Rahoviana ?

1. Fanhaiky ( 13/02/2009 06:08)
Iza marina no tena tompon'ny fahamarinana eto amin'ity firenentsika ity ary iza koa no sahy hilaza fa tena hahavita azy.
Hatramin'ny nahatsiarovako saina ka hatramin'izao dia samy manana ny lazainy hatrany ireo zay mitondra eo indrindra moa @ ireny fotoana fampielezankevitra ireny indrisy anefa toa hadino sy tsy tadidy akory ireny toky ireny refa tonga eo @ toerana izay ilainy izy, Nankaiza ilay fihanihanana natao teo imason'ny vahoaka sy Andriamanitra sa ve ny fihanihanana natao ny hameno paosy sy hampitombo ny eo am-pelantanana
Voizina ny Fahantrana ny Fahamarinana sy izay mandratra ny fon'ny olona eh... nefa hatramin'izao iza no sahy hilaza fa nisy nahava ireo olana ireo.
Lay vahoaka no atao fitaovana ka indrisy anefa toa mizaka ny tseran'ny aina satria mila fiovana mila fandrosoana haingana, hitady asa nefa aza ny eto an-toerana manakatom-baravarana.
Matimaty foana amin'ny tsy misy antony sns eh... Ratsimandrava aza moa 34 taona aty aoriana tsy misy vokany hoe iza no namono. Mampalahelo eh
Tsarao ny ankehitriny ry namako ary diniho ny ho avy fa tena mbola kely ny finoako hatramin'izao ny hoe "Madagasikara handroso"
Za tsy miandany @ iza na @ iza fa ny tantara no aoka hitsaranao azy.
novalian'i Oay ny 13/02/2009 15:20
2. Oay ( 13/02/2009 08:39)
Marina ny anao rahalahy, i Oay ndray moa dia satria ny fianankaviany any ambanivohitra mpiasa tany sy mpiompy, ireo fianankaviana ireo d niharan'ny tsindry azo lena ataon'ity fitondrana ity, tsy fianankaviana mpanao politika ireo fa oul manao izay hivelomany kanefa d nanaovan'ity Ra8 ity ny tsy rariny ka izay no mahatonga anazy mivavaka fa raha mba sitrak'Andriamanitra dia aleo mba hiala ity Ra8 ity, mivavaka ihany koa izy mba izay hisolo azy eo mba tena ilay Malagasy mino sy manaiky ary mahatoky an'Andriamanitra, i Oay d mino fa ho avy izany satria ny Malagasy d efa notiavin'Andriamanitra alohan'ny nitiavan'ny Malagasy an'Andriamanitra, ny tena Malagasy d efa nino an'i Ilay Nahary alohan'ny nahatongavan'ny fivavahana Kristianina tao Madagasikara mino aho fa fantatr'i Fanhaiky izany [Fanahy (man)aiky].Mahareta fa ho avy ny tsara ary tazony ny fahamarinana ka aza mivilivily.
3. tsiafoi1 ( 13/02/2009 12:36)
Marina indrindra fa voasoratra hoe : "Voahozona izay mahatoky olona"... Tsy tokony hitoky @'olombelona isika, fa hitoky @'Andriamanitra Mpahary... Eo anatrehan'izany indrindra de tokony hatoky an'Andriamanitra isika fa ireny mpitondra isan'ambaratonga ireny dia voatendriny @'ny fotoany sy antony avy (Jereo ny Romana 13/1-2...

Tsy nisy natao hitoetra mandrakizay eo @'ny fitondrana izany. Fa na i Mosesy aza dia nodimbiasan'i Josoa indray, ary tsy tafiditra akory tany @'ny tany Kanana... Ho avy ny fotoana izay hialan'io Mpitondra ankehitriny io, araka izay voetendrin'ny làlana sy sitrak'Andriamanitra. Ny fahendrena ho antsika ankehitriny, dia ny miasa tsara, manara-dàlana mba ho modely ho an'ireo taranaka any afara....
4. Fanhaiky ( 13/02/2009 13:01)
tsiafoi1:

Ianao milaza izany fa ankehitriny anie ka mivadika ny tantara eh; eo amin'ny lafiny finoana ohatra de lasa mivaky roa FFKM no tiako ambara eto lasa tafiditra amin'ny sehatra Politika tanterka ary misy nyMpomba ny fitondrana ary misy koa ny Mpanohitra tena mahamenatra eh.
5. Oay ( 13/02/2009 15:20)
tsiafoi1:

Marina indrindra fa voasoratra hoe : "Voahozona izay mahatoky olona"... Tsy tokony hitoky @'olombelona isika, fa hitoky @'Andriamanitra Mpahary... Eo anatrehan'izany indrindra de tokony hatoky an'Andriamanitra isika fa ireny mpitondra isan'ambaratonga ireny dia voatendriny @'ny fotoany sy antony avy (Jereo ny Romana 13/1-2...

Tsy nisy natao hitoetra mandrakizay eo @'ny fitondrana izany. Fa na i Mosesy aza dia nodimbiasan'i Josoa indray, ary tsy tafiditra akory tany @'ny tany Kanana... Ho avy ny fotoana izay hialan'io Mpitondra ankehitriny io, araka izay voetendrin'ny làlana sy sitrak'Andriamanitra. Ny fahendrena ho antsika ankehitriny, dia ny miasa tsara, manara-dàlana mba ho modely ho an'ireo taranaka any afara....

Marina ny anao ry tsiafoi1 fa d za mahatoky ary mino fa ho avy izany é! ary ny tadiavina d olonkendry mino sy mahatoky an'Andriamanitra ka hanao toa an'ilay nataon'i Kristy, i Kristy mpampianatra kanefa d nanasan'ny tongotr'ireo mpianany.
Fanhaiky a, aza manahy rahalahy fa hotakiana @ ireo mpampizarazara ireo ny zavatra ataony indray anadro any ary isika olombelona no azo fitahana fa Andriamanitra tsy voafitaka izany ka na iza na iza manao zavatra ka natao t@ anarany d hotsaraina ny amin'izany izy raha tsara ny nataony d hahazo tsara izy fa raha ratsy d ratsy koa no hohazony, Mahareta rahalahy ary tazony ny marina fa ho avy ny andro ny mpanao ny marina sy manaja ny zanak'Andriamanitra satria isika rehetra izao d zanak'Andriamanitra ka refa mahita antsika mijaly izy d malahelo ary mihaino ny fahoriantsika ka ho avy hanavotra antsika.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0562