ANDRY RAJOELINA: NY PLANINY TSARA HOFANTATRAO

1. bluetooth77 ( 27/01/2009 08:30)
Alahady 11 janvier:
- Nitaona ny olona hivavaka tao Mahamasina i Andry Rajoelina.

Talata 13 janvier:
- Fe-potoana farany nomeny hamerenan’ny fanjakana ny TV VIVA

Sabotsy 17 janvier:
- Nitokana ny Kianjan’ny Demokrasia teny Ambohijatovo izy ary tsy nosakanana, zavatra hafa anefa no nitranga: Nandidy ny hialan’ny Ministra 2 lahy izy, ary nanivaiva ny Filoha ho Terroriste.
- Ultimatum napetrany: tsy maintsy mandeha ny VIVA; tsy maintsy miala ireo Ministra 2 lahy ary tsy maintsy miala eny Anosipatrana ny MBS alohan’ny Alarobia 21 Janvier.

Sabotsy 24 janvier:
- Namory olona teo Ambohijatovo izy. Nidina nankeny amin’ny kianjan’ny 13 mai ary nilaza fa tsy maintsy mi-demissionne ny Govermanta, antsangana ny Governemanta Tetezamita ary vonona izy ny hitondra izany.
- Nanainga ny Greve Generale Illimitee manomboka ny Alatsinainy (tsy misy miasa sy mianatra ny mpiasa na miankina na tsy miankina )
- Nanambara fa ho any @ TVM sy RNM ny Alatsinainy 26 janvier.

Alatsinainy 26 janvier:
- Rehefa nodorany ny TVM sy ny RNM ary ny MBS dia no Bloquer-ny tsy hihetsika ny pompier izay ambany fiadidiany.

- Nanambara izy fa nankeny amin’ny MBS niaraka tamin’ny mpomba azy ary voatifitry ny mpitandro ny filaminana teny tamin’izany ny olona 2.
- Taorian’ny nahamay ny TVM, RNM, MBS sy MAGRO sns dia nanambara ny mpanentana iray tao amin’ny radio Antsiva fa “ mizotra tsara ampilaminana daholo ny TOLONA ataon’ny vahoaka”
- Mazava izany fa notanterahiny daholo izay voalazany ny Asabotsy 24 janvier.
- Ny alin’ny 26 janvier, rehefa nitohy ny fandorana sy ny fanapotehany ny fananan’olona nataon’ny mpomba azy, dia natahotra i Andry Rajoelina fa efa nanomboka nifototra taminy ny sasantsasany tamin’ireo mpomba azy, ka dia nanadio tena nandainga indray izy tao amin’ny Radio Antsiva ny marainan’ny Talata 27 janvier.

Talata 27 janvier:
- Nilaza indray izy tao amin’ny Radio antsiva fa tsy mandray andraikitra ny mpitandro filaminana @ fiarovana ny fananam-bahoaka: (Contradiction amin’ny voalazany teo ambony 26 janvier)

Tiana hotsindriana:
- Izy sy ireo mpomba azy no manjaka amin’ny fitenenana ao amin’ny Radio Antsiva hany sisa mandeha, na dia mody nomena fitenenana teo @ 30 segondra aza ny Filoha.

Aoka samy handinika sy hieritreritra ny zava-misy fa tsy ho entimpo amin’ny fanatisme sy ny fankahalana rehefa avy mamaky ity ianao.Italic text
novalian'i bezoky ny 29/01/2009 16:40
2. hery ( 27/01/2009 08:33)
Saika nety ny tanjon'i AndryTGV

Ny tena tetika dia tairina ny vahoaka dia mikomy. Dia tsy maintsy hiaro tena Ravalo dia hitifitra... tahaka ny tamin'ny andron-dRatsiraka. Amin'izay fotoana izay dia victime ilay "vahoaka" notarihan'i AndryTGV.

Nivadika anefa ny tantara satria tsy namaly Ravalo ary tsy nitifitra ny miaramila. Dia lasa mpanafika izany ilay "vahoaka" fa tsy victime intsony.

