Efa lasa 24 heures vé ? Ny andrina no tsy naniry volo.....

1. penguin ( 10/03/2009 05:50)
Ka ahoana efa niala 24 heures sa ampitomboina 72 heures indray ry TGVendrana a ? Efa niady ary raikitra ny Miaramila sa mahay mifanakalo hevitra izy samy izy ? Aminay dia mazava fa ny hamotika an'i Madagasikara no tanjona ary viraviraina @ resaka lainga ny vahoaka dia manantena tsy misy ary amporisihana hanaonao foana. Dia inona izao no tombontsoa namonoana ilay Polisy sa nianjera ny fitondrana ary tena lasa Filoha ny TGVendrana ?
novalian'i fijo ny 10/03/2009 22:12
2. yuka ( 10/03/2009 06:00)
tsisy lazaina alou za zao,fa mandinika fotsiny :D
3. xxx ( 10/03/2009 06:10)
ka ilay nanome baiko anie ka tsy misy manaraka e
nanendry tena ho CEMGAM ingahy rainy fa mba te ho eo amin 'izay toerana izay :-D :-D :-D
ny ao amin'ny capsat izay mikomy ihany no azony bekoana
ireo miaramilan'ny capsat izay nanome alalana handrobana ny jumbo tanjombato ka reefa tonga ny zandary vao mody taitaitra sy nanapakevitra ny hihetsika amizay satria ono zareo an'ny vahoaka ary miara ny fananam-bahoaka :^) :x :x :x
jereo ange ny sary navoakan'ny matv e fa d itanao mihitsy ry zalahy mampitatitra ny olona ary koa mameno ny paosiny satria hoe izahay v tsy mba hahazo ary tao aza nisy nanafina kiraro,tennis sns anaty akanjo.
Izany no capsat miaro ny vahoaka sy ny fananany ary ny tompon'ny jumbo sy ny mpiasa ao mantsy tsy vahoaka !
4. tsinjo ( 10/03/2009 06:19)
ny ahy no tena nalasa ny saiko de le tenin'i Alan Ramaroson oe ataovy ny sakana fa io ihany no miaro sns eee , nefa ny TVplus nilaza alina fa tam FrancePub nisy nandroba dia niantso ny EMMO-NAT nefa tsy afa-nanohatra ireto farany noho ny sakana izay nisy . Ka ny antony anaovana ny sakana anie zany mazava be fa mba anaovan'ireo mpanao sakana ny asa ratsiny e( fandrobana sns ) ze mbola tsy tonga saina amizao de asa maninn lotra 8O 8O
5. rabaradaka ( 10/03/2009 06:44)
Alain Ramaroson mihitsy no miseho milay
6. ravatorano ( 10/03/2009 06:49)
ka ilay sakana teny tanjombato iny anie ka teo akikin'ny france pub e
anjaranareo sisa mieritreritra izay zava niseho fa ny tena dia eny amin'iny faritra iny no mipetraka ary sia nahita sy nahatsapa ny zava niseho teny
eny aminay dia nolavinay mihitsy ny fisian'ny barazy na dia miara monina aminay eny aza Ingahy alain Ramoroson.Izahay teny andoharanofotsy dia nanala barazy izay nisy teo amin'ny arrët betax sy taxi teo satria ny ankamaroan'ny olona nilaza fa andrimaso-pokonolona teo dia voamarinay fa tsy mponina eny akoriny ka niangaviana zareo hiala teo.Tsisy fifandonana nefa tamin izany fa dia nilamina niala moramora izy ireo.
Atao inona marina moa barazy eny andalambe :?:
Lazaiko anareo fa teny aminay dia nandray andraikitra ny commune ,gendarme ,quartiers mobiles nisambotra ireo olona nandroba teny aminay satria rehefa tsy tafa tany ho any ry zareo dia nisy mpivarotra motos izay teo malaza andoharanofotsy nobanahan dry zalahy ary dia tsy henatra tsy tahotra akoriny no nitondran dry lerony ny moto tao saingy nosamborina ry zareo ary dia tratra avokoa ireo moto maro izay navoaka tao !
feno mpandroba azo zao ao amin'ny tobin'ny zandary ao ary hatreny antokotany mihitsy ka nanampy betsaka andry zareo ny fokonolona mandala ny ara dalana ary ny kartie mobily moa no nanao ezzaka niandry ny mpandroba izay tetsy antokotany satria tsy omby ny cellule
gravy an!
fa izay e averiko indray : atao inona ilay barazy :?: :?: :?:
7. tsinjo ( 10/03/2009 07:00)
ilay barazy ? amizay afaka mandroba ireo tsy mitovy hevitra aminy ny mpampiorohoro , mampalahelo kle , ho lasa fanjakan'ny baroa ty kle 8O 8O
8. bozyboleta ( 10/03/2009 07:47)
Dia mbola hisy tsy hahay ihany ve izao hoe iza no mpaniraka ny mpandroba???
Efa mitono-tena otran'ny lolofotsy ry alain ramaroson ho aleo asiana barazy mba ahafahan'ny tropy-ny manao zay danin'ny kibony.

