Jamais 2 sans 3 ary korontana no ahatafita izany ???

1. penguin ( 27/01/2009 07:40)
Asa aloha fa ny zava-misy dia olona avy teo amin'ny 13 Mai no nirohotra nandeha tetsy sy teroa ary nitarika ny fandrobana. Nanamafy izany ny teny napetrak'i Andry TGV milaza ny mpomba azy hampitsahatra ny fandravana. Loza ho an'ny firenena izany aminay ary tsy maintsy hanarina ny simba izay tompon'andraikitra manaraka na ho vaovao na tetezamita na ny teo ihany. Mbola mitohy ny fitaomana entana eran'ny làlana ary mampalahelo ny mijery ireto olona sahalan'ny vitsika nahita mofo ka samy mibata izay zakany.
Izany no lesona ahatafita sy mendrika hifandovana ho an'ny Malagasy vé ? Ka mbola eo ny fanontaniana hoe ny Malagasy no voahozona sa ny mpitondra izay afaka mitsoaka an-dafy raha misy mitranga ?
Samy mivavaka sy miantso Jesosy ka na Andriamanitra aza vé tsy ho sahirana amin'ireto samy mihevi-tena ho marina. "Jamais 2 sans 3 ary korontana no ahatafita izany ???"
novalian'i nyavo2000 ny 27/01/2009 10:16
2. ranitse ( 27/01/2009 07:54)
Izay mandray karama faran'ny volana dia hilamina ireo haka izany satria ny TGV sy ny herim-bahoaka no hampiadana. Ireo olon-tsotra voaroba na ny mpiasan'ireny voaroba ireny ahazo ny karamany feno. Ireo teny amin'ny kianja telo ambin'ny folo may efa mitaona entana ahafahany mivelona maharitra. Koa inona no olana fa hampiadana ny Malagasy no tanjona ra-TGV ????
3. tsinjo ( 27/01/2009 07:59)
marina zany ramitse afaka ny fahantrana oa , eka ouzzz

=D> sady tsy mety ritra sy lany reny zavatra nobataina reny a
4. eh ( 27/01/2009 08:07)
INDRISY INDRISY RY TANIKO, POTIKA IARIVO, RAVA NY FANANTENANA EFA TEO AMBARAVARANA... :cry: :cry: :cry:
5. tsinjo ( 27/01/2009 08:11)
:lol: :lol: aleo imehezana sisa
6. penguin ( 27/01/2009 08:15)
Ny ratsy tsy kely lalàna ary samy miantso Jesosy na ny mpandroba na ny voaroba. Ozona no azo rehefa entina amin'ny zava-dratsy ny tenin'Andriamanitra ka hiarahana mahita fa ho tafavoaka tokoa rehefa manaraka ny rariny izay fampiresahana hatrany hatrany. Rehfa sendra ny mpanendaka valo ianao raika dia maro an'isa ireo ary manana ny marina.
7. tataka ( 27/01/2009 08:37)
Dia miandry ny Andry TGV haka ny fitondrana ary hanomboka ny fitondrana ny tetezamita noventesiny teny @ 13 Mey ny vahoakany ary. Ho hita eo izay hanohizany ny fikasany rehetra.
8. penguin ( 27/01/2009 09:37)
Rehefa miongana ny mpitondra amperin'asa dia izay no atao hoe tratra ny tanjona. Ny resaka fahantran'ny vahoaka resaka ihany io ary ho hita tsara raha tia sy mitady hevitra ny hanalana izany fahantrana izany ry zalahy.
9. nyavo2000 ( 27/01/2009 10:16)
Ilay Penguin dia ohatry lelon-jaza mivoaka miditra !

Milaza fa ny fahatran'ny malagasy no hanaovana ny tolona k'avy eo indray hoe miongana ny mpitondra dia izay no tanjona ! aza miala pa fa aleo tanterahina hatramin'ny farany ny zavatra natao e!

manongana dia avy eo mampanakarena vahoaka : de heverinareo fa ho ampy anay vahoaka ny entana nalaina teny @ Magro e! mila zavatra fanampiny izahay...aza mba mifamitaka fa tsy izany hoe manongana izany fotsiny no lokaloka teny ambohijatovo sy 13 mai
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0489