Dia tsy voafehin'i Andry intsony ilay izy satria tsy araka ny nanampoizany azy.

3. penguin ( 27/01/2009 08:33)
Efa mandresy izy izany raha izay no hazavainao. Aminay dia ny vahoaka faly mahazo no resy hatrany.
4. tsiafoi1 ( 27/01/2009 08:44)
Soa ihany fa mailo Ra8... tsy nampijabaka ny miaramila tao anaty haraton'i TGV, sinon de guerre civile ny teto, ary tsy ho menatra akory ilaikely io hanondro we io fa rà mandriaka nataon'i Ra8....

Merci aloa ho an'Ingahy mpitery ronono e!!!

Mbola hita ihany koa ny maha tanora fanahy an'ilaikely, ny fo no miteny fa tsy ny saina, fa de nampangain'ny teniny Ilaikely koa... Nilaza ho tsy tompon'Andraikitra ny korontana izy, kanefa 2 secondes après de niantso vahoaka hanotrona ny fatin'ireo TGViste, voatifitra avy nanafika teny Anosipatrana...

Hotsarain'ny tantara tsy ho ela enao rilaikely... Ary ireny rà nilatsaka tsifidiny, natosikao ho sorona, nohon'ny fitiavantena sy fitiavam-bola ireny de hitambesatra aminao sy ny taranakao!!!
5. xxx ( 27/01/2009 08:49)
Tsy efa tanteraka ve ilay notadiavin' TGV e....sady afaka rahateo ny fahantrana fa feno entana ny tranon'ny tsy manana, afaka ny didy jadona, afaka maneho hevitra, azo ny tany, ........Tonga amin'ny demoncratie partaite.
HO ELA VELONA ANIE NY PREZIDA ANDRY TGV, HO ANTOKA HITONDRA NY FIRENENA SYNY HOAVI'NY TARANAKA FARA MANDIMBY MIANDRANDRA FAHAZAVANA......Manonofy atoandro za klé
6. Noue ( 27/01/2009 09:04)
xxx:

aza miteniteny foana eo eee! teo izy inona no nataony ????ny tanana lasa niverina daholo ny havoretrana, bandy kely io ve ahavita inona ee ??? maire fotsiny aza no toerana nisy azy jereo ny vokany rehetra eee!
sady afaka rahateo ny fahantrana fa feno entana ny tranon'ny tsy manana
t@ fandrombana ny entan'olona ve io eee ? tena manofy atoandro marina zato ianao eee! zao ve no atao oe democratie eee ????

7. naughtyboy ( 27/01/2009 09:26)
voalaza
- Rehefa nodorany ny TVM sy ny RNM ary ny MBS dia no Bloquer-ny tsy hihetsika ny pompier izay ambany fiadidiany.
- Ny alin’ny 26 janvier, rehefa nitohy ny fandorana sy ny fanapotehany ny fananan’olona nataon’ny mpomba azy

tsisy teny lava be izany fa avohay ny fanamarinana sy porofo ireo teny ireo dia hihaino anao ny olona ,fa tsy eritreritrao manokana any akory no itrikitrihana fa izy ....
Na izany na tsy izany aza dia mirary fiononana ny tenanay ho an'ireo fianakaviany namoy aina na mpomba an'i le8 izy ireo na i Andry fa mpiray tanindrazana no fandraisany azy
8. xxx ( 27/01/2009 09:31)
naninona nefa nakantona viva? tsy didy jadona ve zany!!
zah dia tsy mpomba an'i tgv fa hitako fa manao tsy mety ny filoha !!
nihevitra izy fa tsy misy afaka mikitikitika azy mintsy (intouchable),tsy tadidiny anefa fa ireo vahoaka an'i antananarivo reo no napiditra azy teo amin'io fitondrana io!
izao novokany! na diso i tgv na tsy diso tsy izy no nanomboka fa ny fitondrana!
milaza nareo fa hijaly indray ny vahoaka amizao zava_mitranga izao!! anga moa tsy efa nijaly zareo talohan'izao? hoy ny frantasy oe " quant on touch le fond on ne peux plus descendre plus bas" dia izay izao no mahazo ny vahoaka amizao!! efa latsaka any amin'ny faran'ny ambany ka na mikorontana na tsia dia efa tsy manakohanina ihany !
misy famarinany ihany ny lazain'i xxx4 io!! tsisy korontana teo tsy nisy vary nohanina ny olona!izao misy ny korontana nahazo vary amin'ny gony maimai_paona ry zareo!
9. penguin ( 27/01/2009 09:34)
Arabaina elah ra-notti ary aza mody fanina fa ny fisian'ireo maty no ahazoan'elah ny tanjon'elah. Mba tsotra f'aza miantsara ivelan-tsihy.
10. nyavo2000 ( 27/01/2009 09:53)
Hay ve ANDRY MPAMONO OLONA e!

