Tsy nandeha ilay soavaly betongotry ny Katolika le

1. klitika ( 26/03/2009 23:40)
Dia mody milaza hoe: "Aza mifaninana amin'ny fifidianana manaraka ianao ry sovalinay an". Satria hita amin'ny hetsiky ny olona izao fa tsy ho tafa akory ity soavaly betongotra ity.

Dia inona indray ny manaraka ry Odon an

Ary maninona ialahy no tsy mba manameloka an'ireny famotehana any Antalaha sy Vohimarina ary Sambava ireny?

Ny adalan'ny tena marina tafian-damba an

m'lay eh
novalian'i fijo ny 27/03/2009 23:05
2. sitlo ( 27/03/2009 00:15)
Falifaly ery hoe soavaly tapa-kofehy. Kay be tongotra :-D

I Odon koa ary toa efa aloan'ny mpino koa. Ny lohany indray no matsatso.
3. dadasy ( 27/03/2009 03:38)
sitlo:



I Odon koa ary toa efa aloan'ny mpino koa. Ny lohany indray no matsatso.



mpino iza moa no tianao ambara? ny sekta ve? efa ela ireny no tsy tia azy ka! :°) Fa za kato, ary izy amiko dia filohanay foana, na misy aza ny mety ho fahalemeny, tsy manakana ny fahasoavan'Andriamanitra hirotsaka aminy izany. Tsy idirako izay resaka polifikanareo any! ny ahy izy @ maha Arsevekan'Antananarivo azy no mahasaropiaro ahy!
4. jodasy2009 ( 27/03/2009 05:24)
Marina zany dadasy ah! Arsevekantsika foana iny na mety na tsy mety ny ataony, isika koa tsy hanaiky hosaratsarahan'ny firehan-kevitra politika tsy mitovy any, na tim sika na tgv, ny finoantsika katolika tsy mivaky zany, sa ahoana hozy isika katolika?
5. essera ( 27/03/2009 05:43)
Salama daholo.

Merci mihitsy les Dadasy sy Jodasy2009.

Tadidio fa rehefa niteny ihany ianao ry sitlo hoe tsy tian'ny mpino dia omeko sujet iray momba ny fjkm rehefa avy eo raha tena mitady. A plus tard.
Ny kato no mbola azo atao hoe fiangonana tsy tratran'ny fizarazarana noho ny rakitra sy ny foibe.
6. yuka ( 27/03/2009 05:55)
jodasy tsy tiko be zany anaranareo zany ka!
tadidio koa fa mahasaropiaro sy mankarary ny ain'ny FJKM ny filohany ka aoka ianareo pino katolika sy protestanta hifanaja e!
za lou sekta e! :-P
7. jodasy2009 ( 27/03/2009 08:47)
Ny an'i yuka koa tonga de tsaraina am le anarana fotsiny le olona, le jodasy mpianatr'i jesoa ange ka roa no isany e! ny iray jodasy fotsiny (na joda no mety hahalalanao azt), ny iray kosa jodasy iskariota (ilay namadika azy)

na zany aza le anarako tsy misy ifandraisan'ireo narana 2 ireo, fa jereo ilay boky AINGA2025 raha toa ka efa namaky (sy nanaraka) roman malagasy ianao, de avy am zay io jodasy2009 io...

ampiako ve ny biz'oroka ny yuaka e? (l) (l) (l)
8. jodasy2009 ( 27/03/2009 08:53)
yuka! aza tsaraina le anaranay an! 2 ny jodasy mpianatr'i jesoa
1- jodasy (na joda no mety hahalalanao azy), nanoratra epistily iray izy
2- jodasy iskariota (ilay namadika azy)

ny dikan io jodasy2009 io de tsy misy idiran ireo olona roa ireo, fa nosintonina tamin'ilay roman malagasy hoe AINGA2025, asa na efa voavakinao io

Merci
9. dadasy ( 27/03/2009 17:22)
jodasy2009:

Marina zany dadasy ah! Arsevekantsika foana iny na mety na tsy mety ny ataony, isika koa tsy hanaiky hosaratsarahan'ny firehan-kevitra politika tsy mitovy any, na tim sika na tgv, ny finoantsika katolika tsy mivaky zany, sa ahoana hozy isika katolika?



iombonako ny hevitr'i Jodasy2009. Harena ny fahasamihafana ao anaty fiombonana. Tsy hampivaky ny mpino akory ny firehana tsy mitovy "Satria mino Tompo iray" hoy ny hirantsika izay!
10. fijo ( 27/03/2009 23:05)
na ankatoavinareo aza izy,tsy manala ny ratsy vitany taminn'y firenena izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0671