Fankaherezana ny Malagasy rehetra any Madagasikara

1. pimaso ( 23/03/2009 17:58)
Hoantsika vahoaka tia filaminana manaja ny democratie sy miaro ny zon' ny mpiarabelona ary miandrandra fahafahana sy fampandrosoana haingana ary maharitra sy indrindra ihany koa miady amin' ny fampihorohorona izay hataon' ny olombitsy piara-belona ka misoratena sy misandoka ho filoha mandidy sy manapaka eto amin' ny tany sy ny fanjakana Malagasy sy ireo vahiny mitady hanapatra fahefana tsy ara-dalana ka mitady ravinahitra eto amin' ny tanin' ny Madagascar

Dia manao antso avo izahay vahoaka Malagasy mandala sy manaja ny ara-dalana ka tsy manavaka antoko politique na avy amin' iza na avy amin' iza fa kosa hiaraka hitaky ny zon' ny vahoaka Malagasy rehetra izay nohitsakitsahina sy natao tsinotsinona tao anatin' ny 2volana.
Etsy andanininy ny fanalambaraka ny voninahitr' i Madagascar sy ny vahoaka Malagasy rehetra teo anivon' ny firenena manerantany.
Ary ny famotehana ny tanindrazana izay iarahamanana, ny fanamparampahefana sy didy jadona hataon' ny olombitsy mpampihorohoro miaraka amin' ny miaramila sasatsasany.

Hiaraka isika vahoaka Malagasy rehetra izay miaky ary manaiky fa mananjo feno, hanohitra tsy misy atankandro ny didy jadona sy fanamparampahefana ary fisandohana izay hataon' ireo andian' olona tsy mitsijo ny tombotsoan' ny vahoaka ireo. Izany tompoko no ho tanterahina dia hilana ny fiaraha-miasan' ny olonkendry tsirairay sy ireo hery velona rehetra manerana ny Madagascar.

Ireo no ho tanterahina amin' ny Alantsinainy faha 23 Mars 2009 amin' ny 9 ora maraina etsy amin' ny kianjan' ny democratie.

Ary ho hintantsika amin' izany koa ireo andrimpanjakana rehetra sy olomanankaja maro samihafa izay nohosohosena ny zo-mahaolombelona azy ireo.

Koa manainga antsika rehetra miady amin' izao fisandohana sy habibiana maro isankarazany izao ho tonga maro fa " ny mitambatra vato fa izay misaraka fasika" " Ny mitabe tsy lanin' ny mamba" Koa dia tongava maro ary tompoko

Izao fanambarana izao dia nataon' ny fikambanana tanora miady amin' ny tsy rariny ka hametraka ny tena democratie eto amin' ny firenentsika.

Misaotra antsika rehetra mialoha izay tompoko!
novalian'i pimaso ny 25/03/2009 18:03
2. Andribe ( 23/03/2009 18:12)
ary betsaka ny tsy eto madagasikara no be resaka eto an 8O 8O 8O 8O
3. gasmlay ( 23/03/2009 18:33)
zany hoe: mankahery sy mamporisika anareo i pimaso aty am-pita, ho lohalaharana foana ianareo, misolo vaika ny akalana, ho tifirin'ny miaramila, fa raha mandresy ny tolona de afaka mijanona aty elaela ry zareo reto! izay no tena tiany hambara! fa ianareo hinan'le nosotron'i pasitera! :-D :-D :-D
4. Andribe ( 23/03/2009 18:43)
ary reto tena mbola fetsy noho i tgv an :-D :-D :-D :-D :-D
5. xxx ( 24/03/2009 07:16)
fa iza no mampihorohoro? ny tena nanao didy jadona?, iza no manao ny ara-dalana? ny nanitsakitsaka lalam-panorenana , ny tsy nandoa hetra, ny manao vola sandoka, sns...
mba saino kely!
6. taralila09 ( 24/03/2009 07:29)
HO TONGA NY 29 MARSA 2009.
RODOBE ANGAREDON'NY VAHOAKA MALAGASY TIA TANINDRAZANA
62 taona izao ny MDRM … … 114 taona ny MENALAMBA tao Andrefan’Ankaratra.
Dia io indray I LAFRANTSA fa manao ny ataony mampanangatra ny PADESM AREMA sy ny Gasy Vazaha an-Taratasy tarihan'ny Taranak'i Galliéni Vaovao (TGV):
• MANDORO SY MAMOTIKA ny ASA vitan'ny Vahoaka Malagasy tato anatin'ny 49 taona nahazoana ny Fahaleovantena.
• MANDRAVA ny FOTODRAFITRASA FAMPANDROSOANA voajoron'ny Malagasy taona vitsy fotsiny taorinan-dRatsiraka.
Tsisy henatra sy tahotra intsony amin'izao efa taonjaton'ny fanatontoloana (mondialisation) izao ary eo imason'ny diplomatin'izao tontolo izao noMANONGAM-PANJAKANA ary MANDROMBAKA FAHEFANA @ hery mitam-basy hatreny Antanimena ka hatreny @ CAPSAT.
Tsy misy hankato izay fanjakan'i Baroa baribarianina mpandrombaka fanjakana @ "demokrasia" sandoka, hanindry sy hamono antsika eto.
Tsy misy Malagasy manaiky hiforitra eto mandritra izany 24 volana izany ary na 1 volana akory aza.
Tsy misy Malagasy manaiky an'I MADAGASIKARA TANINDRAZANA MALALANTSIKA hiverina hobaboin'i Lafrantsa intsony.
Ny 29 marsa: Andron'ny tanindrazana
Tsy izay Vazaha an-Taratasy, Taranak'i Gallieni Vaovao (TGV) no hisoloky ny tanindrazantsika eto.
Sanatria!!! Fihantsiana mihatra @ hambompontsika MALAGASY tsy mihoatra an'izany.
RODOBE ANGAREDON'NY VAHOAKA MALAGASY TIA TANINDRAZANA
NO ANDROAHANTSIKA AN'I BAROA MPANDROMBAKA FANJAKANA HIALA TEO
Ka inona no hatao ??
Samia miteny. Samia maneho. Asaivo miteny daholo ny mpiray tanàna, ny mpiara-miasa, ny mpiara-mianatra, ny mpiray taxibe, ny mpiray kazerina, ny mpiara-mody, isika rehetra rehetra.
Manorata. Ampiteneno ny taratasy, ny gazety, ny radio, ny rindrina, ny akanjo …
Mifamoria. Henoy, raiso ny toromarika. Ity no toromarika voalohany.
Esorintsika teo ny mpanao Fanjakan'I Baroa.
Demokrasia Tàn-dalàna Tsisy Raorao ny antsika.
7. pimaso ( 25/03/2009 18:03)
EKENA A
VIVE US
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0455