FFKM afaka hitondra ny firenena ve?

1. soanja ( 13/02/2009 20:50)
Asa fa mba zavatra nandalo tao an-dohako tato hoe;

Efa somary leo an-Ra8 ny olona rehefa dinihina. Tsy manana olona mendrika hitondra eo anefa isika ka vonona handray an-tanana eo no ho eo raha ny fahitako azy. Ka maninona indray raha omena ny FFKM ny fitantanana ny firenena mandrapahita izay afitsoka? Zah anefa tsy mahalala izay fandehan'i FFKM fa mba hevitra iny hoe ny hevitry ny maro mahataka-davitra. Ry zareo toa betsaka ihany sady misandrahaka eran'ny Nosy ny fiahin'izy rehetra raha amin'ny samy fiangonana. Izay fiangonana mbola tsy ao ka te handray hanjara amin'ny fanatsarana ny firenena dia miditra ho mpikambana. Hanome ny ariariny.

Asa anefa satria toa mbola lavitra ilay masoandro raha ny zava-mitranga ao Mada no jerena.

Mitonia ry taniko fa ho avy ny anjaralovanao!
novalian'i sipagasy ny 14/02/2009 08:56
2. lemenakely ( 13/02/2009 21:00)
tsia avy hatrany ny valiny satria vao maika loza hitovy ny nanjo an i HAITI isika t@ nitondràn i REVEREND PERE BERTRAND ARISTIDE ,vao maika nilentika lalina t@ fahantràna
3. ravol ( 13/02/2009 21:06)
Tsy ny olona hitondra akory no olana izao fa ny fototry izao savorovoro tampoka izao, ka io aloha tadiavina dia ho mora ny hahita izay ho mpitondra antsika rehefa avy eo.
4. patrick2002 ( 13/02/2009 21:08)
Tsia ,koa hoy izaho ,fa afaka manohana olona izy na hanolotra olona ,
Ny eritreritro dia izay tohanany FFKM sy ny Foloalindahy no hitondra an'i madagasikara ,raha ohatra ireo mbola hiazoazo eo dia mbola haaritra ela ity krizy ity.
5. ravol ( 13/02/2009 21:17)
tsy maintsy manaraka ny figadon'ny zava--misy isika razoky a ! fa tsy afaka handingana, tsy hay izay mbola kotrikotrehan'ny andaniny sy ny ankilany any ho an'ny rahampitso. ao @dry zareo no tena fototra, ka aleo miadako reniny !
6. sitlo ( 13/02/2009 21:21)
Ny voafidim-bahoaka ihany ny ahy. Raha mandrotsaka candidat izy amin'ny fifidianana manaraka dia ho hita eo.
7. ndenn ( 13/02/2009 21:23)
Tsy azo atao ny mapifangaro ny fitondrana sy ny finoana !ny antony dia tsotra , 1 ensemble mbola feno ady anaty ny momba ny fivavahana .
8. Andribe ( 13/02/2009 21:44)
aleo ho entin ny daewoo toy izay entin ny FFKM :-D :-D :-D :-D :-D :-D
9. ndenn ( 13/02/2009 21:51)
Andribe:

aleo ho entin ny daewoo toy izay entin ny FFKM :-D :-D :-D :-D :-D :-D


Tsy azo ekena ny fivarotana ny tanindrazana !
10. Andribe ( 13/02/2009 22:11)
ndenn:

[quote=Andribe]
aleo ho entin ny daewoo toy izay entin ny FFKM :-D :-D :-D :-D :-D :-D


Tsy azo ekena ny fivarotana ny tanindrazana !

fa iza no miarotra :-D :-D :-D :-D
11. sipagasy ( 14/02/2009 08:56)
Amiko koa aloha dia tsy miaraka ny fivavahana sy ny fitondram-panjakana e!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1118