Ndao jerena akaiky ity fehezan-teny ity

1. soanja ( 11/02/2009 23:09)
Matio 4:1

1 Ary Jesosy dia nentin'ny Fanahy nankany an-efitra, mba halain'ny devoly fanahy.


Manohy ny resak'i Nyrina atsy ambadika aho momba an'io. Fanahy inona izany no nitondra an'i Jesoa tany an'efitra? Ny antony moa izany dia ny mba hakan'i Satana/devoly fanahy azy.

Ny tian'io resahina ve izany, azo lalaovina koa ny zanak'Andriamanitra? Raha Andriamanitra Izy dia vitany ve zakan'ny Fanahy mba hanaovana test?
Jerevo akaiky ny teny isanisany , sao tsy izay no tian'ny Mpanoratra resahina.

Amin'ny mahaolombelona dia misy ny fakam-panahy ary mandaitra mafy io na dia masina azy isika satria io ilay safidy ananantsika? Inona no tsara? inona no ratsy? aiza ny tanjona? Izay no tian'ny mpanoratra resahina. Asa na efa nahita Anjely isika hatramin'izay? Nahoana no tsy misy intsony io karazan'olona fanahy io? lanjalanjao tsara ny zava-drehetra.

Anareo indray?
novalian'i soanja ny 22/02/2009 19:20
2. ikaretsaka ( 11/02/2009 23:49)
Matio (dika @ teny latinina):
tunc Iesus ductus est in desertum ab Spiritu ut temptaretur a diabolo

nijery dikanteny maromaro ihany aho fa nahagaga fa nataon'izay nandika teny Kapitaly foanba le "Fanahy"
Amiko le izy matoa natao kapitaly dia ao raha...
3. soanja ( 12/02/2009 07:26)
Mbola misy tohiny koa ity

8 Ary ny devoly nitondra Azy indray nankany an-tendrombohitra avo dia avo ka naneho Azy ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao mbamin'ny voninahiny,


Eo aloha izany tena mahavariana be mihitsy. Vitan'ilay Devoly mihitsy ny nitondra ilay zanak'Andriamanitra sady nampiseho an'izao tontolo izao teo an-tendrombohitra teo anatrehany. Tendrombohitra aiza ary no ahitana ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao avy eo an-tampony?

Diniho tsara ny teny voasoratra. Diniho tsara mba hampisy ny fahamarinana satria misy tsy mi-colle aloha ao raha ny fijeriko azy.

Tsy azo raisina tsiraidray ny teny voaSORATRA fa ny hevitra entiny no zava-dehibe. Inona no tian'Andriamanitra ampitaina amintsika amin'io toko io. Iza moa i Jesoa manoloana izao tontolo izao? Inona moa izao tontolo izao?
Iza no isafidianantsika ny herin'ny nofo sy ny fahefana takiany sa Andriamanitra sy ny fitiavany tsy manam-petra
4. ikaretsaka ( 12/02/2009 14:33)
Amiko manokana io dia mitovy @ le lohahevitra nolazain I fody ao ambany ao momban'ny vavak'i Jesoa tao gestemane ihany...izany hoe na ilay nanoratra aza (matio) de tsary nandeha nanaraka Azy tany @ desera niaraka @ penina sy taratasy ka nahita izay zava nitranga tany marina, lovantsofina sy hearsay no nangoniny ka nosoratany... ka rehefa izay dia ny kipitsopitsony de mandeha @ exponentiel foana.

Na izany aza dia le hevi dehibe dia ekeko hoe nisintaka I jesoa de tempted. Efa nohazavain I notyboay koa ny momban'ny out of body exp.
Amiko io de resaka fanahy 2 michallenge fa tsy TDM loatra...
Raha noana ny kibo mivezy2 ny fanahy hoy ny gasy
5. soanja ( 12/02/2009 16:00)
ikaretsaka:

Amiko manokana io dia mitovy @ le lohahevitra nolazain I fody ao ambany ao momban'ny vavak'i Jesoa tao gestemane ihany...izany hoe na ilay nanoratra aza (matio) de tsary nandeha nanaraka Azy tany @ desera niaraka @ penina sy taratasy ka nahita izay zava nitranga tany marina, lovantsofina sy hearsay no nangoniny ka nosoratany... ka rehefa izay dia ny kipitsopitsony de mandeha @ exponentiel foana.

