Mitohy hatrany ny tena atao oe TOLONA

1. Noue ( 23/03/2009 20:59)
[URL=http://img25.imageshack.us/my.php?image=maniftimbig.jpg][IMG]http://img25.imageshack.us/img25/1763/maniftimbig.jpg[/IMG][/URL]

D’après Jean-Philippe Rémy envoyé spécial du quotidien Le Monde, il y avait 10 000 manifestants à Ambohijatovo sur la place de la Démocratie, “c’est un nouveau cycle qui commence”

Plusieurs milliers de manifestants à Ambohijatovo aujourd’hui. Des députés et sénateurs présents. Un véhicule militaire a tiré en l’air d’après des témoins et Reuters pour intimider les manifestants. Une nouvelle manifestation est prévue demain


dia mitohy zany ny TOLONA eee ! mbola ho aiza nefa io tgv io eee ! efa vaky zay ny pneu eee
2. Noue ( 23/03/2009 21:00)
http://www.lemonde.fr/afrique/portfolio/2009/03/23/a-madagascar-c-est-un-nouveau-cycle-qui-commence_1171668_3212.html

mba jereo kely anie io eee !!
3. pikatti ( 23/03/2009 21:11)
Misy be ndray zao no harary fo ato,sao de mba misy toubib ato aloha fa hafanafana ndray ny raharaha
falifaly avao é raha nahazo seza ""
tsy fantany ny ahazo azy é
misaotra Noue a,zao no tena tolona :-* :-*
4. ikaretsaka ( 23/03/2009 21:30)
de hifampitolona eo fotsiny ve no hatao e :-D
5. Oay ( 23/03/2009 21:34)
Za aloha raha ny fahitako d raha izao no mitohy d tsy maintsy raikitra ihany ny ady antrano satria nahoana:
_Nihamafy ny camp Ratsiraka satria niampy an'i Ratsirahonana izay niaraka t@ Ravalomanana t@ 2002.
_Navoaka daholo ireo lazaina hoe gadra politika d ireo koa hanamafy ny TGV.
Noho izany raha mitombo ka tena mahazo olona marina ny TIM d tsy maintsy raikitra ny ady satria efa hita fa ny TGV d efa vonona @ ady ary ireny vahoaka nanaraka anazy ireny d efa vonona ny amin'izany satria tadidio fa tsy mbola nanana miaramila aza ry zareo tsy niala ka maika moa fa izao efa misy miaramila izao.
Ny anay moa d mpijery izahay ka d tairo fa mino izahay fa tsy maintsy hilamina ihany io ndray andro any é!
Ny mampatahotra d raha mbola ny iray aminireo mpifanandrina ireo no hitondra an'i Madagasikara d tsy maintsy fanjakana lohamboto feno jadona sy mpampiasa hery no anjaka eto satria tsy hisy filaminana izany eto fa tsy maintsy mitady fika fona ny mpanankorontana d tsy maintsy mampiasa jadona sy hery ny mpitondra entina hamoretana izany d ny mahay milomano no mahazo tombony amin'izay sady tsy mety tapaka lalandra satria....
6. pitchou ( 23/03/2009 21:53)
Oay>> d hijanona ho mpandevina ny maty fotsiny ve izany enao? :?
7. ifiona ( 23/03/2009 22:06)
pitchou novaliako ilay poste-nao tatsy ambany tatsy
8. rakaroka ( 23/03/2009 22:19)
Ah! la!la! Gravy ihany tokoa ity ady seza ity an, ny tena mahaloza azy dia rehefa lasa atom-piainana toa izao sy antoky ny fiainan'ny manodidina koa!
Dia tsy misy raha manjary fa fanapotehana sy fifanapotehana no
miroborobo ! Dia tsy TGV na ny Tim ihany no concerné hoe mizotra mankaiza ?fa i Madagasikara manontolo ka!
9. pitchou ( 23/03/2009 22:19)
ifiona hitako iny ka! melsiii
10. xxx ( 23/03/2009 22:39)
naninona nohon'ny lasa ra8 vao mivoaka ny olona eh!! naninona raha natao mialoha dia mety tsy sahy nihetsika ny miaramila?
11. pitchou ( 23/03/2009 22:52)
ho sahy nihetsika foana ny miaramila ka! pro-ra8 teny Mahamasina, contre-ra8 teny @ 13 mai. D ny 13 mai aloha no darofany mialoha fa tsy maty daholo; d tsy niandry ilay fidarofana azy ny teny Mahamasina fa nipirina mialoha!!!!
enga anie tsy hisy fifamonoana intsony eto fa lasan'ny karana sy ny kelimaso daholo ange i madagasikara e!
aleo mba manao adin'ny mpirahalahy mifankatia ny gasy e! mahay miombona foana avy eo
12. rakaroka ( 23/03/2009 22:58)
Ka ny omby indray mandry hono tsy indray mifoha koh ! Taratry ny fahatarana ara-pisaina? ... ara-piheverana?...:{ :{ :{
'ntsôooooo tsy mimé loza aho mijery 'reto izy, tahaka ny tara TGV izany!...
'za koa 'ngé tsy dia mirevy TGV à 100% ? Ilay mitarika mba ekeko satria miandrandra olom-baovao ho an'ny firenena aho, fa lé miaraka aminy toa misy efa tranainy mpilalao firenena fotsiny! Fa saingy efa lé masinina koa!...
13. ndenn ( 23/03/2009 23:57)
Ny fananam-bahoaka ho potika atsy ho atsy no tena mahakivy tanteraka raha tsy ho vita ny mandroso vahaolana haingana dia haingana .Alohan' ny daty nomen' ny RFI sy ny Bani.Makarary fo sy mahakivy tanteraka ny mijery ny misy an' iDago @ izao .
14. zandikely ( 24/03/2009 00:44)
Tokony mba efa mahatsapa kosa ireto mpanaraka an'i Ravalomanana ireto fa tena efa misy fiovana tanteraka nentin'i Andry sy ny Fitondrany: AFAKA MITOLONA MANAO FIHETSEHANA MALALAKA IZY IREO FA TSY NISAKANA TAHAKA NY NATAON'NY ANAKIRAY TALOHA (RAVALOMANANA). Tsy tsapan'izy ireo akory izany.



