Ho an'ny pro Ra8.

1. essera ( 19/03/2009 09:59)

Mahavariana fa dia lasa ianareo indray izao no mpanao calamité. Raha mijery ny sujet rehetra eo ambany aho dia tena mazoto manoratra tokoa ianareo fa ny mahagaga ahy dia lasa mpiasan'i Radio Mada daholo ianareo. Vao misy zavatra miseho kely dia tena hainareo ny manao adisanina ny zava-miseho rehetra :
- manampy
- mampitombo
- manala

Tokony hahatsapa ianareo hoe avelao i Andry TGV hanao fa efa hatrany amin'ny CUA izy no nosakatsakanana ka izao izy ny firenena mihitsy no entiny dia hitanao eo rehefa avy eo izay vitany. Ilay vao niala teo aloha dia efa azo antsoina mihitsy hoe "iray tampo amin'ilay Iraika lah talou".

Raha tokony nifarana teo amin'ny disadisa teo amin'ny Commune Antananarivo Rev ny resaka, izao aiza ? Tandremo fa ny mpiasanao androany mety ho Mpampiasa anao rahampitso rehefa tsy mitandrina ianao.
2. Mandefitra ( 19/03/2009 10:13)
ie, ka ny maire zao no nanongana prezida, ny colonel manongana jeneraly, ny miaramila mampihinana maloto ny rayamandreny am-panahy ko ...

Ty lay tonga @ fitenin-jatovo hoe ny kely zao no manitrikitrika ny lehibe e ...

3. essera ( 19/03/2009 10:25)

Ekena "Mandefitra", fa mba anontaniako ianao, nahay nandefitra ve ny filohantsika, na ataoko indray hoe nahay mba nahay nitandrina tamin'ny vava navoakany ?

(...) Diniho kely aloha ?

Raha nanaraka tsara ny tantara rangah dia izao : "Provocation tena efa nihoatran'ny mety no nataon'i Ravalo tamin'olona maro raha tsy hiteny fotsiny aho hoe ny mpandraharaha. Efa nanomboka tamin'ny andron'i Patrick Ramiaramanana io. Nahatoky tena be loatra izy fa ho voafehiny amin'ny lafiny rehetra ny malagasy.

Misy fetrany ange ny zava-drehetra e.

4. ifiona ( 19/03/2009 10:29)
mahagaga ry essera fa izahay tsy niaro an'i Ravalo intsony akory dia lazainareo fa pro ravalo, fa angaha raha vao hoe tsy mankasitraka ny adalan'i TGV dia hoe pro ravalo?
5. xxx ( 19/03/2009 10:33)
Tokony hahatsapa ianareo hoe avelao i Andry TGV hanao fa efa hatrany amin'ny CUA izy no nosakatsakanana ka izao izy ny firenena mihitsy no entiny dia hitanao eo rehefa avy eo izay vitany. Ilay vao niala teo aloha dia efa azo antsoina mihitsy hoe "iray tampo amin'ilay Iraika lah talou".

Raha tokony nifarana teo amin'ny disadisa teo amin'ny Commune Antananarivo Rev ny resaka, izao aiza ? Tandremo fa ny mpiasanao androany mety ho Mpampiasa anao rahampitso rehefa tsy mitandrina ianao.

Inona no atahoran'i Andry, CAPSAT efa manome toky miaraka @ BASY sy ROKETY: izao zao Ramerci koa efa naka ny toerany, sambotra etsy sy eroa, Pasitera hampisotroina pipi? Ratsiraka sy Cie? Rà eny Iavoloha? Ambassade tonga vao vita ny coup d'Etat?
Tonga saina izahay tsy Tim tsy akory fa olon-tsotra fa misy ny TSY MAZAVA satria i MAdagasikara de manana haren-kibon'ny tany betsaka, ka iza no hanaiky hiverina ho colonies satria izay no takalon'izao appui izao? sa misy ny GRATOS?

6. Mandefitra ( 19/03/2009 11:09)
11H05 : L'Ambassadeur de France M.Chataigner a été recu par Andry Rajoelina

Amiko zao dia tsotra : NAMIDIN' i TGV varoboba t@ frantsay i madagasikara.

