Lalaovin'ny katolika ny firenena

1. rabaradaka ( 10/03/2009 07:19)
Efa tokony ho tamin'ny 18, 19, 20, 21 fevrier no natao ity fihaonan'ny mpanao politika rehetra ity fa lalaovin'ny dadatoa monsenera Odon Razanakolona ny fotoana. Efa impiry moa Ravalo no naneho izany hevitra izany fa odiany fanina foana, zao ny papa Benoa 16 mihitsy no manery azy vao hoe hatao amin'ny 12, 13 ary 14marsa ny fihaonana. Mandreraka be mihitsy e !
Zaho kosa dadatoa katolika fa tsy toa azy kah ! Ndao hivavaka amin'ny Masina Maria aloha e !
novalian'i fijo ny 10/03/2009 22:15
2. ari.malala ( 10/03/2009 08:17)
na ny fiteninao aza de efa manambara fa tsy katolika ianao. Rah akatolika tsy hiteny mintsy hoe mivavaka @ Masina Maria. Rehefa tsy mahalala inon'inona aza miteniteny foana.
3. kitane ( 10/03/2009 08:21)
ari < tsika tsy mivavaka afa tsy amin 'i Jeso oooooo
ka vendrana ange zany nareo ambiny matoa lalaovin i mosenera e
aiza koa ka olondehibe tampom pahaizana ireo daholo d mety lalaoviny :-D :-D :-D
4. Oay ( 10/03/2009 08:26)
Rabaradaka efa fantatra @ fomba firesakao ny maha Katolika anao ka tsy d tsara angamba ny nanamafisana anazy.
Araka ny vavao nomena ny sarambabebahoaka d ireto ny antony tsy nanohizana ny fifampidinihana:
1°Ho an'i Marc Ravalomanana:
Ny nahamaika anazy d ny hanaovana ny fivoriam-be ny OUA noho izany d nagatahany ny hijanonan'ny fihetsiketsehana avy hatrany.
2°Ho an'i Andry Rajoelina
Ny zavatra nagatahany d ny hanaovana tetezamita
Tsy nanaiky an'izany i Marc Ravalomanana d napetrapetrany ny mpivory d iny izy no tsy hita satria efa nikaondoha izy tany ambadika @ fampidirana an'ireny olona fotsifotsy be ireny hampandry tany.
Ny fahitako ny position'ny Katolika toa anreo ry rabaradaka d tsy tia ra mandrika sy valifaty ianareo ka noho izany d tadiavinareo ny hampitoniana ny olona @ alalan'ny fifidianana d @ izay tsy voatery hanao sesitany ny tenany i Marc Ravalomanana fa mba afaka hijanona eto Madagasikara.
Satria aoka aloha ho fantatr'isika mianakavy fa tsy ilay fitondrana intsony izao no araovan'i Marc fa ilay loza miandry azy d ireto izany
Foana toa ny zavona ny harenany satria izay daholo no andrasan'ny 70% ny Malagasy d izay no handrovitany tsihy toa an'io an!
5. andrywui ( 10/03/2009 08:27)
bedin'ni ari.malala ialah zay rabaradaka!!! sady na katolika na protestant na anglikan na in na innn !! de izao ihany no fehiny !!! akaiky ny farany !! fa mahereza daholo ry zalahy a !!! de mba mivoaha eto aminillay fotoana iray toa zato laisany fa aza milentidentika any atrano any !!! fa mafy ny nanaovanlaisany ahy teto zay fa aina tsy afaka no nentiko nody :!!!!! ka mba anjarako ndray zany zao ry namako isany ka miereta tsara kosa ref mba ny ol no mamely ee!! aza mitsoatsoaka ry Molota ,fozaorana isany Mirananrirna ;Pennguin ,tezeve ,pimaso ,andrybe ,Noue ,batista007, tafondro......aza miala teto aminlay andro ray toa zato ann?? hony ann?? ha ha aha aha aha ah
6. ari.malala ( 10/03/2009 08:29)
Fa inona aloha no tena antony hi cité na an'ilay hoe katolika e! sa hampiadiana iany koa ny kristianina amizao?
7. Andribe ( 10/03/2009 08:35)
dia ahoana ireo tsy mpino raha raikitra eo ny gera fivavahana ndray
aleo ireo mpino politika resahana fa le katolika sy protestanta sy slamo ary sns lavabe sady mahatafitohana oul

aleo reo olona mivavaka @ politika reo aloha resahana
avelao ry mosenera sy ry pastera sy ry imama hidaboka any
8. Oay ( 10/03/2009 08:49)
Andribe:

dia ahoana ireo tsy mpino raha raikitra eo ny gera fivavahana ndray
aleo ireo mpino politika resahana fa le katolika sy protestanta sy slamo ary sns lavabe sady mahatafitohana oul

aleo reo olona mivavaka @ politika reo aloha resahana
avelao ry mosenera sy ry pastera sy ry imama hidaboka any