15. pikatti ( 24/03/2009 00:47)
Tsy arany tsony zany , fa fandaminan-tseza ao nga heverin-dragah fa mora ,tsy fidiny ho azy io fa nitofiriny daholo ,reo fa nareo ve paiso é
16. xxx ( 24/03/2009 05:39)
tolona?
Ravalonareo anie efa nitsoaka e! hitolona ho an'ny olona nandao anareo? hiara-maty aminareo vahoaka aho! hahaha, raha za ianareo manala demony amin'ny tenanareo fa efa azony tamin'ny odiny, misy aminareo aloha nomeny sosy de tamana e, fa misy kosa ireo tsy nahazo n'inona n'inona fa de asa angaha nahery loatra ny odin-dra8 de zao mifikitra zao? mihevera tena e
17. taralila09 ( 24/03/2009 07:19)
HO TONGA NY 29 MARSA 2009.
RODOBE ANGAREDON'NY VAHOAKA MALAGASY TIA TANINDRAZANA
62 taona izao ny MDRM … … 114 taona ny MENALAMBA tao Andrefan’Ankaratra.
Dia io indray I LAFRANTSA fa manao ny ataony mampanangatra ny PADESM AREMA sy ny Gasy Vazaha an-Taratasy tarihan'ny Taranak'i Galliéni Vaovao (TGV):
• MANDORO SY MAMOTIKA ny ASA vitan'ny Vahoaka Malagasy tato anatin'ny 49 taona nahazoana ny Fahaleovantena.
• MANDRAVA ny FOTODRAFITRASA FAMPANDROSOANA voajoron'ny Malagasy taona vitsy fotsiny taorinan-dRatsiraka.
Tsisy henatra sy tahotra intsony amin'izao efa taonjaton'ny fanatontoloana (mondialisation) izao ary eo imason'ny diplomatin'izao tontolo izao noMANONGAM-PANJAKANA ary MANDROMBAKA FAHEFANA @ hery mitam-basy hatreny Antanimena ka hatreny @ CAPSAT.
Tsy misy hankato izay fanjakan'i Baroa baribarianina mpandrombaka fanjakana @ "demokrasia" sandoka, hanindry sy hamono antsika eto.
Tsy misy Malagasy manaiky hiforitra eto mandritra izany 24 volana izany ary na 1 volana akory aza.
Tsy misy Malagasy manaiky an'I MADAGASIKARA TANINDRAZANA MALALANTSIKA hiverina hobaboin'i Lafrantsa intsony.
Ny 29 marsa: Andron'ny tanindrazana
Tsy izay Vazaha an-Taratasy, Taranak'i Gallieni Vaovao (TGV) no hisoloky ny tanindrazantsika eto.
Sanatria!!! Fihantsiana mihatra @ hambompontsika MALAGASY tsy mihoatra an'izany.
RODOBE ANGAREDON'NY VAHOAKA MALAGASY TIA TANINDRAZANA
NO ANDROAHANTSIKA AN'I BAROA MPANDROMBAKA FANJAKANA HIALA TEO
Ka inona no hatao ??
Samia miteny. Samia maneho. Asaivo miteny daholo ny mpiray tanàna, ny mpiara-miasa, ny mpiara-mianatra, ny mpiray taxibe, ny mpiray kazerina, ny mpiara-mody, isika rehetra rehetra.
Manorata. Ampiteneno ny taratasy, ny gazety, ny radio, ny rindrina, ny akanjo …
Mifamoria. Henoy, raiso ny toromarika. Ity no toromarika voalohany.
Esorintsika teo ny mpanao Fanjakan'I Baroa.
Demokrasia Tàn-dalàna Tsisy Raorao ny antsika.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1524