Malahelo ny fireneko aho, malahelo ny soatoavina sy ny satany nohosihosena.


"tsy hanozona ny Ntaolo na sanatria hiantso tody
saingy masina ny sata zay voahitsakitsakao "
7. essera ( 19/03/2009 11:15)
Raha amidy ihany leroa aleo tsy amin'ny sinoa ry Mandefitra fa ny 1/3 ny mponina eto ambonin'ny tany ange ny sinoa e.

Ary fantatrao ny vaovao faramparany momba ilay filohan'ny sinoa notorahan'ny kil kiraro koa (kiraro lamaody) satria mitovy amin'ny adklé ra8 io manao dictateur io ihany koa, izay no fanazavan'léry le nitoraka mihitsy (c'est un dictateur).

Eto amintsika koa teneniko tsara am Rangah fa mbola be faka be ny frantsay. Ny mpampiasa frantsay koa azo ioriranana noho ny mpampiasa sinoa (an am zone franche). Jereo ny ankabeazan'ny fotodrafitr'asa antitra indrindra eto raha tsy mbola frantsay. Ireny arabe pavet vato ireny. Nahasoa ihany raha dinihina.

Ny Sinoa leroa izao vao hanjanatany fa ny Frantsay efa tsy mahazo manao intsony.

Ao ve ?
8. hery ( 19/03/2009 11:18)
Tsy resaka pro Ra8 na tsy pro Ra8 ilay izy ry essera.

Manaiky an'ireo toetra ratsin-dRavalo ireo mihitsy daholo ny olona... raha tsy hoe fanatika angamba. Fa tsy izany no hanaovana ny tsy ara-dalàna sy hanekena habibiana. Nisy fomba mendrika sy ara-dalàna nahafahana nanala an-dRavalo teo amin'ny toerany.

Samy eto isika fa hanenina ianareo mahita ny fivoaran'ny tantara hoe aleo nanao referendum sns. Malaky be toy ny TGV daholo mantsy ny fiovan'io fa tsy hiandry ela akory.

Koa aza sakanana ny vavan'ireo izay mahita ny tsy rariny. Aza tonga dia boriboriana hoe pro Ra8 rehefa miteny hoe tsy mety ny natao an'ireo Jeneraly, ny nanaovana an'i Pasitera Lala, ny forcing amin'ny basy etsy sy eroa.

Fa na dia hatao hoe pro-satàna aza izahay satria milaza an'izany dia holazaina hatrany izany. Raiso ny andraikitra rehefa manao ratsy.
9. xxx ( 19/03/2009 11:24)
Angamba olona minia tsy mijery matoa tsy mahita hoe amidin'i TGV @ frantsay ny firenena e, miharihary ohatry ny tafika an-drefa-tanàna izany

Olona minia tsy mijery koa ny milaza fa tsy misy intsony ny fanjanaha-tany

Olona minia tsy mijery koa ireo tsy mahita fa izay tany "zanahin'ny frantsay" dia tsy mandroso fa mihemotra aza , angamba isika izao efa laharana voalohany avy ery @ farany
10. essera ( 19/03/2009 11:34)
Dia anontaniako i "Hery" : Inona ilay Nisy fomba mendrika sy ara-dalàna nahafahana nanala an-dRavalo teo amin'ny toerany.

Miandry 2012 ?

Azavaiko anao ny tsy azo ampiandrasana ity tolona iray ity.

Sao dia odianareo tsy fantatra aza fa tao anatin'ny fotoana fohy dia fohy ange dia namboarin-dra8 hatrany amin'ny lalam-panorenana e.

Menatr'olona ihany izy farany rehefa tsy nisy nilatsaka tamin'ny fifidianana ny antoko politika teto amin'ny tanana. Noforonina ny lalana ho an'ny antoko izay anomezana subvention ho an'izay mahafeno ny 22 régions. Tsy maintsy milatsaka isaky ny fifidianana raha vao misy nefa efa fantatra fa hivoaka 1% na ny filohan'ny antoko sy ny komity ary ny sekretera sisa no mifidy anao. Ny ambiny tsy mifidy sy ny an'ny antoko matanjaka.

