INONA NO ANDRASAN'i R8

1. xxx ( 09/02/2009 04:41)

fa inona ary no mbola tsy mampiala an'i R8 e?
efa mibaribary be zao ny tsy fitiavan'ny sarambambem-bahoaka azy de mbola mijanona eo amin'ny sezany ihany izy!
efa tsy mamy hoditra @ vahoaka intsony izy
novalian'i pimaso ny 09/02/2009 05:13
2. pimaso ( 09/02/2009 05:13)
Aza miantsy ady intsony hoy aho
tsy ampy anareo ve ny isan"ny victime ny manipulation politique ireo?
atao fitaovana fotsiny ny ain'olona mba hakana seza
miandrasa fifidianana @ 2012 fa tsarain'ny fifidianana eo anie izay marina sy diso e!
aleo miaina ampilaminana amin'izay fa ampy izay
tolona tsy mitondra makaiza izany mandrombaka fahefana izany
@ izay eny @ zone top @ rouge no exposé na ny olona tsy afaka hisaina fa jamba mifampitantana
Ampy izay
miverena miasa
banque centrale eo, ministere maromaro, HCC , autresbanques...
Mba miverena lalana @ izay izay nanao foana fa ny aina no hanefa
tsy ampy ve ireo fananana efa nodorana ireo e! tvm, rnm, jumbo, citic....
dia hodorana toy ny rova koa ny palais ambohitsirohitra, iza no perdant @ izany tsy ny vahoaka Malagasy iray ihany
raha nanapoaka tetezana ny mpitondra taloha moa va tsy ny hetra aloan tsika ihany no hanarenana azy,
mba aoka izay fa very isika
ny manambola anie lasa izy mifindra any antoeran kafa rehefa azony ny maminy e!
fa ny ainareo latsaka, ny fanana potika , isika rehetra ihany no hizaka izany
Miantso ny Malagasy rehetra aho mba hilamina @ izay

"If you want blood, you got it..." hiran"ny AC/DC io mba henoy hatramin'ny farany ny tonony raha manana ianareo dia ho tsapanareo fa sorona @ tsy antony raha miditra @ ireny manipulation politique ireny
Mirary soa ny Malagasy rehetra
;-)
;-)
;-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0066