Dia ahoana indray n manaraka ??? Inona no hotohin'ny tantara

1. tsikivy01 ( 01/03/2009 10:21)
Dia izany no fanontaniana mameno ny saina izao ? Inona no hiseho ? Hitohy ve ny dinika satria tsy nilaza mazava TGV omaly ? Ny fantatra dia hoe hitohy ny grevy. Ka tsy voahaja ny teny nifanomezana hoe etsahatra ny grevy ? Inona no ho vokatr'izany ? Eto isika samy hira-mahita ny tohiny. Fa tsy ekena kosa ny fandrobana sy ny fangalarana tsotra izao ny fananan'olona io. Hampiasa hery ny fanjakana dia lasa dikt tanteraka, tsy hampiasa izy misy manararaopaty. Tokony hifampifehy ny mpigrevy ary ho mailo koa.
novalian'i xxx ny 01/03/2009 23:42
2. Andribe ( 01/03/2009 10:27)
mangina oazy eo i tgv ee. I ra8 ndray hanodina vola misimisy hananganany ny fananany potika. Mihomana fa hitombo ihany ny mahantra tsssk :^)
3. Noue ( 01/03/2009 10:29)
ity no nolazainy eee

Andry Rajoelina lance un appel général illimité à partir de Lundi. Occupation tous les jours de la place du 13 mai à partir de Lundi

:^) :^) :evil: :evil: :evil: :evil: :evil: koa raha tsy izy no mamelona ny olona ka oe hanao greve isan'andro ity eee ??? tssss :evil: :evil: :evil:
4. Andribe ( 01/03/2009 10:38)
voky demagozia ze makeny ry noue aaa mahavoky ange hono ireny eee =)) =)) =)) =)) =)) =)) =))
5. tsikivy01 ( 01/03/2009 11:03)
Calme nareo fa tsy mbola mis tonga zany akory ! Zà aloha de hiasa aho fa maty be le client raha tsy miasa eo kosa ! :P :P :P
6. Noue ( 01/03/2009 11:31)
ny mpiasa aloha tsy ho azony @ zany eee ! ny mpandromba no manohana azy tsss :^) :^) :^) :^)
7. ralalaina ( 01/03/2009 14:21)
izahay indrayt izao de hajanona tsy hiasa intsony fa ho eny @ 13 mai ùmanomboka rahampitso mandram_piala an dra8,fitiavan-tanindrazana no aleha eny
8. xxx ( 01/03/2009 14:44)
ié d mitondra fatapera sy vilany ary vilia sy sotro fa hizara vary ho anareo eo i TGVôtany!!
9. ralalaina ( 01/03/2009 14:51)
tsy mila mitondra any zany zahay fa mihaino kabary de voky ry kanosa xxx
10. Annie2006 ( 01/03/2009 15:28)
Ny vola tokony nomena ny mpiasam-panjakana dia nalain-dravalo ka nividianany avion ho hendrikendrika ho azy.

Rariny raha atao ny grève générale satria tsy handinika ny tombotsoam-bahoaka ingahy Ravalomanana fa hitsinjo ny reharehany fotsiny.

Hatao ny grève générale, atsahatra ny fandoavana ny hetra rehetra, atsahatra ny fampianarana, atsahatra ny asa...SATRIA raha:
- Miasa ny gasy, dia RAVALO NO MANDRIPAKA ny vokatry ny asany
- Mianatra ny mpianatra, dia RAVALO no miompy ny ankizy @ malgachisation
- Miasa ny douane, dia RAVALO no mandrapaka ny vola miditra

ESORINA aloha ilay biby MPANGALATRA SAKAFO (RAVALO Mpandroba ny tombotsoam-baoaka io) izay vao afaka mahazo ny tombotsoany ny vahoak malagasy.

Miasà, miasà tsara, miasà ihany hoy Ravalo: Izany hoe ny vahoaka no tadiaviny miasa HAMELONA AZY. KANEFA IZY dia tsy miasa, tsy miasa tsara ary tsy miasa mafy, FA VARIANA MANDRAPAKA izay vokatr'ireo asan'ny vahoaka fotsiny.

Fehiny: RARINY RAHA ATAO NY GREVE GENERALE mba hitsaharan'izao halabotry ataondravalo izao.
11. xxx ( 01/03/2009 23:42)
mba alefaso lavitra aloha ny fisainana raha @ resaka politika gasy, d mino ve enao fa raha azon'ireo mpanao GREVE GENERALE ireo ny toerana d tsy hanao halabotry koa ry zareo, mazava be ny zavatra ataony haka seza mba hanaovana halabotry, atao hanasana ny ati-dohany olona ny zavatra tsy mety hataony mpitondra ary tsy izay no higrevena fa ny fanonganana ny fitondrana mba hidirana koa hangalatra satria teo daholo zay tsara fanoherana sy nahatarika olona no naka,fa enao lé nanandratra azy sy ny tolona ho azy ary nihorakoraka ho azy d mahantra foana eny! MBA MANDINIHA ALOHA é!!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0085