MPAMINANY ODON no MIBAIKO JERIATRIKA
1. tanymasina
(
08/03/2009 14:53)
Tsy voahaja hono ny fepetra notakiany hiverenana hanelanelana !!!
Fepetra inona ?
I. Fahafahana miteny sy maneho hevitra ?
Ny misy :
- Lainga, TSAHO, fitaka hanodinam-bahoaka.
- Fitenenan-dratsy olona, fanompàna ny mpitandro filaminana sy ny fitondràna.
II. Falalahana manao fihetsiketsehana ?
Ny misy :
- FIHANTSIANA, fandrobàna, fandravam-pananana, fanakorontanana, tetika hamotehana ny toe-karena, (orinasa, varotra, asa tsy miankina sy asam-panjakàna).
Ireo izany no tokony ho hajaina ?
Ho arovana ny mpanao azy ?
Fanontaniana : Raha sanatria misy mahatezitra ny vahoaka mpino, ka hofantsihany ny varavaram-piangonana, hopotehiny ny fitaovana fanaovana lamesa, ompainy sy teneniny ratsy ny Raiamandreny Mpitondra Fiangonana, sns…Inona no hataon’ Ingahy lehibe io ?

novalian'i zandikely ny 08/03/2009 18:38
2. TEGEVE
(
08/03/2009 15:06)
anaka tanymasina tara be ianao efa tsy hanaraka ny fahefan'ny fitondrana ny miaramila ,tonga @ tsy azo hiverenana intsony ny zava-misy nohon'ny hambim-ponay sy ny fitiavantenanay (l) (l)
5. ravol
(
08/03/2009 18:24)
Tandremo ty vava e! Misy lamina sy lalàna mifehy azy ny mpitondra fiangonana Katolika eo @ lafiny rehetra, tsy afaka manapa-kevitra samy irery izy, ary ataovy miletra tsara ao an-tsaina fa efa ho taonjato maro no nisian'ny finoana katolika fa tsy mitovy @ Madagasikara 50 taona nahazo fahaleovan-tena ka tsy manana ny sata mifehy azy matotra hany ka manitsakitsaka daholo izay te hanitsaka.
Aza miteniteny foana na entin'ny fo be loatra fa ampiasao ny saina, matoa izy miteny dia tenin'ny finoana katolika no entiny ary zavatra misy fa tsy hoe rehefa tsy mifanaraka @ ny eritreritrareo sy ny fijerinareo na milaza ny marina dia avadika hafa ny resaka.
Tandremo tsara ranamana! any @ zavatra hafa milangalanga fa tsy ny finoana katolika no tevatevain-drangahy.

6. zandikely
(
08/03/2009 18:38)
Ravol:
Marina mihitsy izany!
Ny katolika tompoka dia kristianina matotra fantany tsara ny zavatra mety sy tsy mety. Tsy misy zavatra tsy nety nataon'ny mpitondra fivavahana katolika ange fa milaza ny zavatra tsy mety fotsiny e.
Angaha moa rehefa tsy manaraka amin'ny eritreritrareo dia tsy mety e.
Ny eglizy ange tsy natao hamaha io olona io fa noho ny Fitiavantandrazana no samy hiezahana mitady vaha olana amin'izy io.
Raha samy nihaino ny tenin'ireo mpandamina ny andaniny sy ny ankilany dia efa voavaha ela izao olana izao. Ka raha resaka fitadiavam-poninahitra sy seza no mahamay ny mpanao politika toa very maina foana ny ezaka fandaminana atao rehetra.
NY TIAKO LAZAINA DIA SOKAFY NY MASO E, TSY NY KATOLIKA ( EN TANT QU'INSTITUTION ) MIHITSY NY OLAN'NY MADAGASCAR, SAO DIA ANY AMBADIKA ANY ANGAMBA