VONJEO NY ZANAKANABAVINAREO

1. tanymasina ( 09/03/2009 19:21)
Ilay Reny malala nivadika ho renikely.
Niteraka zaza mandoza mihotakotaka miady lova.
Koa dia nihotakotaka noho izany ny fianankaviana.
Ramalagasy – Very ny fahombiazan’ny finoany fa tsy nahalamina na inona na inona. Asa manantena inona?
Tandindomin-doza Ngeza Lahy ny fihavanana mampalaza an-dRamalagasy.
Natakalony, fifankahalàna, fifandatsahan-dra, fifamonoana, fandrobana sy fandoran-trano ny fihavanana sy ny fifandeferana nananany izany nandrafitra ny fahendreny fahizay.
Noho izany
Ny halahelo tsy ambara Havana hono zakan’ny tompony eny ihany.
Koa dia miantso an-tanan-droa anareo members permanents ao amin’ny conseils de sécurité des Nations Unies izahay ankohonan-dRamalagasy sisa tsy very saina fa hatenda ny ranom-basy. Mieritreritra aza izahay izao eto am-panoratana fa misy voay ao anaty ranon’apango ao.
Ianareo mantsy no tompon’ny anarandray eto ambonin’ny tany, izay hany fahefana afaka mibaiko filoham-pirenena sy tafika manerana izao tontolo izao, rehefa misy olana tsy voavahan’ny tompony na itsabahan’ny avy any ivelany.
Indreo ianareo ry Dadatoa Amerika, ry Nenitoa Chine, ry Valy Rosia, ry fati-dra Anglisy, mba jereo akaiky io renikelinay io dia mba bedeso fa ratsy fanahy.
Dia manantena anareo tompon’anarandray eran-Tany ary izao izahay, ankohonan-dRamalagasy fa tena latsaka an-katerena.
Sonia
Ramalagasy mianankavy.

ODON:
Aoka ny fisamborana sy fitifirana.
Nefa tsy nandrara ny:
fandrobana,
fifamonoana,
fifankahalana,
doro trano.
Niala ary ny miaramila dia niarahaba tena ary ve izao Mgr Odon fa manomboka indray ny fandrobana dy dorotrano ary fifamonoana satria ireo tsy mba noraràny.
novalian'i ifiona ny 09/03/2009 19:26
2. ifiona ( 09/03/2009 19:26)
indrisy eeee
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2048