Neutre ve ny Frantsay amin'izao korontana izao ?

1. zakilinina ( 10/03/2009 22:21)
Tsy misy zavatra azoko fa mikorontana be izy izany. Miandany amin'iza ny Frantsay ? Aiza ny Amerikanina ? Inona no andraikitry ny Afrikanina Atsimo ? Ny Anglisy toa vao haingana no manohana ny filoha voavidim-bahoaka ?
novalian'i tafondro ny 11/03/2009 01:01
2. ifiona ( 10/03/2009 22:27)
very be ny saiko fa nde hatory za. Bonne nuit zaklinina! :D


aza adino ry reto ny mivavaka alohan'ny matory ho an'izay mivavaka e! zay a!
3. Vargas ( 10/03/2009 22:28)
Ianao izany koa dia ahoana.Ny frantsay dia mandray anjara tafaletika hatreny antenda tompoko! Ny firenena sasany dia manaja tena ary araka ny lazainao dia efa mandray ny andraikiny tahaka ny t@2002.
4. maditra ( 10/03/2009 22:43)
Wadray tsy mamela ny zanany hiady an-trano tsotra izao i frantsa reny malala fa izy mihitsy no mampirehitra an'ilay izy. Mety tsy ho tonga tamin'izao isika raha tsy noho izy. Inona moa izany no ambara afa tsy ny hoe, mankasitraka ry frantsa o, maranitra marina ianao, na izahay gasy mihitsy no tena adala
5. tafondro ( 11/03/2009 01:01)
Diso ianareo @ izany .Manana ny terataniny toy ny hafa ny frantsay eto M/car ,toy ny firenena sasany rehetra .Efa hadino sahady angaha ireo resaka harena ankibon' ny tany sy ny solitany ao Tsimiroro ,maintirano sy bemolanga? Ary ilay varotra tany @ daewoo ? :oops: :oops: ,ary ireo diaspora malagasy mipetraka sy monina any eropa sy amerika ve dia tsy hitady izay mba hampidirany vola ho azy @ famatsiana avy ao an'tanindrazana @ alalan' ireo akora rehetra ireo ? Sa avela hijaly daholo izy ireny n' aiza n 'aiza misy azy eran' izao tontolo izao ? ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2744