ANKAMATATRA

1. mathla ( 19/02/2009 17:19)
Samy nanaraka ny fivoaran'ny toe-draharaha isika. Hita fa manomboka tafiditra any amin'ny tokony ho "biraony" ireo ministra lazaina fa hitondra ny teteza-mita.
Inona ary ny zavatra tokony hataon'izy ireo voalohany ao amin'io biraony io araka ny hevitrao?
novalian'i molota ny 20/02/2009 15:25
2. kidoropamba ( 19/02/2009 17:21)
MANAMBOTRA ANDRAVALO SY NY VADI AMANJANANY ARY IREO TANDROKA MARO BE MANOHANA AZY IREO.

IZAY ALOHA.

3. Optik ( 19/02/2009 17:24)
He he he, Hitako fa tô mibitaka ery ry Kidoro sy ny tariny anio hariva zany!!!

Velom-panatenana ve?

Aleo aloh hihomehy kely aho: =)) =)) =)) =)) =)) =))

Manontany tena aho hoe fa ny inona ary no mieritreritra ny an'dry zalah reo?


4. mathla ( 19/02/2009 17:26)
Diso ny valin-tenin'i pamba. Tsy izany no tokony hatao voalohany. Diniho tsara....
5. Noue ( 19/02/2009 17:32)
ny fidirana tao @ ministera tsy midika inona na inona ee !! tsisy valeur juridique zany eee !!!
6. mathla ( 19/02/2009 17:35)
Ka tsy any ny resaka ry noue a. Andao ekena we tafiditra ry zareo. Dia inona no marika tokony ataony fa azy marina ny fahefana? izay no fanontaniana zao. Tsika tsy miditra we juridika na tsia. Satria araka ny hevitro raha tsy mahavita an'io hetsika iray io ry zareo dia amin'izay iska vao hilaza fa tsy misy dikany tokoa ny fidirany any.
7. klitika ( 19/02/2009 17:59)
Izay polisy tsy miverina ao anatin'ny 24 ora hoy ny ministra TGV, dia voasazy. Izay no nolazainy voalohany

Fa inona ary ilay sazy?
8. mathla ( 19/02/2009 18:05)
Tsy mbola izay no mahamaika sady mbola saotra be zany. Zavatra tsotra kokoa noho izany no tokony atao voalohany.
9. kelly13 ( 19/02/2009 19:15)
afa-po
10. vale ( 19/02/2009 19:17)
kidoropamba:

MANAMBOTRA ANDRAVALO SY NY VADI AMANJANANY ARY IREO TANDROKA MARO BE MANOHANA AZY IREO.

IZAY ALOHA.


Inona ny hidiran'ny vady aman-janany amin'izany Rakidoro??? aza mirediredy moa eeeeuuuuhhhh


11. fijo ( 19/02/2009 19:40)
de miditra de mivoak ako inona indray moa e
12. mathla ( 19/02/2009 20:35)
Tsotra ny valiny e: raha tena marina fa teteza-mita ny fitondrana, ny zavatra tokny ataon'izy ireo voalohany dia ny manala ny sarin-dra8 izay mihantona ao amin'ny birao fiasan'izy ireo. Kanefa sarin'iza no apetraka ho solony eo? Efa vonona ve izay sary apetraka eo sa mbola vao karohana eny amin'ny 13 mai indray?
13. fijo ( 19/02/2009 20:55)
ka izany aloha hoataony e,fa ny fanontaniana di ahoe hotafapetraka ao ve izy ireo
14. mathla ( 19/02/2009 21:42)
Ka eo indrindra isika izao. Toa latsaka anaty fandrika ihany izy ireto. Nampidirina an-trano kanefa tsy fantatra hoe hanao inona ao? Fa ny famaliako azy dia hoe nampidirina izy ireo mba handravana ny vahoaka mitangorona avy eo dia esorina moramora amin'ny toerany ihany koa.
Ka amiko de tsotra sady mazava ny lalana izao. Samy tsy misy hipetraka eo na ny minisitra avy amin-dra8 na ny avy amin'ny TGV. Fa dia minisitra avy amin'io dinika ataon'ny FFKM miaraka amin'ny miaramila io no hipetraka eo.
Izany hoe ny directoire no hitondra sy hampandry tany aloha mba handinihana sy hitsarana marina an'izay atidoha nikotrika an'izao krizy izao. Raha mbola eo amin'ny fitondrana manko ny iray amin'ireo dia tsy ho tafavoaka tsara ny tena marina.
Samy miala eo na ekipan-dra8 na ny ekipa TGV dia alefa aloha ny fitsarana sy fanazavana an'iny hetsika farany iny vao miditra amin'izay fifidianana.
Telo volana no fetra tokony hanaovana ny fikarohana ary ao anatin'ny enim-bolana dia tokony hiroso amin'ny fifidianana.
Ataoko fa efa manana olona voaomana sy afaka mandray fahefana ry zareo "miaramila" (tafika sy zandary mikambana).
15. Andribe ( 19/02/2009 22:40)
MITADY ZE VOLA AZO AHODINA ALOHA FA IZA NO HO GISITRA EO AN :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
16. ndenn ( 19/02/2009 22:55)
Zavatra efa nitranga tany irlande ny toe-javatra toy izao .Ary tsy nahitana fahombiazana firy ! :(
17. xxx ( 20/02/2009 06:01)
Zavatra efa nitranga tany irlande ny toe-javatra toy izao .Ary tsy nahitana fahombiazana firy

aza maka ohatra lavitra be ry denn a, film efa nitranga t@ 2002 daholo ireo e,
18. molota ( 20/02/2009 15:25)
tsy mankaiza lé TGViste é tsipindiny olona fotsiny dia nialà tao @ ministéra hihihih :-D :twisted:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0075