Dia izany olona izany ve no tsy hosamborina??? 8O 8O
9. Mandefitra ( 10/03/2009 07:53)
ka misy mpiaro ange izy ry bozyboleta, sady firenena matanjaka mitsy ka akory atao. Isika gasy madinika kely ty moa de mba ho aiza ...
Sady isika rahateo efa nanaiky natao fitaovana tsinn ko ...
"Atao couchez de mandry, atao allez de lasa
antsoina hoe ici, dia indry misasasasa ..."
10. bozyboleta ( 10/03/2009 08:28)
Tsy hoe isika no nanaiky natao fitaovana. LAVIKO!
Fa misy ireo tia kely tsy maharitra ny mena miraviravy ka tsy mahalala ny hasin'ny tanindrazana fa manaiky rebirebena amin'ny kitoza kely fa tsy maharitra ny omby be.
Ekena fa manambola ireo firenena matanjaka ary na dia ny vola aza no mibaiko ny fandehan'ny zavatra rehetra, misy zavatra tsy ho vitan'ny vola na oviana na oviana.
Ho avy ny fanehoan-kevitry ny maro an'isa fa samia miandry.
11. andrywui ( 10/03/2009 08:38)
Penguin keliko !! salama ve ?? !!! ha ha ha !!!!! Tsotra kely ny fehiny ry akama isany ho vita tsy ho ela ny lalao !! aorony ny godasy de ndeha misotro rano kely !! fa zahay mbola omena coupe !! ze mahavita azy ihany na ONU na innnn !!! mety ny avonavombavan-ravalo nareo ihany no hitsipahan'ny olona azy !! manomana ny fiarahabana tratry ny fahoriana sy ny fanomezana ro patsa ho anareo ato aho ry lerony aa!! mba miangavy fotsiny aminilay andro iray toa zato mba ho hita mivory ato aby laisany reo ho vangiako sy homeko ro-patsa kely !!! hoavy tsy ho ela ny fahoriananreo ato ! ary ho ataoko mafimafy ny anjombona hampanenoko ato afaka kelikely eo !! fa izao ho ataoko mahamay ry lle babakkoto ireto anio fa andaso kely varaventy moa !! ha ha ha ha !!! misy bandy niteny ratsy be ahy ao ambany ao !!asa na hitan 'ny tompo'andrakjitra na xtsia fa mbola ao ihany htramzao !! eny ee ! tsy TGV lery fa Tim !! fa na izany na ts zany de manala tena ato ihany reo aref kelikely eo fa menatsa be !!!! ha ha ha aha aha
12. TEGEVE ( 10/03/2009 08:50)
anakamamoafady andrywui miakatra be ny hafananao izany fa toa lasa mirediredy be,aza mandefa copie -coller fotsiny fa iny tsy tsy tian'ny tompon'andrikitra ,fa lazao azy ny olona nanompa anao dia ho sakanany fa tsy eto ianao no mitaraina (l) (l)
13. Andribe ( 10/03/2009 09:09)
o ra andrywi aa tsy aleo ve dakana i ra8 sy tgv de ela no atao eo ee :-D :-D :-D :-D :-D :-D
14. vahiny2004 ( 10/03/2009 09:23)
penguin:

Ka ahoana efa niala 24 heures sa ampitomboina 72 heures indray ry TGVendrana a ? Efa niady ary raikitra ny Miaramila sa mahay mifanakalo hevitra izy samy izy ? Aminay dia mazava fa ny hamotika an'i Madagasikara no tanjona ary viraviraina @ resaka lainga ny vahoaka dia manantena tsy misy ary amporisihana hanaonao foana. Dia inona izao no tombontsoa namonoana ilay Polisy sa nianjera ny fitondrana ary tena lasa Filoha ny TGVendrana ?


