Isika Malagasy

1. irihat ( 18/03/2009 12:55)
Bonjour daholo e,

Ny ahy zany dia tena tsetratsetra tsy aritra ar-pitenenana mihitsy. Isika mifanorara eto zany refa miresaka mifanatrika dia samy milaza hoe mitovy ihany anie ry zareo refa eo @ fitandrana e. Ary mbola ho ela vao ho tonga any am-bilany ny vokany sauf ngaha hoe infrastructure, mihatra @ tena.

Ka ny ahy dia tostra : tsy aleo ve ry reto politikan'ny kibo ah. Izao anie, ny zanaky mpanana Ra8, TGV, Ny Hasina, Ratsivalaka sns e, afaka mianatra any am-pita e. Fa ny an'ny tena vao raikitra ny korontana defa tsy mianatra indray. Ary na ny Université aza @ izao dia tsy fantatra marina.

Ka izao e, na dia manao tora-po eto aza isika de tsy raharahian'ny mpanao politika mitsy ka aza mba migrevy izany. Za zao na t@ Zafy, na t@ Ratsiraka, na t@ Ra8, na t@ TGV dia tsy nigrevy izany. Au contraire aza izahay tato am-piasana t@ crise 2002 ireny nahazo cadeau 100.000Fmg isaky ny mpiasa, ka tsy aleoko miasa ihany.

Dia manantena ny critique-nareo.
novalian'i irihat ny 19/03/2009 06:28
2. xxx ( 18/03/2009 14:59)
marina 100% izany irihat !
3. fahamarinana ( 18/03/2009 15:42)
:arrow: irihat : ka raha ny tena aza anie no tsy te hi-grevy,mety ilay toeram-piasana mihintsy e dia mitovy ny vokany ,sa ahoana hoy ianao ? (l)
4. sitlo ( 18/03/2009 16:18)
Be dia be ny olona mitovy aminao.

Fa saingy, tsy azo odian-tsy hita ny fiarahamonina. Mba sitrak'ireo voaroba teny amin'ny pavillon ireo koa ny hanao tahaka anao.
5. ravonjison ( 18/03/2009 16:53)
Araka ny voalazan' i Stilo, tsy azo hoadian-tsy hita ny fiarahamonina.

Ny olana koa anefa dia izao : ny atý andafy rehefa mi-greve dia hazavain' ireo mpitondra greve tsara @ olona ny antony hanaovany izany , ny tanjona.Dia avy eo asaina any @ telé ireo mpitondra greve, dia asaina koa ny mpiasam-panjakana responsable, dia manao discussion ireo hitan' ny olona rehetra.Dia mitady ny vahaolana.Samy mamoaka ny ao antsainy.

Fa ny any amintsika ny akamaroan' ny olona tsy ampy fahalalána, fantatr' ireo mpanao politika tsara izany, noho izany resaka manupilation no betsaka, teny amboamboarina hanafenana ny ao antsaina no atao.
Izay ilay tena tsy tantiko. Ka raha vao hitako fa be resaka fotsiny ilay mpanao politika dia efa tsy miditra aho, aleko mijanona ao antrano.
6. noufe ( 18/03/2009 17:09)
mety tsy ho lany i andry satria izy sy ra8 mema patte meme moule . izany hoe samy merina ary samy mpitantana orinasa . tsy hoe mampiditra adim-poko aho fa misy io resaka io . noho izany tsy ahazo +de 50%izy rehefa raikitra ny tena fifidianana


















=
7. sero ( 18/03/2009 18:36)
lasa ny mamba dia misosotra ny voay.mitovy ihany izy roalahy ireo fa ny tena mahasamihafa azy dia ny iray efa voky fa ny faharoa mbola noana.
8. irihat ( 19/03/2009 06:28)
Ka izany daholo de tsy hita izay hatao e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3264