Marina ny an'i rahalahy Andribe satria ny prézida d prézidan'ny retraretra noho izany d tsy tokony hampifangaroana ny politika sy ny fivavahana noho izany:
_Tokony ho ravana ity fitondrana ity satria diso be loatra ny fidiran'ny resampivavahana ao aminy (Marc izao prézida lefitra ny FJKM) ka ny tokony atao d:
_Ovaina ny lalampanorenana ka ny mpitondra d tsy tokony hitondra fiangonana fa mijanona ho mpivavaka tsotra mandritra ny fitondrany io hevitra io d atao ho an'izay mpitondra rehetra hatrany @ fonkotany ka hatramin'ny prézida ny firenena.

9. xxx ( 10/03/2009 08:53)
fa ho an'ny tena mandinika, ary tean mieritreritra ny hanovana ny lalandririnina fanaon'ny mpitondra.
aminareo V, ampy izany 3andro hanaovana dinika izany?

sa zao iany no tanjona,

TSIRANANA=RATSIRAKA=ZAFY=RATSIRAKA=RAVALOMANANA=ZE HIDITRA EO=TSY HIOVA AKORY NY PAIKA REHETRA

revy maimaika ftsn no atao, dé ref'veo, hiady ndray, dé hiverina ndray eny @ 13mai, dé hivoka ndray lay tantara "lojikan'ny fifandonana" sy ny karazany....

10. saranga ( 10/03/2009 09:00)
Katolika na tsy katolika tsy zay no blème fa sambory TGV dia milamina io.
11. Oay ( 10/03/2009 09:04)
xxx:

aminareo V, ampy izany 3andro hanaovana dinika izany?

D tsoriko aloha fa mahafinaritra ny hevitr'i XXX fa ny mampalahelo d ohatran'ny hitako hoe miafinafina izany i XXX d izay ny mahatonga ilay hoe:"Ny olona izay antenaina ny ankamaroany d sarotahotra sy mitavozavoza"
Momba ny hoe telo andro ve d ampy ny valiny d TSIA raha toa ka hoe telo andro no hitadiavana ny vahaolana rehetra hirosohana @ repoblika faha efatra fa kosa ampy hirosohana @ dingana manaraka.

12. xxx ( 10/03/2009 10:01)
ari.malala:

Fa inona aloha no tena antony hi cité na an'ilay hoe katolika e! sa hampiadiana iany koa ny kristianina amizao?


Ari.malala : raha tsy diso aho dia @ anaran'ny katolika ny nandehanan'i Mgr Odon teo fa tsy @ anaran'ny tenany manokana . Izy no ekenareo hisolo tena anareo

Aza mora maka déduction ohatr'zany hoe ampiadiana ny kristiana , susceptible be ianao izany an :-)

13. TIMTIKO ( 10/03/2009 10:18)
NA KATOLIKA NA PROTESTANTA NA INON?A NA INONA REHEFA TSY TIM NA NEUTRE DIA MPANGALATRA VONOINA DAHOLO NO MAHATSARA AZY AVY NY MERSENARA HAFA ARY IREO NO TEN MPAMONOAO VA EZA TETETRA NAREO
14. Oay ( 10/03/2009 10:26)
TIMTIKO:

NA KATOLIKA NA PROTESTANTA NA INON?A NA INONA REHEFA TSY TIM NA NEUTRE DIA MPANGALATRA VONOINA DAHOLO NO MAHATSARA AZY AVY NY MERSENARA HAFA ARY IREO NO TEN MPAMONOAO VA EZA TETETRA NAREO



TIMTIKO raha tsy mahadiso ohatrany mangalatahaka an'i TEGEVE enao izany an! Tandremo fa ratsy be ny mangalatahaka satria raha tratra d aotra ny naoty an!
15. fijo ( 10/03/2009 22:15)
havao ny resaka,tsy ny katolika no milalao ny firenena fa i odon.maro ny katolik atsy miombon kevitra aminy amin'izao ataony izao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2159