.
novalian'i Oay ny 02/04/2009 11:09
2. mion ( 02/04/2009 06:04)
tsy misy mpihaino essera , hihihi
3. essera ( 02/04/2009 06:27)
mion:

tsy misy mpihaino essera , hihihi


Ianao izao dia efa mihaino ka. Misaotra.

Fa misy ny sasany mamaky fotsiny dia tsy hitany izay hotenenina fa mety hitombona indray io teneniko io.


:-D :-D :-D :-D :-D
4. mion ( 02/04/2009 07:01)
efa adiny 2 zay no lasa mbola tsisy kil foana i essera :-D :-D :-D
5. Garfield ( 02/04/2009 07:09)
HAHAHA!! Tsy mahalala menatra intsony oa,mandainga sady mamitaka.le mpanohana TIM ts mety tonga saina nge no mapme be e,hihihi.Ny ankabeazany mo zany de FJKM daolo no maro @ ireo mpitolona satry hono ravalo izany de VIS PRESIDENT AN FJKM ARY KOA PROTESTANT ary ko merina ka tokony tohanana foana na de efa hita fa mamoafady be aza ny nataony.(Dacor @ ireny famonoana olona bedebe ireny tokoa mo zany ny FJKM)Tsy homeko tsiny ireo momba an TIM satria ENJANA DIA ENJANA TOKOA NY LAVAGE DE CERVEAU HATAON'NY PASITERA rehefa MITORY TENY ao AMPIANGONANA ka dia SIMBA TOKOA NY SAIN IZY IREO.

Misy mahasahy milaza ve ianareo fa sitrak' Andriamanitra tokoa ny famonoana ary koa fandripahana olona?
6. xxx ( 02/04/2009 07:14)
Mirefarefa be ny toe-tsain`i Garfield ! Tonga de manavaka ara-pinoana sy ara-piaviana ! Tonga dia azoko an-tsaina hoe olona ohatran`iza ianao !
7. mion ( 02/04/2009 07:17)
tsy misy ady hevitra mintsy ato @ sujet an'i essera, tsy misy kil i essera hihihihi , hon hon hon , esera samy essera iany ireo e :-D :-D :-D
8. Oay ( 02/04/2009 07:28)
mion:

tsy misy ady hevitra mintsy ato @ sujet an'i essera, tsy misy kil i essera hihihihi , hon hon hon , esera samy essera iany ireo e :-D :-D :-D


Aleo mba handray anjara kely i Oay fa toa an'i essera sy mion ny sehatra klé!

Mion an! ny mahatonga ny olona tsy mamaly an'i essera d satria tsy misy polémique possible fa mazava tsara izay lazainy, ny antony d satria i essera tsy irony fanatika natao hametraka baomba irony fa mpandalina.
Jereo mba impiry i essera no miteniteny fona eto! zavatra mitombina tsara daholo izay lazainy.Ka io no tsy zakantsika TIM eto @ serasera satria avo lenta ilay fomba fandalinana kanefa isika TIM eto d ny toerana misy antsika d mpametaka afisy sy mpandrangitra ary mpanohana ny azo boboka raha fitinina d toetran'ny very fihinanana sy ny fanatika.

Ô ry essera ampidino kely ilay noty fa manjary manakatra avo be izahay TIM d mitady hotapaka ny cordes klé!



9. andraso ( 02/04/2009 07:50)
mion:

tsy misy ady hevitra mintsy ato @ sujet an'i essera, tsy misy kil i essera hihihihi , hon hon hon , esera samy essera iany ireo e :-D :-D :-D


rehefa tsy hitanareo ve ze avaly de oe tsisy kil essera? menatra ve de tsy hita ze tenenina de mamaly boraingina fotsiny? tsy aleo mangina tsy maneho hevitra toy izay manao toy izao de vao mainka when e! hahahaha
10. ari.malala ( 02/04/2009 07:59)
Avy namaky iny resaka iny t@ site ray zay ah d tsitako moa izay nolazaina, fa namerina nitadidy izay nitranga ny andron'iny ftsn no nataoko. Raha tsahivina fohy dia nisy ny ballet de diplomatiques teny Iavoloha t@ iny andron'ny 17/03 iny, ny ambassadeur ny Etats Unis no olona nifankahita tava farany t@ ra8 t@ iny andro iny, d aveo le hoe nomeny ny directoire militaire ny fitondrana, hatreo, tsisy resaka intsony! ny mpomba azy aza teto efa nitaintaina sy nanamboatra film d'horreur tany antsainy tany hoe maty e! zao e! zao e! nefa tampotampoka teo d re hoe any Swaziland izy, ary ny omalin'ny nivoahan'ny vaovao no notsenaina teny @ aéroport... T@ fotoana inona no nandrahonan'ny miaramila azy t@ basy? Ny nisy azy aza tsy fantatr'izan'iza akory raha tsy efa firy andro taty afaran'ny nanaovany démission, na ireo olona nantsoina hiandry sy hiambina azy nomeny toky aza "nitsoahany" ko t@ fomba ahoana no nahavoarahona azy d miaramila iza koa no nandrahona?
11. Garfield ( 02/04/2009 08:01)
O ry xxx a!! izay filazanao azy na mirefarefa na tsia,fa ny marina no lazaiko,ny tenako dia protestant tokoa kanefa rehefa tsy mety ny hataony dia tsy afaka ny hanaraka mbokony fotsiny ny tenako.Mazava tsara aminao ve r xxx? :wink: .Farany ho anareo TIM,za mo zany tsy miandany an iza na iza fa miteny ny zavatra tsapako sy hitako fotsiny,O r TIM sy FJKM a,mba hajanony amzay oe le resaka fanatisme fa tsy mety sady mahamenatra.
12. moi ( 02/04/2009 09:27)
Efa nasiako resaka teto ity Ra8 voateritery ity tamin'ny lohahevitra tany ho any. Raha ny ampitson'ny nialany no nataony ny "démenti" dia azo heverina ihany, toy ilay nahazo ny minisitry ny tafika hoy aho, fa e ity izy efa aty aoriana be vao hampisaintsainina !

