Fanontaniana apetrako ho tsakotsakoitsika mianakavy ?

1. xxx ( 01/02/2009 11:56)
Fiovàna !izay ary izay foana moa no tadiavitsika mianakavy rehefa misy zavatra toy izao !

Izay mpitondra tonga dia mameno paosy , ny very seza tsy manan-draharaha afatsy ny mandrodana ny eo @ fitondràna!


Hitatsika daholo angamba ireo lohandohan ny mpisorona teny MAHAMASINA sy teny @ 13mai izay mialokaloka ao ambadiky ny lamosin ingahy ANDRY RAJOELINA :ALAIN RAMAROSON, THEODORE RANJIVASON,DANIEL RAMAROMISA,PIERRE TSIRANANA,JENERALY DOLLIN,LAHINIRIAKO,ELIA RAVELOMANANTSOA,NY HASINA ANDRIAMANJATO,.....

Olona efa fantatra daholo ny tantarany sy ny momba azy depuis 1991 ny 2002 ary mbola ireo eo ihany ny velon aina (nisy moa efa maty)


Ny akoho tsy naneno toy izay efa lanin ny kary!
ary hiala an 'ANKATSO ve dia AMBOHIDEMPONA.

Iza aminareo ny afaka hilàza fa raha mahazo seza eo ireo dia TSY HODIANY FANINA indray ny vahoaka ?

Iza aminareo no sahy hiteny fa tsy hanango-karena koa no tena MOTIVATIONndry zareo very seza ireo?

Iza aminareo no sahy hilàza fa ho ampy azy ireo ny seza ho zarazaraina ?Tsy izany ve no nampianjera an i ZAFY ?


Ka dia SAMIA MIERITRERITRA fa tsy ho enti-po fotsiny fa tsy handinika sy hanadihady ny tena misy

Tsy milàza aho hoe marina à 100% ny zavatra lazaiko fa dia fomba fijery dans un autre angle indray ny ahy
novalian'i xxx ny 01/02/2009 18:40
2. badboy ( 01/02/2009 12:06)
Fa tsy ireo tanisainao ireo ihany koa angaha moa no tao ambadik'i Ravalomanana rehefa naka ny fahefana ny tenany????

Izany hoe raha tsy eo ireo tsy ho tafita teo Ravalomanana, ka ireo ihany koa no hahatafita eo @ fitondrana an'i TGV!!

:idea: :idea: :idea:
3. xxx ( 01/02/2009 12:15)
Azerao RAVALOMANANA raha izay no fanirianareo sy olana eto @ tanàna ataovy miverina manatitra ronono @ bisikilety erak i MERIKASININA sy MANJAKANDRIANA ,kanefa kosa ny hanongotsongoina ny maty hono matahotra ny handevim-belona!


Hamaha ny olana efa lali-paka eto @ tanàna ve izany?

Ny AREMA fotsiny dia efa miady antrano !samy te ho dadany na i DEBA na PIERROT na ANGE ANDRIANARISOA, na PIERRE HOULDER samy te ho chauffeur

Ny MFM iaraha-mahalàla

Ny TGV antoko vao niforona tsy antoko matanjaka mitovy @ UNDD ihany

Ny PFDM an ingahy PIERRE TSIRANANA ?
.....

Aleo ny tantara no hitsara !
4. xxx ( 01/02/2009 13:03)
zao no hita fa tsy marina lé fitenenana é! fa tena lany olo-manga ny gasy!
5. Optik ( 01/02/2009 13:09)
XXX,

Xxxxxxx, xxxxxxxxxxxxx xx xxxxx xxx'xx xxx xxx

xxxxx
xxxx


xxx !!!! :?:

xxxxxxx xxxxx :!:
XXXX
6. OoRakotooO ( 01/02/2009 14:06)
Tena marina io Optik fa ohatran'ny manafitohina izany ilay xxx; Fa maninona tokotry no mihery nefa azo atao hoe rakoto na Rabe? Manjary manahirana mantsy ilay miresaka @ xxx izay sady misy xxx tsy mitovy hevitra @ xxx. Bref, c pas pratique.

Fa miverina @ ilay topic aho.
Tsy olana anie raha ragidro aza no mitondra fanjakana raha mipetraka ny sata mahefa mifehy azy e! Miala ho azy izay vendrana tsarain'ny sata mifehy azy indrindra mantsy.
Ilay resaka olomanga : ny olana dia izay manampahaizana dia lasa mankany ivelany na mihezaka ny hamelontany satria tsy milamina mihitsy ny fanaovana politika ka raha mbola olona rationnel foana dia aleo manao zafatra hafa noho ny politika raha tsy hoe angalatra no tanjona na hiseo milay :^)
7. xxx ( 01/02/2009 18:40)
badboy:

Fa tsy ireo tanisainao ireo ihany koa angaha moa no tao ambadik'i Ravalomanana rehefa naka ny fahefana ny tenany????

Izany hoe raha tsy eo ireo tsy ho tafita teo Ravalomanana, ka ireo ihany koa no hahatafita eo @ fitondrana an'i TGV!!

:idea: :idea: :idea:



Ny Arema aloha tsy tao kosa e !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6307