ANDRY RECTO SYLLA VERSO

1. tanymasina ( 04/03/2009 15:00)
Sylla no avoaboaka eny fa hoe mahavaha ny krizy politika ankehitriny. Iza moa i Sylla ?
Avy any Ste Marie izy. Isan’irony mbola miraiki-po amin’i Frantsa, mametraka an’i Ste Marie ho tany frantsay satria hoe efa namidin’i Bety tamin’i La Bigorne izy io.
Loholona Katolika akaikin’i Vatikanina izy mivady.
Zanaky ny Repoblika voalohany izy,
Ministry ny raharaham-bahiny tamin’ny andron’ny Pr Zafy,
mpikambana tao amin’ny UNDD notarihin’ny Pr Zafy.
Mbola tao anatin’ny Komity Manohana an’i Zafy izy tamin’ny fifidianana Prezidàn’ny Repoblika tamin’ny 2001.
Rehefa nisy ny olana momba ny hala-bato nataon-dRatsiraka tamin’ny 2001-2002 dia tafatsoropaka tao amin’ny hetsika niarovana ny safidim-bahoaka izy.
Iaraha-mahalala fa La Frantsa renimalala no nanasaro-javatra tamin’ireny : mbola te-hitazona ireo olony taranaky ny Padesm.
Natao Praiministry ny fitondràn-dRavalomanana i Sylla fa hoe afaka handamina ny fifandraisantsika amin’i Frantsa.
Rehefa nalefa tany Frantsa momba izany izy tamin’ny jolay 2002 (efa ara-dalàna sady notoavim-bahoaka Ravalo) dia ireo mpandraharaha manimanina ny fanjanahantany ao amin’ilay hoe Françafrique no nifanatonany nifampidinihana. Tsy nisy tatitra mazava moa izany fa iny izy lasa Praiministra raikitra iny.
Tsy namaha ny olana nateraky ny 2002 i Sylla fa ny nanao tandapan-dRavalo hanilika ireo niady ho amin’ny demôkrasia hatramin’ny 1991 no nataony.
Mba hisian’ny filaminana maharitra sy miorim-paka dia nanoso-kevitra momba ny Loi d’amnistie Ravalo tany Diégo. Nefa tsy notanterahin’i Sylla izany (ny Governemanta no manana fahefàna hanao tolo-dalàna any amin’ny Parlemanta fa tsy ny Filohan’ny Repoblika) satria ny nikotrika ny disadisa hiteraka korontana aty aoriana no tena tetikadiny.
Talohakelin’ny fifidianana solombavambahoaka tamin’ny 2003 dia tsy nanafina ny firaisany amin’ny frantsay i Sylla rehefa nandray ny Lehiben’ny Tafika frantsay aty amin’ny Ranomasina Indianina tany Ste Marie izy sy Rtoa de Boivineau Masoivoho frantsay. Nampahatsiahy ny fifankatiavan’i Bety sy La Bigorne rizareo tamin’izay.
Tsy miafina na amin’iza na amin’iza fa ao ambadik’izao raharaha izao indray ny frantsay. Raha mbola tsy nilaza hanohana an’i Andry Rajoelina akory i Roland Ratsiraka dia efa nampirisika an-dRavalo hifampiraharaha amin’i Andry sy Roland i Joyandet. Koa tsy izy ve izany no mampifandray azy roalahy ireo ? Talohan’izany, nilaza ny frantsay fa tsy mametraka olana amin’ny nanaovan-dRatsiraka fanambaràna politika, izay tsy tokony ho nataony noho izy mpialokaloka politika an-tanin’olona.
Isan’ny tahotra sy horohoron’ny frantsay koa ity Fivorian’ny Firaisambe Afrikanina ity, izay mampialona mafy an-dRatsiraka koa satria mba efa notadiaviny hatry ny ela nefa tsy azony mihitsy. Inoana fa nampisafoaka azy mihitsy ny fampanantenana nataon’ny Lehiben’ny Tafika amerikanina aty Afrika hanohana ny Malagasy hiantoka ny fandriampahalemana amin’io Fivoriambe io.
Ny ahiahiny dia hoe ho lasa mpanohana amerikanina ny Firaisambe Afrikanina aorian’io fivoriana io.
Mampanontany tena : vaha-olana inona moa no ho entin’i Sylla amin’izao raharaha izao ? Ny isarihana ny sain’ny rehetra dia izao : vatom-panoron’ny frantsay daholo ry Ratsiraka, Zafy, Sylla. Soavaly vao noheveriny hotaingenana hiverenana eo amin’ny fitondràna i Andry Rajoelina.
Ratsiraka mihitsy no noheveriny haverina saingy toa tsy lasa.
Dia io, asosoka i Sylla izay tsy fantatr’olona loatra ny momba azy.
novalian'i tafita ny 04/03/2009 20:41
2. kasimodo ( 04/03/2009 15:13)
Za kosa aloha tsy tia n'iny Sylla iny eeh. Iny angeh zanak'i Albert Sylla eh!!! Ny za ihany no tena tiako ko
3. TEGEVE ( 04/03/2009 15:23)
anaka tanymasina fantatro ny hetahatanao ny hahazo seza ka irinao loza daholo ve ny olona ,tsia anaka diso ianao ,vao nanomboka ny fitondran-dr8 dia ny delegasionina malagasy notarihin'ny sylla no nahazahoantsika ny 5milliard de$ mandeha par écheances anaka, ny nosy sainte marie dia tany malagasy ry anaka (l) (l)
4. xxx ( 04/03/2009 15:45)

Ra-hery a misy manao copie-coller kambo io oooo

:evil: :evil: :evil: :evil: :evil: :evil: :evil: :-@ :-@ :-@ :-@ :-@ :-@ :-@ :-@
5. tafita ( 04/03/2009 20:41)
Maro angé ny Malagasy tena manan-tsaina , na tsy manampahaizana loatra aza .. Ny an'i tafita dia tiny daholo na iza na iza eo fa tsy aongana indray ve refe tsy mety ny ataony e
Mbola misy sahy hihira e aloha le hira nalaza be t@ tolona fahiny hoe
NY HATANORANA SY FAHAIZANA
DIA TOKINAY RE RA 8 MANANA
RY MALAGASY AZA MATAHOTRA
FA HO AZONAO ILAY TANY VAOVAO

Misy diso angamba le nanoratako azy teo T.. vaovao no izy f tsy tany vaovao.... Loza tokoa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2234