Dia manontany anao aho Mr Hery, omeo herintaona fotsiny Ra8 raha tsy hi-exagérer aho hoe hisy ny fitondrana imperialy voalohany eto Madagasikara (ny anarany fotsiny no mety tsy ho izay).

Fehiny : Tsy azonao kitihina izany ra8 teo amin'io fitondrana io raha hiteny ianao hoe andao ary esorina amin'ny tena ARA-DALANA, fa raha hanao an'izay aza ianao (ara-dalàna io) dia AMPIASANY NY TSY ARA-DALANA INDRAY izay arovany amin'ny ara-dalàna ihany eo imason'izao tontolo izao.

Tsy midika anefa io teneniko io hoe barofo fa ny mpanararaotra aloha fa nisy tsy lavina.

Misaotra e
11. xxx ( 19/03/2009 11:46)
Dia anontaniako i "Hery" : Inona ilay Nisy fomba mendrika sy ara-dalàna nahafahana nanala an-dRavalo teo amin'ny toerany.

Miandry 2012 ?

Azavaiko anao ny tsy azo ampiandrasana ity tolona iray ity.

Sao dia odianareo tsy fantatra aza fa tao anatin'ny fotoana fohy dia fohy ange dia namboarin-dra8 hatrany amin'ny lalam-panorenana e.

Menatr'olona ihany izy farany rehefa tsy nisy nilatsaka tamin'ny fifidianana ny antoko politika teto amin'ny tanana. Noforonina ny lalana ho an'ny antoko izay anomezana subvention ho an'izay mahafeno ny 22 régions. Tsy maintsy milatsaka isaky ny fifidianana raha vao misy nefa efa fantatra fa hivoaka 1% na ny filohan'ny antoko sy ny komity ary ny sekretera sisa no mifidy anao. Ny ambiny tsy mifidy sy ny an'ny antoko matanjaka.

Dia manontany anao aho Mr Hery, omeo herintaona fotsiny Ra8 raha tsy hi-exagérer aho hoe hisy ny fitondrana imperialy voalohany eto Madagasikara (ny anarany fotsiny no mety tsy ho izay).

Fehiny : Tsy azonao kitihina izany ra8 teo amin'io fitondrana io raha hiteny ianao hoe andao ary esorina amin'ny tena ARA-DALANA, fa raha hanao an'izay aza ianao (ara-dalàna io) dia AMPIASANY NY TSY ARA-DALANA INDRAY izay arovany amin'ny ara-dalàna ihany eo imason'izao tontolo izao.

Tsy midika anefa io teneniko io hoe barofo fa ny mpanararaotra aloha fa nisy tsy lavina.

REFERENDUM, niaraka @ COMITE INDEPENDANT na ireo TGV rehetra aza no niconstitué Azy, tsy nampaninona anay vahoaka izany.
Tsy Ra8 intsony no olana, fa i Madagasikara niverina ho lasa colonies, diniho tsara ny situation, vao vita ny coup d'ETat de nilatsaka ny Ambassade midika izany fa Izy ireo no tao ambadika ireo, moa misy ve ny GRATOS @ SERVICE RENDU toy izao zavatra izao?

12. majakely ( 19/03/2009 11:59)
Zah aloha dia vonona hijery ny tohin'ny tantara ee,iriko hoe mba ho tsara amizay na iza na iza no hoeo,...Fa mino aho fa mbola tsy hoavotra izany tsika amin'io ataon'i TGve amizao io...zany tsy midika hoe pro ra8 ndray aaa....ra8 efa lasa tsy nanao veloma akoriny de aoka ny lasa ho momban'ny lasa ,saingy ny amizao fotoana izao no jereo am fo tsy miangatra,ary i TGV manana intérêt ny hanao tsara fa tsy haka tahaka na hanao zavatra pire nohon'ny nataondra8 normalemnt ,zay no nitolomana fa tsy valifaty?Sa valifaty ve??????
Noho izany na pro ra8 ianao na pro tgv de alao alouh hisosa de mba jerena izay ho avy fa aza simbana kosa tompoko ny maha-malagasy anay sy ilay tanindrazanay masina io !!!
13. Mandefitra ( 19/03/2009 12:03)
Etsy andaniny, ny fanarenana ireo gaboraraka ireo ve vita mora?
- ny miaramila mioko, tsy manaja ny rafitra an-tanan-tohatra (hierarchie)
- ny mpanohitra zay hibodo toerana haka ny anjara mofony (jereo ry ra Merci ao antsirabe manao auto proclamation ho maire etc ...)
- ny fanosihosena ny hasin'ny ireo ray aman-dreny am-panahy
- ny tananan''antananarivo difotry ny fako sy ny faharavana
- ny toe-karena
- ny endrik'i gasikara eo imason'ireo mpizahan-tany
- ny fahatokisan'ny mpandraharaha vahiny @ fampiasam-bola eto gasikara
- ny filaminam-bahoaka satria zay manam-basy sy manam-bola zao afaka mampihatra fahefana ....


