Fitsapana hevim-bahoaka anterneto ankolaka(Randria2009)

1. diloo ( 16/03/2009 07:40)
Manao ahoana daholo.

Mba nampiasa ity sondage ity aho saingy ankolaka ny valiny.

Ity ilay site nanao ilay sondage, izay azo hidirana ao @'ny Serasera.org:

Fitsapan-kevibahoaka 2009 [Referendum]
Fitsapan-kevibahoaka | [Referendum] Manoloana izao savorovoro misy eto amin'ny... (randria2009 - ) tohiny »

Dia ity ny zava miseo.Miova ilay fanontaniana sy ilay valiny:

Mandainga be ilay valin'ity sondage ity:
Niova ilay fanontaniana ary nanjary tsy nisy lanjany ilay ENY nataoko testy ambony:

Ekenao ve ny hijanon'Atoa RAVALOMANANA Marc eo amin'ny fitondrana sy hamitàny ny asa maha-filoham-pirenena Malagasy azy hatramin'ny desambra 2011?

Nanindry ENY aho.

Dia jereo ity valiny ity:

Ekenao ve ny hanonganana an'Atoa RAVALOMANANA Marc tsy ho Filoham-pirenena Malagasy intsony?
Votes
TSIA 35 %
13
ENY 65 %
24
novalian'i Oay ny 16/03/2009 09:10
2. ifiona ( 16/03/2009 07:45)
nataoko anefa io dia misy karazany roa ny fanontaniana, ka mila vakiana tsara satria rehefa jerena ny vokany dia 67% tsy manaiky ny coup d'Etat ary 92% mbola manaiky ny hanohizan'i Ravalo ny asany hatramin'2012
3. Noue ( 16/03/2009 07:54)
io indray ilay sondage fosika kooo
4. penguin ( 16/03/2009 07:58)
Eny aminay indray dia 95 % tsy mila TGVendrana nefa tsy voakasiky ny sondage fosika eny. Hahahaha
5. ifiona ( 16/03/2009 08:01)
ifiona:

nataoko anefa io dia misy karazany roa ny fanontaniana, ka mila vakiana tsara satria rehefa jerena ny vokany dia 67% tsy manaiky ny coup d'Etat ary 92% mbola manaiky ny hanohizan'i Ravalo ny asany hatramin'2012



oay lety e, azafady ry reto fa tena misy fopla tokoa ilay sondage, tsy resaka hoe chiffre na ôtran'izany fa raha toa ka mamaly ity fanontaniana ity nareo:" Ekenao ve ny hijanon'Atoa RAVALOMANANA Marc eo amin'ny fitondrana sy hamitàny ny asa maha-filoham-pirenena Malagasy azy hatramin'ny desambra 2011?" dia ny valin'ity fanontanian'ity ndray no miseho ao "Ekenao ve ny hanonganana an'Atoa RAVALOMANANA Marc tsy ho Filoham-pirenena Malagasy intsony?"

oay lety e za zany lé mety anisan'ireo voafitaka amin'ny référendum le

:-D :-D
6. Noue ( 16/03/2009 08:03)
ifiona aa ! ndry ao mba jerevo tsara aloha fa tena fosika be ilay sondage ao kooo :-D :-D :-D :-D :-D
7. Oay ( 16/03/2009 09:10)
Ka ny sondage d efa hita eny an-tsena é! d toa izao izany:
_Avela ny olona haneho hevitra ankalalahana
_Mila sarahana ny asamiangonana sy asampanjakana
_Aoka tsy hisy olona ambonin'ny lalana
_Avereno ny tanin'olona nalaina ankeriny
_Avelao ny olona hanao izay asa tiany eny na manelingelina ny TIKO aza izany asa izany (libre concurrence)
_Avelao ny olona hampiditra ny fitaovana ilainy mba hampandrosoany ny asany (Ohatra fanakanana ny Tank nafaran'ny koperativa mpamokatra ronono tsy nahazo niditra teto Madagasikara fa nongihazana tao Toamasina)
_Aoka mba tsy ny mpiasan'ny TIKO no sady filohan'ny andrimpanjakana no ho solombavambahoaka sns...
_Omeo hasina ny manamboninahitra fa tsy atao ohatran'ny nahazo an'ilay jeneraly iray nandritra ny fivoriana tao Ambotsirohitra, io Jeneraly io d nataon'i Marc Ravalomanana toa ny zazakely rehefa tiany hipetraka d nasainy mipetraka d refa tiany hitsangana d nasainy mitsangana.
_Aoka tsy atao fandemembahoaka ny fitandrovana ny "fihavanana" ka rehefa misy manjo d miantsoantso fihavanana fihavanana fa rehefa hanao ankeriny @ fananan'olona d manao didiko fehy lehibe tsy mila fifampandinihana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.106