Fa ny atao hoe an-kery ange tsy hoe ilay tohofana basy ihany e !
Samy mino izay tiany hinoana zany e ! fa aza miady fotsiny.
13. papala ( 02/04/2009 10:21)
ALEO RA8 MBA MILAZA NY najo azy e, any izy tsy azonareo tapenam-bava!- ny MBSny nodorana, ny magros tapitra nopotehina sy nodorana ary nangalarina ny entana, ny malagasy niasa tao @ireo orinasa amanalina ny isany very asa, ny rononon'ny mponina ao vakinakaratra ao zao masiso fotsiny tsy misy mividy!

14. ifiona ( 02/04/2009 10:49)
meraba antsika rehetra e


amiko aloha dia tena nisy tokoa ilay fandrahonana e, raha tsy zany ve ilay ambasadaoro amerikana nilaza hoe "j'ai été menacé verbalement et avec des fusils", efa niala tsiny taminy moa i tgv sy ilay colonel iny avy eo. Jereo ao @ topmada (page 5) fa vaovao tao @ midi sy les nouvelles ilay izy. Dônky azo eritreretina zany hoe nahazo menace daholo ry zalah, menace toy ny hoe: soniavo io raha tsy zany ataonay maty ny fianakavianlah (izay nolazain'i ravalo rahateo hoe voatery nandositra tanaty ala ny sasany satrai nohenjehina), na koa mety hoe omeo directoire militaire ny fahefanlah dia amboarinay ny directoire avy eo,mety nanaovany chantage mihitsy aza hoe: "efa aty am-pelatananay ny zanakelah ka ataovy sonia ty dia avotanay ny ainy". Dans le domaine du possible daholo zany.

Ankoatr'izay, teo @ ilay resaka hoe tokony nanao démenti ny ampitsony izy, izy io zany tsy voatery hoe zay satria rehefa terroristes no manana ny fahefana dia sarotra be ny maka an'izay risque zay. Toy ny nilazan'ilay farany teo hoe mety t@ izy mbola taty Dago tsy afaka niteny dia rehefa tonga tany izy vao afaka nilaza zay tena tao am-pony.

ka mahita ho lazaina tokoa ve?

:roll: :roll: :roll:
15. Oay ( 02/04/2009 11:09)
Ilay resaka efa mazava fa kozy bobaka daholo é!
Ny marina d tsy nisy nanalana na singa-bolo iray aza ny dadanay any an-dapa ao Swaziland ao.
Noho izany tsy hitako izay hifamaliana amin'izany ka aleo ny lasa homban'ny lasa fa ny ho avy no ndeha hombanjinina.
Ny Mafana izao efa nangatsihatsiak d soa mba nisy an'ireo mpiasan'i dadanay very asa ireo d mba misy mihaino aloha.
D hisy hiteny indray izao hoe tena tsy vanona ilay Oay ity tsy malahelo ny olona very asa, tsia diso ianao fa ho an' i Oay d tsy ny famerenana ny lasa no hahava izao olana izao fa ny fijerevana ny ho avy noho izany tokony atao ny resaka eny ambony latabatra d milamina ny tany d tonga indray ny mpanambola d mivery miasa ireo very asa ireo!
Raha fintinina d tsotra mila filaminana isika mba ahafahana mamokatra asa ho an'ireo very asa ireo, noho izany d malahelo tokoa i Oay hoe very asa ny vahoaka fa aminy kosa d ny korontana tsy mitondra asa, ary mbola averiny fa tsy Andriamanitra hivavahana i dada ka hoe tsy misy afaka hanolo fa ny baikon'i dada d midika fa vendrana daholo ny Malagasy ka raha tsy eo izy d tsy handeha ity firenena ity! Tsia tompoko ry Manandafy no mpampianatra eny @ ambaratonga ambony lany fanantenana ka mifikitra @ azo boboka fa tsy ny tanora ankehitriny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0498