Hifototra amin'ilay isany ihany izao gidra izao fa mamporisika ihany hoe tohizo fa tsara
11. naughtyboy ( 27/01/2009 09:53)
noho ny hafenoandrano be loatra dia tsy afaka handray ireto adalany serasera aho androany fa malalaka ny tranony fitsaboany marary saina toby18 handray azy ireny
12. penguin ( 27/01/2009 09:57)
Miandry an'elah sy ny fitsanganan'ny "AREMA Government" @'ny endriny 2009 izahay ary ééé. Izay sahin'ny vahoaka no tompon'ny laka ééé. =D> =D> =D>
13. xxx ( 27/01/2009 10:18)
izao no alehany rehefa tsy mijery ny kely noho izy ny mpitondra e. ho fianarana ho an'ny hafa izay mbola hitondra koa io e. I andry TGV anie tsy ho mpitondra mihitsy na rahoviana aza e. fa ny mpitondra no fototr'izao rehetra izao.
halalino ny niandohan'ny tantara fa aza de ny omaly sy ny afakomaly no jerena.
mety ny ray amandreny no tsy mahay mitaiza nefa le zaza foana no diso sy voakapoka lava izao. misy farany ny zavadrehetra e. de mbola hivaly aminy koa ny nataony
14. patrick2002 ( 27/01/2009 10:41)
bluetooth77:

Alahady 11 janvier:
- Nitaona ny olona hivavaka tao Mahamasina i Andry Rajoelina.

Talata 13 janvier:
- Fe-potoana farany nomeny hamerenan’ny fanjakana ny TV VIVA

Sabotsy 17 janvier:
- Nitokana ny Kianjan’ny Demokrasia teny Ambohijatovo izy ary tsy nosakanana, zavatra hafa anefa no nitranga: Nandidy ny hialan’ny Ministra 2 lahy izy, ary nanivaiva ny Filoha ho Terroriste.
- Ultimatum napetrany: tsy maintsy mandeha ny VIVA; tsy maintsy miala ireo Ministra 2 lahy ary tsy maintsy miala eny Anosipatrana ny MBS alohan’ny Alarobia 21 Janvier.

Sabotsy 24 janvier:
- Namory olona teo Ambohijatovo izy. Nidina nankeny amin’ny kianjan’ny 13 mai ary nilaza fa tsy maintsy mi-demissionne ny Govermanta, antsangana ny Governemanta Tetezamita ary vonona izy ny hitondra izany.
- Nanainga ny Greve Generale Illimitee manomboka ny Alatsinainy (tsy misy miasa sy mianatra ny mpiasa na miankina na tsy miankina )
- Nanambara fa ho any @ TVM sy RNM ny Alatsinainy 26 janvier.

Alatsinainy 26 janvier:
- Rehefa nodorany ny TVM sy ny RNM ary ny MBS dia no Bloquer-ny tsy hihetsika ny pompier izay ambany fiadidiany.