14. xxx ( 19/03/2009 12:13)
ny filaminam-bahoaka satria zay manam-basy sy manam-bola zao afaka mampihatra fahefana ....

Marina izay fa aleo mangina na de manana ny RARINY ary e!
Efa voasoratra fa tsy maintsy ho izao no hizoran'ny film, tsy misy ny zvt tonga ho Azy izany.
15. tarzand ( 19/03/2009 12:15)
Pire noho izao ny zavatra hitranga e! ny Capsat aloha de tena mahamenatra mihitsy e! le TGV toa tsy mba misy programme mazava akory. Tokony natao ny REFERENDUM mba hanehonay ny hevitray.
16. irihat ( 19/03/2009 12:22)
Fa toa ohatry ny marary fo daholo ianareo izany e! Fa misy iraharahian'i TGV na Ra8 na deba anareo angaha no de mfanao taim-bava tsy mifankahita tarehy ohatr'izao?
Io tsisy pro-Ra8 na pro-TGV fa izao, nanao ny nataon-drafozany :) ihany anie TGV e. Naka mpiandry, asiana fotoam-pivavahan (fa le mpiandry koa aloha tena tsara mitsy satria ry zareo ihany no tao t@ 2002 de mbola ry zareo mpiandry ihany koa izao)
Za aloha de lazaiko fa Ra8 satria zay ah vao afaka nihinana fromage, beurre, yaourt, ronono ANKAHALALAHANA. Tsy fantatrareo angamba na tsy tadidy intsony t@ andron'ny Deba : ilaharana @ 3 maraina ny PPN, ny produits laitiers ry zareo CSR sy ny affairiste mpande La Réunion ihany no mitondra izany, ny savon de toilette LUX mbola pehan'ny douaniers ao Ivato. Ka izay no itiavako azy, afaka nanao gratin de macaroni tsara mitsy ah, de mzesta be manao petit déjeuner chocolat avec pain beurré. Hum, miam.
Hay ny menaka koa tsy menaka avion na menaka maimbo be fa afaka manao sauce vinaigrette tsara e (zany t@ andron'ny deba daholo fa MORA MANADINO NY GASY)
Ka le pro-TGV ireto enga anie ka ho tonga soa aman-tsara ny menaka Ar 2000/litre no sady tsy menaka MADE IN CHINA misy mélamine na menaka avion sy maimbo be na fanaovana savony. Inona moa no andrasanareo aminy? Nareo aza efa nivadihany sahady hoe vonona handray ny sommet UA izy nefa nolaviny tanteraka izany t@ fihaonana t@ Ra8. Ka za vahoaka sahala @ bas quartier tsy mahay izany investissement natao tao anatiny izany fa ny nitatatatana teo @ 13 mai dia hoe TSY ILAINA NY SOMMET, AMIDY NY FORCE ONE II de izay.
17. bozyboleta ( 19/03/2009 12:24)
Raha mbola fahavoazana ara-materialy mbola azo arenina foana.
Fa ny fahavoazana eo amin’ny toe-tsaina mihitsy no tena zava-doza t@ nataon’ireo jiolahim-boto.
Inona no rafitra afaka apetraka intsony rehefa ny natao ho modely no manaonao foana? Ny miaramila natao hiaro no manao herisetra, ny mpanao lalàna natao hampihatra izany no manitsakitsaka ny lalàna fototra mihitsy.
Fanjakan’ny jiolahim-boto e!
An'ny manam-basy sy manam-bola ividianana ny rariny izao ny fahefana...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0706