RIVO-PANDRAVA
1. DadaRabe
(
26/01/2009 21:17)
RIVO-PANDRAVA
Raha ny fandrobana sy ny fandravana,
Mitondra dinamita, manapaka tetezana,
No lasa ho filamatra, hitondra ny tanàna
Dia tena kivy aho fa sarim-pahaverezana,
Tantara efa naloa,
Nariana tany aloha
Kanefa dia izany
No hitantsika androany.
Raha ny fandoroana sy ny fahamamoana,
Midoroka rongony, mitondra antsy lava,
Raha toa ka izany no mbola itompoana…
Asa hanao ahoana ? Ny ampitso ve hazava ?
Fa haizina no hita
Sy koa lalovantsika,
Tarazon’ny fahiny
No hita ankehitriny.
Raha toa ka izany no lasa fomba fiaina,
Raha toa ka izany no apetraka ho tantara,
Raha toa ka izany no hameno ny toe-tsaina,
Raha toa ka izany no ataontsika anjara,
Ahoana re ny ho avy ?
Fa tena mampanavy
Mahangoly koa ny tava
Ilay…Rivo-pandrava !
DadaRabe
Raha ny fandrobana sy ny fandravana,
Mitondra dinamita, manapaka tetezana,
No lasa ho filamatra, hitondra ny tanàna
Dia tena kivy aho fa sarim-pahaverezana,
Tantara efa naloa,
Nariana tany aloha
Kanefa dia izany
No hitantsika androany.
Raha ny fandoroana sy ny fahamamoana,
Midoroka rongony, mitondra antsy lava,
Raha toa ka izany no mbola itompoana…
Asa hanao ahoana ? Ny ampitso ve hazava ?
Fa haizina no hita
Sy koa lalovantsika,
Tarazon’ny fahiny
No hita ankehitriny.
Raha toa ka izany no lasa fomba fiaina,
Raha toa ka izany no apetraka ho tantara,
Raha toa ka izany no hameno ny toe-tsaina,
Raha toa ka izany no ataontsika anjara,
Ahoana re ny ho avy ?
Fa tena mampanavy
Mahangoly koa ny tava
Ilay…Rivo-pandrava !
DadaRabe
novalian'i aikon ny 31/01/2009 07:49
2. vale
(
26/01/2009 21:49)
Misaotra anao DadaRabe, fa tena iombonako aminao tanteraka ireo hevitra voalazanao rehetra ireo!!!!!!! ... indrisy!!!!!!! :(
3. boubounezy
(
26/01/2009 21:50)
bravoooo =D> tena tonga d nazaonao inspiration vety2 lé zava mintranga a! mety mampalaelo anao kou ny zavamiseo @ zao fa aza mitomany ny sort nao alou ianao fa manaova poésie solution ra azo atao azafady. zay ao no itako tena maika
6. aikon
(
31/01/2009 07:49)
ny zavarta tsy fantatrareo dia izao ireo teny roa ireo dia mifanohitra raha misy ny fandravana trano dia midika izany fa anao fanamboarana na koa reparation ka noho izany de tsy mainntsy robatina ny trano ratsy orona mba afahana manangana trano mafihorona sy matanjaka afahany olona mialoka rehefa misy rivodoza
satria ratsihorona ny trano teo aloha de moora narodana rehefa tonga ny rivotra mahery ary tsy nahavonjy olona
ok
merci
satria ratsihorona ny trano teo aloha de moora narodana rehefa tonga ny rivotra mahery ary tsy nahavonjy olona
ok
merci
