Nirehitra tsara ny OTRIKAFO notsofona tany Frantsa vé ?

1. penguin ( 17/02/2009 06:48)
Hehehe dia nirehitra ihany ny otrikafo nokopakopahina tsy ho faty tany Frantsa. Na ny milaza Profesora aza niezaka nitsako mafy ka efa milaza ny handrombaka loka fa efa nisy maro ny may ny fananan'olona. Dia ho hita izany firenena handroso izany ary iriana satria izany koa no zahavin'ny be sy ny maro.
Tsy mila fanjakazakan'olo-tokana hoy ny TGV avy eo nilaza dadatokely fa mianga avy any aminy irery ny baiko fa tsy misy avy amin'ny Arema tranainy any Frantsa. Aiza izany é ????
novalian'i nyavo2000 ny 17/02/2009 11:20
2. rahiratra ( 17/02/2009 06:52)
Hafa ny tondroin'ny molotry ny TGV ary hafa ny alehan'ny tànany. Rehefa mandroba ny olona taritiny dia milaza izy fa olona voakarama fa rehefa voan'ny bala dia olona maherifo hanafaka ny tanidrazana hoy ny anao lahy.
3. xxx ( 17/02/2009 10:26)
VAVAK PREZIDA

"Marina daholo zany ramalagasy !... tsy mendrika hitsimpona izay sombitsombiny latsaka avy @ latabatro akory ianao...nefa raha hanao TIM ianao tsy mba holaviko mihitsy!!!"

"Izaho no lalana sy la farine ary menaka,tsy mahazo mikaly raha tsy amin'ny alalako irery ihany" (Marka 7,77)

"Tiava ny namanao ary gadrao zay manenjika anao" (1Tim 7,77)

"araraoty ny andro azo hanangonam-bola fa miharatsy zao fiainanaizao" (2Tim 1,77)

Ahoana no tsy hinoanao fa mivavaka aho ? misaotra an'Andriamanitra mandrakariva aho fa nomeny vahoaka bado sy dondrona ary koa fiangonana mora vidy izay maharo ahy mihoatra noho ny foloalindahy sy ny miaramilako.

Ny miaramila miaro ahy raha misy mitady hitifitra na
hamono ahy,ny fiangonana kosa mampianatra ny olona tsy hamono ahy fa hivavaka hoahy sy hankatoa ny fahefako lehibe.

Ho ahy irery ihany anie ny voninahitra sy ny fanjakana
ary fiadanana hoan'ny olona ankasitrahako!

de nandray ny dibera tiko izy de hoy izy:hano, ity ny dibera vitan'ny omby vavy be ronono nafarana avy any afrika atsimo zao no ataovy ho fahatsiarovana ahy raha mahavidy ianareo,,de toy izany koa ny ronono:raiso, ka sotroy, ity ny màna milk,zao no ataovy ho fahatsiarovana ahy refa lasa adala any @hopitaly ianareo ......

Raha misy olona roa na telo mivory tsy amin'ny anarako dia sambory izy!

---------***************---------------------
"Ny fanananao dia vokatry ny vintana fotsiny ihany, fa tsy nohon'ny fahaizanao akory"
4. nyavo2000 ( 17/02/2009 11:20)
le "xxx" efa tsisy koziana intsony, f'io foana no haveriny, efa t@ 1 volana lasa no hain'ny olona io lainga be io...tara be.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0641