LSA NY ADINY EFATRA §

1. ravatorano ( 16/03/2009 05:49)
Nanome adiny efatra an'Ingahy Ravalomanana Ingahy andry Rajoelina mba hametrahany fialana.
Lasa ilay adiny efatra dia efa samy niantranatrana avokoa ny rehetra samy nanongilan tsofina tamin 'ireo radio mampita vavoao maro sao hisy fanambarana tampoka nefa hatramizao mbola tsisy ninoninona
Io v izany mitovy amin 'ilay hoe " efa lasako ny fahefana izao".
Tsy hay tsony e
Ny ery antsimondrano indray dia nilaza fa "tsisy miala eo Prezidà"
dia ahona izany !
novalian'i ngoiha ny 16/03/2009 12:05
2. tsinjo ( 16/03/2009 05:53)
ka oe androany nge houn izy razoky no hanao fanambarana lehibe eo am 13 mei e :-D :-D
3. Mandefitra ( 16/03/2009 05:57)
Tairo ny referendum raha tena mandala ny demokrasia e.
Tokony hanery koa ny fikambanambe iraisam-pirenena mba hirosoana @ io. ONU, SADC, COI sy ireo ambassadeurs rehetra.
Manampy ny gvt @ fanomanana ny fifidianana, ary manara maso.
4. rixes ( 16/03/2009 06:03)
ahona ihany ra8 ty e! ny akama efa lasa nivadika doly ny tao @ fitondrana ,GP lasa , ny be moto tsy misy ntsony . Raha tsy LALAO mintsy no lasan-dry zalahy tsy hiala ngambany lery =))
5. tsinjo ( 16/03/2009 06:07)
tsisy miala eo bainn a, asio ny referendum e :-D :-D
6. xxx ( 16/03/2009 06:12)
Zay mihintsy, tsy 13 Mai sy Tim irery no vahoaka fa ALEFASO NY REFERENDUM!
7. Mandefitra ( 16/03/2009 06:13)
Zay, aza hanaovana loham-boto ny fiainam pirenena fa aleo ny vahoaka no hitsara.
8. Oay ( 16/03/2009 07:16)
Aleo handeha ny fitsapankevibahoaka na izany aza d misy fitsipika tsy maintsy arahina d aoka "Ny hotsaraina tsy sady hompitsara" (Juge et parti) d eo ny olona satria hiverina ery ambony ery ny resaka d ny hoe :ny governemanta ara_dalana satria lanimbahoaka ny mpitondra d ny ankilany hilaza hoe ny vahoaka efa manaraka anay satria efa saika isampokontany izao ny fihetsiketsehana.
Noho izany ny vahaolana d tsy misy hafa tsy ny fanendrena vondron'olona tsy miandany ary mahazo ny fankatoavan'ny rehetrarehetra.
Fa maninona no hoe vondron'olona satria amin'izay sady misy momba an'i Marc Ravalomanana ao anatiny. Fa ny olana d i Marc Ravalomanana tsy mahatoky an'iza niza satria fantany fa ny olona mety mivadika tampoka satria izy d olona taitaitra mivadibadika sy mandray fanapahankevitra eny ampanidinana izay ka ny tahony d sao d mandray fanapahankevitra eny ampanidinana ihany koa izay olona atokisany eo ka hivadika aminy.
9. mpandalina ( 16/03/2009 07:23)
tompoko,


izaho dia anisan'ny olona nifidy ny filoha marc ravalomanana, tsy olona voafidy ara-dalàna hipetraka an-dapa anefa no nifanarahana tao anatin'ny contrat de travail (mandat présidentiel) fa olona hiasa sy hanompo vahoaka fa tsy hotolorana hanina ao iavoloha.

tsy resaka hiala sa tsy hiala fa hoe hiasa sa tsy hiasa, fa iza ianao na dia hoe ara-dalàna aza dia hotoloram-potsiny ao iavoloha?
afaka miala ara-dalàna koa anie ny filoha voafidy ara-dalàna e: izay ilay atao hoe démission! résilier ny contrat satria hoy ny frantsay hoe "je ne te paie pas pour rien faire!"

ianao tokony hiaro ny vahoaka indray no arovana.

olona efa tsy manao n'inon'inona intsony dia arovana atao inona, arovana mandra-pahoviana?
ny hatsaran'ny rivotra eny iavoloha ve no tsy hialan' ny filoha?

samy tahian'Atra daholo!
10. ravatorano ( 16/03/2009 07:24)
alefaso marina ny fitsapa-kevi-bahoaka handaniana izay tena favo e
zaay efa leo an ity resabe ity sy tsy filaminanan ity tsony
fa ny ilainay kosa dia aoka mba madio sy mangaraharaizany fitsapa-kevi bahoaka izany mba hadio sy ho azo antoka fa ho tena fifidianana marina !
11. Oay ( 16/03/2009 07:34)
ravatorano:

alefaso marina ny fitsapa-kevi-bahoaka handaniana izay tena favo e
zaay efa leo an ity resabe ity sy tsy filaminanan ity tsony
fa ny ilainay kosa dia aoka mba madio sy mangaraharaizany fitsapa-kevi bahoaka izany mba hadio sy ho azo antoka fa ho tena fifidianana marina !




Marina ny anao Ravatorano "aleo hadio sy mangarahara"
12. mion ( 16/03/2009 07:41)
Tsy hanaiky referendum ny TGV satria efa kely sisa ny vola hanakaramana mpi-fraude .
13. ari.malala ( 16/03/2009 08:19)
enga anie mba tena hadio sy hangarahara marina!
14. mion ( 16/03/2009 08:31)
nareo aza manantena tsy misy fa tsy eken'ny TGV io referendum io
15. Oay ( 16/03/2009 08:50)
mion:

nareo aza manantena tsy misy fa tsy eken'ny TGV io referendum io



Ka na za koa ary ry mion tsy manaiky référendum izany raha toa ka mbola afaka hangalambato na ny andaniny na ny ankilany a!
16. mion ( 16/03/2009 09:36)
tsy efa 72 Heures ve zay no lasa e, mila isaina koa angamba ny segondra, sa ora astronomika no tian'ity kely endaka eo @ 13 mai ity lazaina. raha ora tany @ zareo (France ) no tian'leri lazaina efa dila hatry ny ela izany adiny efatra zany.
Jere ko mbola tsita iany ze vokatra fa mampanantena poakaty fônafôna, blà blà blà etc... EFA TAPITRA VE LE ADINY EFATRA SA AOna MARINA E
Madagasikara de an'ny
17. Oay ( 16/03/2009 10:22)
mion:

tsy efa 72 Heures ve zay no lasa e, mila isaina koa angamba ny segondra, sa ora astronomika no tian'ity kely endaka eo @ 13 mai ity lazaina. raha ora tany @ zareo (France ) no tian'leri lazaina efa dila hatry ny ela izany adiny efatra zany.
Jere ko mbola tsita iany ze vokatra fa mampanantena poakaty fônafôna, blà blà blà etc... EFA TAPITRA VE LE ADINY EFATRA SA AOna MARINA E
Madagasikara de an'ny


Ka ny gilamaso ry mion mivilana ny fijeriny d izay no mahatonga an'ilay adin'ny efatra lasa ora astrnomika a!
18. ngoiha ( 16/03/2009 12:05)
Ka tsy tiany ny REFERANDUM satria RESY TSY AHITA KIL EOZY ANIE.SADY MANGARAHARA MANTSY DIA TSY TIAN-DRY MAIZIN-TSAINA.TSY ZAKANY ZANY RY BAINE AA
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2474