- Nanambara izy fa nankeny amin’ny MBS niaraka tamin’ny mpomba azy ary voatifitry ny mpitandro ny filaminana teny tamin’izany ny olona 2.
- Taorian’ny nahamay ny TVM, RNM, MBS sy MAGRO sns dia nanambara ny mpanentana iray tao amin’ny radio Antsiva fa “ mizotra tsara ampilaminana daholo ny TOLONA ataon’ny vahoaka”
- Mazava izany fa notanterahiny daholo izay voalazany ny Asabotsy 24 janvier.
- Ny alin’ny 26 janvier, rehefa nitohy ny fandorana sy ny fanapotehany ny fananan’olona nataon’ny mpomba azy, dia natahotra i Andry Rajoelina fa efa nanomboka nifototra taminy ny sasantsasany tamin’ireo mpomba azy, ka dia nanadio tena nandainga indray izy tao amin’ny Radio Antsiva ny marainan’ny Talata 27 janvier.

Talata 27 janvier:
- Nilaza indray izy tao amin’ny Radio antsiva fa tsy mandray andraikitra ny mpitandro filaminana @ fiarovana ny fananam-bahoaka: (Contradiction amin’ny voalazany teo ambony 26 janvier)

Tiana hotsindriana:
- Izy sy ireo mpomba azy no manjaka amin’ny fitenenana ao amin’ny Radio Antsiva hany sisa mandeha, na dia mody nomena fitenenana teo @ 30 segondra aza ny Filoha.

Aoka samy handinika sy hieritreritra ny zava-misy fa tsy ho entimpo amin’ny fanatisme sy ny fankahalana rehefa avy mamaky ity ianao.Italic text

alefaso lavitra ny fanadihadihana
- Raha vao lany i Andry TGV 1 taona lasa izay dia nanaiky hifampiresaka @ o Filoha Ravalomanana tao ambohitsirohitra ,nisy ny resaka t@ mpanao gazety ,nilaza i Andry fa resaky ny zanaka sy ny RAD ,ny provoquer-ny mpanao gazety ny Filoha Ravalomanana ka namaly botana fa tsy ny hafinaritra ny vahoaka no hataony fa hanasoa azy.
-nilaza ny JIRAMA fa tsy maintsy haloany commune ny trosany
- Bloquer ny fitondrana ny budget ny commune satria tsy nadoa trosa efa ho 20 taona izay ,niditra an-tsehatra i Norbert Lala Ratsirahonana handamina niaraka t@ Rajemison Rakotomaharo, nanaiky i Ravalomanana fa tsy hanisy sakana ho an'izay famatsiam-bola ny commune , nefa tsy nisy notanterahany ny teniny
- Mitohy ny antsonjay hataony mpitondra niafara t@ fanakatonana ny fananany Andry (TV viva)
eo no nampitroatra ny lonilony ny vahoaka
Tsy i Andry TGV mihintsy no tsy nametraka ny mpitondra @ fahefany fa ny mpitondra no tsy nanaja ny fahefana izay nananany Andry.
iza no namafy rivotra teto ,fakafakao ny raharaha
15. Noue ( 27/01/2009 10:50)
penguin:

Miandry an'elah sy ny fitsanganan'ny "AREMA Government" @'ny endriny 2009 izahay ary ééé. Izay sahin'ny vahoaka no tompon'ny laka ééé. =D> =D> =D>

=)) =)) =)) =)) =)) =)) =))
16. bluetooth77 ( 28/01/2009 16:29)
test
17. bezoky ( 29/01/2009 16:40)
xxx:

izao no alehany rehefa tsy mijery ny kely noho izy ny mpitondra e. ho fianarana ho an'ny hafa izay mbola hitondra koa io e. I andry TGV anie tsy ho mpitondra mihitsy na rahoviana aza e. fa ny mpitondra no fototr'izao rehetra izao.
halalino ny niandohan'ny tantara fa aza de ny omaly sy ny afakomaly no jerena.
mety ny ray amandreny no tsy mahay mitaiza nefa le zaza foana no diso sy voakapoka lava izao. misy farany ny zavadrehetra e. de mbola hivaly aminy koa ny nataony

fa ny fijerena ny madinika izany ry TGViste dia fandrobana dia avy eo asaina mangalatra ny ol! Ho tsarain'nt tantara sy hivaly @ nareo zao alahelon'ny olona izao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0142