Mitomania ry Madagasikara

1. tanymasina ( 14/03/2009 11:17)
MITOMANIA RY TANIKO

Monja Roindefo, MONIMA no natao Praiministra mpikomy
Miady izay anjarany koa ny PSD, manasisika an’i Sylla

Inona koa no tadiavin’izy mianaka AKFM manabe feo eo amin’ny 13 mai ireo (Pastera sy Ny Hasiny)

Afatsy ny AREMA, ny UNDD, sy ireto potik’antoko isan-karazany ao amin’ny 13 mai ao, ny fikambanana tsy fantapantatra samihafa

I Andry Rajoelina efa niampanga an’ireo ho mpitsapy TGV fa te-hitazona toerana koa, nasosan’ny mahita vahoaka mpanaraka

FANJAKÀNA TOA INONA NO HO ENTIN’IREO ?
Aza hitako, aza mahita ahy
SARITAKA, KORONTANA, TABATABA



KILAINGALAINGA SY KIFITAPITAKA
TAO ANTANANARIVO
NATAO REN-TANY REN-DANITRA FA AZON’ATOA MONJA ROINDEFO HOE I MAHAZOARIVO FIASÀN’NY PRAIMINISTRA
NY NISEHO
TONGA HAKA AN’I MAHAZOARIVO ATOA MONJA ROINDEFO SY NY MIARAMILA
NANERY NY MPANAO RAHARAHA TAO HANAO TARATASY MANOME AZY AN’I MAHAZOARIVO ATOA MONJA ROINDEFO
ARY SATRIA TSY TEO NY PRAIMINISTRA FA NIVORY TANY AMBOHIMANAMBOLA (HINTSY) DIA NILAZA IO FA EFA LASA NY MPIASA REHETRA FA MATAHOTRA IREO MIARAMILA IREO ARY NY MANAO IZANY TARATASY IZANY TSY VITA EO NO HO EO
DIA LASA RIZAREO
TANY FIANARANTSOA
NOTERENA HIRAVA NY MPIANATRY NY LYCÉE FRANÇAIS
NOTERENA HANAO ILAY MARIKA “V”
NALAINA SARY APARITAKA ERAN-TANY
ATOA MONJA ROINDEFO EFA NILAZA FA AMPAHAFANTARINY HO FANTATRA ERAN’IZAO TONTOLO IZAO NY “ZAVA-MISEHO”
NY AZO TSOAHINA
MAHALALA NY FAHALEMENY RIZAREO; MAHALALA NY FAHOSÀNY; MAHALALA NY TSY FAHOMBIAZANY
RESY
MANDROVI-TSIHY
novalian'i xxx ny 14/03/2009 12:38
2. Noue ( 14/03/2009 11:23)
fanjakana toa inona no ho entin'ireo ? fanontaniana tsara fipetraka io. Fa mino aho fa zay vondron'olona voatarik'io tgv io tsy ampahafirin'ny vahoaka manara-dalàna
3. xxx ( 14/03/2009 11:23)
aza be lazao eo ,padesm ireny ny 29mars efa hoavy mila action isika ,mijoroa raha tena lehilahy efa mandeha be ny feo eny iavoloha fa ho reketina ity :evil: :evil: :evil:
4. tsinjo ( 14/03/2009 11:27)
:( :( inn re no iseho e, de ho azon'ireo marina ve ny fitondrana ??? enga anie mba tsy ho izay
5. TIMTIKO ( 14/03/2009 12:19)
HO AZON IREO NY FI JALIANA :-D :-D :-D
6. zakilinina ( 14/03/2009 12:29)
0% mahery kely no mba vato azon'ingahy Monja Rondefo tamin'ny fifidianana 2007. Mihevitra angamba izy fa tokony ho izy no lany tamin'iny !
7. xxx ( 14/03/2009 12:38)
mbola ho avy ny fanenenany reo olona manohana ireto mpanongam-panjakana reto ,d mihevitra izy ireo fa ho tafita sy ho mety ny fiainanany raha azony ny fitondrana!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2845