Mpamadika tanteraka sy feno ny Sites Web mpiandany

1. NyMisaina ( 07/02/2009 21:41)
Mila mitandrina fatratra sy mailo isika @ famakiana sy fandalovana ao @ ireo sites web mpiandany, araka ny efa hitan'ny maro: MADAGATE, SOBIKA.
novalian'i sitlo ny 08/02/2009 09:47
2. Zazala ( 07/02/2009 21:57)
Lasa nivadika fitsarana site web indray ity raharaha ity.
3. Zazala ( 07/02/2009 22:00)
Avelao izy hiteny(na hanoratra) fa izay ny tiany, efa tsy tokony terena mihitsy ny olona @ heviny.
4. ifiona ( 07/02/2009 22:09)
dia inona sisa no mba azonay aty ivelany jerena rehefa fopla koa ny SOBIKA? ny eto @ serasera aza no tena loza indraindray ko, laozan'ny sasany mifandragitra. Dia inona ary no takelaka web atoronao anay e? ho solony
5. marozevo ( 07/02/2009 22:53)
Aleo kosa izy hilaza fa ny mpamaky anie tsy adala fa olona mahay manao récoupement e. Aleo samy hilaza daholo fa izay mihinana am-bolony no adala.
6. sitlo ( 08/02/2009 09:33)
ifiona:

dia inona sisa no mba azonay aty ivelany jerena rehefa fopla koa ny SOBIKA? ny eto @ serasera aza no tena loza indraindray ko, laozan'ny sasany mifandragitra. Dia inona ary no takelaka web atoronao anay e? ho solony


blaogy.com

Na lazaina fa miprovok aza aho amin'io dia ny blaogy.com ihany no tena ahitako ny fandehan-draharaha. Ireo mantsy samy olona tsirairay no samy mandefa ny hitany. Ny avis dingano fa ny sary sy feo jerena.

7. sitlo ( 08/02/2009 09:47)
Tandremo koa ny MADANIGHT
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0483