Na izany aza dia le hevi dehibe dia ekeko hoe nisintaka I jesoa de tempted. Efa nohazavain I notyboay koa ny momban'ny out of body exp.
Amiko io de resaka fanahy 2 michallenge fa tsy TDM loatra...
Raha noana ny kibo mivezy2 ny fanahy hoy ny gasy


Ika> Namaste! Misaotra indrindra nanoro ahy ilay resaka Getsemania.

Manaiky ny resaka voalaza ao tokoa aho. Ary io indrindra no anindrihako ny soratra voalaza ao anaty Bible. Tsy natao hotsimpotsimponina na saratsarahana na haka an-dalana kely hamelezana ny hafa sns.. sanatria ny baiboly fa ny teny fonosin'i baiboly amin'ny ankapobeny dia milaza ny Fahamarinan'Andriamanitra ary izany dia avy amin'ny alalan'ny FITIAVANA no fisehony ary ny fiainana ao amin'i Kristy no lovasoa nomeny antsika hitondra amin'ny fahamarinana sy ny fanavotana antsika hiditra amin'ny filaminana ao amin'Andriamanitra.

Nomena ny nofo isika ary ny nofo dia manana endrika/hery roa misarika: na tsara na ratsy. Ny ampovoan'io no balance izay Andriamanitra.

We God for granted (tsinotsinoavintsika ny fitiavan'Andriamanitra) raha tsy tazantsika ny faharendrehana misy fonosin'ny nofontsika, izay malemy tokoa. Ny fisian'io fahalemena io no ahafantarantsika fa misy ny fahamarinana ary maharitra ny fiasana sady mahasoa. Ny fakatsahana ny fahamarinana sy ny fahamasinana no Fitiavana lavorary azontsika ho fanafody miala amin'ny heri-ratsin'ny nofo.

6. soanja ( 12/02/2009 16:03)
Sorry > We take God for granted no tiako lazaina.
7. xxx ( 12/02/2009 17:48)
Mba diniho tsirairay anie ireo ol nentin'ny fanahy tao @ bbl e ohatra zao teo @ ilay tantaran'ilay tandapa de avy eo ilay apostoly tsy tadidiko ny anarany fa nentin'ny fanahy nakany jopa izy avieo fanahy masina io a! de jereo ny asan'ilay fanahy t@ izany
8. bichette ( 18/02/2009 15:07)
Mba liana aho hoe aiza i Soanja no miangona ... :^)
9. soanja ( 18/02/2009 16:10)
bichette:

Mba liana aho hoe aiza i Soanja no miangona ... :^)


Ato amin'ity fiangonana ity no tena falehako rehefa mila miangona aho.
http://www.lakewood.cc/AboutUs/NewToLakewood/Pages/NewToLakewood.aspx
Any Houston , Texas no misy azy. Mahafinaritra ahy be tokoa io Pasitera io ary mifandray tsara ny tadin-dokanganay.

Ny finoana misy ahy indray dia ampifangaroako ny Katolika sy ny Pantekostista http://www.upci.org/ satria ireo no mahanahalehibe ahy. Zany hoe izay mahatsara ahy no arahiko satria izay no fitaritan'ny Fanahy amiko matoa aho tonga eto an-tany ary ireo no nandray ny momba ahy / niahy ahy.

Na izany anefa na tsy izany dia manaraka akaiky sady mianatra ny finoana bodista sy silamo ary ny finoana Native Amerikanina aho mba tsy ho very ireo fampianarana mafonja hita amin'ny alalan'ny fahendren'ireo nomen'Andriamanitra ny fahasoavana manokana hanaparitaka ny fitiavany amin'ny Teny sy ny Fomba Fiaina ho modely.

Tsy ny fiangonana ny zava-dehibe fa ny ao anatinao vonona handray sy hizara ny fitiavan'Andriamanitra.

10. soanja ( 18/02/2009 16:29)
Saika hadinoko fa rehefa any Madagasikara aho dia any amin'ny Don Bosco Fianarantsoa no fiangonako.
11. ikaretsaka ( 18/02/2009 17:33)
Ary nen'i bibiche? :wink:
12. soanja ( 22/02/2009 19:20)
Tsy hita i Bibiche!! :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.045