Izaho niaro ny légalité foana h@ izao, fa ny zava-mitranga ankehitriny dia milaza amiko fa tsy Ra8 ary tsy TVG no mandidy ny firenentsika , fa ny any ivelany. Aleoko mangina manomboka izao fa tsy misy antony akory hitenenana satria tsy masimandidy @ taniny ny malagasy

Lasa fitaovana dia ampiadiana fotsiny isika, indrisy ! Marobe no tsy mahatakatra an'izany ka mino ity révolution sy miankina @ légalité, saingy tsy misy efficace ireo, efa hafa no nofinidian'ny matanjaka ho antsika

Mino 100% aho fa tena saribakoli TGV , ny mampalahelo dia noho ny @ vola dia nanaiky ny hampirafy ny malagasy mpiray tanindrazana aminy izy

indrisy !!
15. penguin ( 10/03/2009 10:11)
Ny solon'anaranao aza vahiny mazava ho azy fa tsy mahagaga raha samy "sous-condition" izay atao rehetra. Iza no tsy mandeha ivelany mandranto fahalalana ary misy mpampiasa vola matanjaka vé ny Malagasy mihoatra ny avy ivelany ? Ireo efa eto an-toerana koa iza no tsy mitady fiaraha-miasa avy ivelany mba hivoarana ? Koa inona no mahagaga amin'izany ?
Na izany na tsy izany efa niala 24 heures vé Ra8 araka ny hafatra teto omaly mba valio haingana ?
16. Oay ( 10/03/2009 10:39)
bozyboleta:

Tsy hoe isika no nanaiky natao fitaovana. LAVIKO!
Fa misy ireo tia kely tsy maharitra ny mena miraviravy ka tsy mahalala ny hasin'ny tanindrazana fa manaiky rebirebena amin'ny kitoza kely fa tsy maharitra ny omby be.
Ekena fa manambola ireo firenena matanjaka ary na dia ny vola aza no mibaiko ny fandehan'ny zavatra rehetra, misy zavatra tsy ho vitan'ny vola na oviana na oviana.
Ho avy ny fanehoan-kevitry ny maro an'isa fa samia miandry.


Marina mihintsy ny an'i Bozy fa ny fitiavan-kely no nanesika ny sasany hanafatra olona fotsifotsy be mpikarama an'ady mba hamoritra ireo miseho mafy loha, satria raha vao mahita olona fotsifotsy be ny Malagasy d manao hoe oui m'sié hihihi... Mandrora mitsilany é!

17. vahiny2004 ( 10/03/2009 10:41)
penguin:

Ny solon'anaranao aza vahiny mazava ho azy fa tsy mahagaga raha samy "sous-condition" izay atao rehetra. Iza no tsy mandeha ivelany mandranto fahalalana ary misy mpampiasa vola matanjaka vé ny Malagasy mihoatra ny avy ivelany ? Ireo efa eto an-toerana koa iza no tsy mitady fiaraha-miasa avy ivelany mba hivoarana ? Koa inona no mahagaga amin'izany ?
Na izany na tsy izany efa niala 24 heures vé Ra8 araka ny hafatra teto omaly mba valio haingana ?


Les petits pingouins les petits pingouins ... :-)
Fa angaha ilay solon'anarako no anaovana discussion eto ?

Efa "aigri" ianao izany an ? Ianao angaha nihevitra fa pro TGV aho ?

Ntsôô , efa jamban'ny hatezerana koa ianao dia tsy mandinika tsara . Mba noheveriko fa olona mieritreritra ianao kay FANATIQUE toy ny rehetra ihany, tsy afaka handinika @ fotoana iray fa JAMBA

Makà aloha souffle tsara , misotroa rano mangatsiaka , dia mba araho daholo izy olona miresaka eto raha tena solon'anarana no itondranao ny raharaha

Mitohy miady amam-bato daholo izay miady eto , na Pro TGV na pro Ra8, efa novitain'ny lehibe ny fizaràna ... firenena tsy manan-tsafidy isika , ka dia anjaranareo raha mbola te hifanapotika fa ny hafa efa milalao ny malagasy fotsiny , mijery spectacle sisa izy miandry ny fotoana hihinanany
18. penguin ( 10/03/2009 12:58)
Aleo hifampinjinja eto satria samy donto izany. hahaha
19. fijo ( 10/03/2009 22:12)
mampalahelo ,rah any mpanoa politika no mamporisika ny olona handroba sy hifampihantsy.mino ve ry zareo ,fa aoriak akely ao,tsy hivadika aminy izao???
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 2.506