Tsy mantsy hiafara @ ady an-trano

1. xxx ( 24/03/2009 01:27)
Raha ny fandehan'ny toe-javatra @ zao fotoana no jerena dia efa tena akaiky dia akaiky ilay ady an-trano eto M/car. Ny antony dia tsotra ihany.
Samy tsy hanaiky na ny andaniny na ny ankilany.
Tsy misy olana aminay aloha raha TGVista na Ra8ista no maty na hifamono hoatra ny kalalao fa ny tena mampalahelo dia ireo izay tsy miandany amin'izy roalahy sy ireo olona izay mba te hiasa aty @ faritany satria dia efa leo tanteraka ny fombanareo ao Antananarivo aho izahay. Atao hoe mahiratra nefa dia hita miharihary fa donto. Angamba tokony omena fahaleovan-tena Antananarivo fa tsy mahay mitsinjo afatsy ny azy irery.
2. rastafarai ( 24/03/2009 01:43)
:-D Enao no tena mampiady an-trano!! Madagasikara iray ihany fa tsy misy we "antananarivo" sy "tsy antananarivo" zany!! ;-)
3. xxx ( 24/03/2009 02:29)
Ka inona lesy rasta no zava-miseho eto @zao???Lazainao fa tsy ady an-trano nefa efa hita mibaribary dia mbola lazaina fa milamina ihany??? :-D :-D :-D. Ary angaha mahatsiro voatsindrona i rast @ le hoe Antananarivo??? Fa aiza foana lesy no hipoiran'ny fikorotanana fa tsy ao Tana ao ???
4. ravatorano ( 24/03/2009 05:56)
izay aloha
raha vao antananarivo no mihetsiak dia manaraka ho azy ny faritany
eto tananarivo foana no ipoiran'ireny grevy rehetra ireny hatramin izay
ary raha grevy na hetsi-pitolomana miainga avy any amin'ny faritany kosa indray dia tsy mbola nisy nahomby mihitsy aloha fa dia maty momoka fotsiny tany .Ohatra amin izany ny avril 1971 tany antsimo.
Ny ady an-trano indray dia miankina amin'ny foto pisainana ihany io ! rehefa ny hevitra no tena ampiadiana tsy asiana fifanaratsiana na fifanarabiana na fifanesoana dia tsy hisy izany ,rehefa entina ao anatin'ny filaminana izy io dia tsy hisy izany ady an-trano izany.
:D
5. taralila09 ( 24/03/2009 07:10)
HO TONGA NY 29 MARSA 2009.
RODOBE ANGAREDON'NY VAHOAKA MALAGASY TIA TANINDRAZANA
62 taona izao ny MDRM … … 114 taona ny MENALAMBA tao Andrefan’Ankaratra.
Dia io indray I LAFRANTSA fa manao ny ataony mampanangatra ny PADESM AREMA sy ny Gasy Vazaha an-Taratasy tarihan'ny Taranak'i Galliéni Vaovao (TGV):
• MANDORO SY MAMOTIKA ny ASA vitan'ny Vahoaka Malagasy tato anatin'ny 49 taona nahazoana ny Fahaleovantena.
• MANDRAVA ny FOTODRAFITRASA FAMPANDROSOANA voajoron'ny Malagasy taona vitsy fotsiny taorinan-dRatsiraka.
Tsisy henatra sy tahotra intsony amin'izao efa taonjaton'ny fanatontoloana (mondialisation) izao ary eo imason'ny diplomatin'izao tontolo izao noMANONGAM-PANJAKANA ary MANDROMBAKA FAHEFANA @ hery mitam-basy hatreny Antanimena ka hatreny @ CAPSAT.
Tsy misy hankato izay fanjakan'i Baroa baribarianina mpandrombaka fanjakana @ "demokrasia" sandoka, hanindry sy hamono antsika eto.
Tsy misy Malagasy manaiky hiforitra eto mandritra izany 24 volana izany ary na 1 volana akory aza.
Tsy misy Malagasy manaiky an'I MADAGASIKARA TANINDRAZANA MALALANTSIKA hiverina hobaboin'i Lafrantsa intsony.
Ny 29 marsa: Andron'ny tanindrazana
Tsy izay Vazaha an-Taratasy, Taranak'i Gallieni Vaovao (TGV) no hisoloky ny tanindrazantsika eto.
Sanatria!!! Fihantsiana mihatra @ hambompontsika MALAGASY tsy mihoatra an'izany.
RODOBE ANGAREDON'NY VAHOAKA MALAGASY TIA TANINDRAZANA
NO ANDROAHANTSIKA AN'I BAROA MPANDROMBAKA FANJAKANA HIALA TEO
Ka inona no hatao ??
Samia miteny. Samia maneho. Asaivo miteny daholo ny mpiray tanàna, ny mpiara-miasa, ny mpiara-mianatra, ny mpiray taxibe, ny mpiray kazerina, ny mpiara-mody, isika rehetra rehetra.
Manorata. Ampiteneno ny taratasy, ny gazety, ny radio, ny rindrina, ny akanjo …
Mifamoria. Henoy, raiso ny toromarika. Ity no toromarika voalohany.
Esorintsika teo ny mpanao Fanjakan'I Baroa.
Demokrasia Tàn-dalàna Tsisy Raorao ny antsika.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1654