Nivoaka ny Tsiambaratelo....
1. ZoGasy
(
26/01/2009 13:03)
Avy@: Zo Raharizafisoa
-----------------------------------------------------------------------------------------------------------
Ny « LOJIKAN’NY FIFANDONANA » tetikadin’i Andry Rajoelina miaraka amin’ireo mpanao politika tranainy sy ny firenen-dehibe iray.
Mpianatra ety amin’ny Oniversite ny tenako. Tamina mpianatra eny amin’ny Oniversite iray antsoina hoe “Dominique” na “Radomi” no nandrenesako izao resaka izao ka tsy mandry ny eritreritro raha tsy manaparitaka azy aminao. Diniho ny zava-misy ,fa ny tantara no hitsara.
Efa volana maromaro no niketrehan’I Andry TGV ny tetika. Ny tanjona dia ny handrodanana ny fitondrana amin’ny “fitakiana an-dalam-be”. Ny vola efa nahazo betsaka, ny fitaovana izay ilaina misy. Ka izao no paik’ady:
- Vidina ny Radio sy TV RAVINALA ka soloina VIVA hahafahana manamboatra tsikelikely ny sain’ny vahoaka hankahala ny fitondrana sady hanaovana ny propagandy hahazoana ny fitondrana ny tanànan’Antananarivo ( Ben’ny tanàna). Tamin’izany no efa nisy nilaza fa volan-DRatsiraka sy Pierrot Rajaonarivelo no nampiasainy fa tsy nino ny olona.
- Tsy ho resy vetivety ny fahantrana ka io no asaina ventesin’ny mpanao politika izay miteny.
- Kitihina ny fanavaozana ny fianarana ary averimberina fa fanagasiana tamin’ny 72 io. Hatao fitaovana amin’izany ny Katolika izay ao ambadik’ilay firenena tsy tononina..
- Karamaina ny mpianatra eny sasantsasany eny amin’ny Cité Ankatso mba hanamboatra “cocktail Molotov” hatsipy handoroana tranom-panjakana
- Karamaina ny jiolahy handroba fananan’olona mba ilazana fa tsy misy fandriam-pahalemana eto.
- Karamaina ny olona maro mba hitarika fihetsiketsehana any amin’ny faritra sy hitarika grevy.
- Vidina vola ny mpanao gazety maro mba hivoy ny hevitra fankahalana fanjakana sy hivoy fa sakantsakan’ny fanjakana i Andry TGV amin’ny fanatanterahany ny asa maha ben’ny tànana azy hany ka tsy vitany asa. Tokony hivoy koa ireo mpanao gazety ireo fa tsy milamina ny tànana.
- Atao ny tetika rehetra mba tsy hisian’ny “ Fivoriambe-faratampon’ny Firenena Afrikana”eto Madagasikara satria hoe misavorovoro eto..
- Tsy hisy hoazy araka izany ny fivoriamben’ny tany miteny Frantsay amin’ny 2010
- Tsy avela ho tody hatrany amin’ny fifidianana ity fitondrana ity fa tsy maintsy arodana alohan’izay. Satria mantsy amin’izay fotoana izay efa misy vokany betsaka eo amin’ny fiainam-bahoaka ny MAP ka ho sarotra ny handresy azy amin’ny fifidianana.
- Tsy maintsy mirodana ary tsy maintsy tafiditra ao anaty velam-pandrika ny fitondram-panjakana ka ny ambon-DRavalo no hamelezana azy.
- Asaina miteniteny foana ao amin’ny VIVA RATSIRAKA ary dia tsy maintsy hanidy an’ioTV io ny fitondram-panjakana.
- Aely ny tsaho fa ho samborina I Andry TGV. Io fisamborana azy io no tena tadiaviny mafy hatreto.
- Hetsehina amin’izay ny vahoaka mba hitaky fa tsy misy ny “ DEMOKRASIA” eto Madagasikara..
- Ampiasaina ny radio VIVA, Ny radio ANTSIVA, ny TV Plus, ny La Gazette de la Grande ile , ny LA verité sns mba hitarika ny olona hanaraka an’I TGV sy hanaratsy fanjakana.
- Ny resaka atao dia hanamboarana ny sain’ny olona mba hankamamy indray eo amin’ny sehatra politika ireo goaika antitra very seza efa fantatra.
Fa ity no tena loza : Ny « LOJIKAN’NY FIFANDONANA » tetikadin’i Andry Rajoelina miaraka amin’ireo mpanao politika tranainy sy ny firenen-dehibe iray.
- Rehefa tsy mampiasa “FORCE” ny fanjakana dia terena hanao izany mba hisy faty olona indray eto Antananarivo.
- Noho izany dia taritina ny olona hirohotra hanao ankeriny hamoa ny TV VIVA. Efa misy mpitarika nahazo vola hanao an’io. Tsy maintsy hampitandrina ka hanao tifi-danitra sy hampiasa fitaovana mampilatsa-dranomaso ny mpitandro ny filaminana. Ary eo no hisy karamaina hitifitra ny vahoaka ary dia hovelona ny saritaka. Iodia tsy mazava na ao amin’ny tafika no voakarama na ao anaty vahoaka hanao an’io fitifirana io.
- Raha tsy mety ny eny amin’ny VIVA dia taritina ho eny amin’ny Ministeran’ny Vola indray ny vahoaka, sady efa eo akaiky eo rahateo Ambahitsorohitra, mba hitaky ny fialan’ny Minisitry ny Vola hono araka ny resaka efa nataon’i Roland Ratsiraka sady naverin’I Andry TGV teo Ambohijatovo. Tsy maintsy hampitandrina ka hanao tifi-danitra sy hampiasa fitaovana mampilatsa-dranomaso ny mpitandro ny filaminana. Ary eo no hisy karamaina hitifitra ny vahoaka ary dia ho velona ny saritaka syny savorovoro .
- Hampiaka-peo toy ny fanaony avy eo ireo mpanao politika toa an-dry Daniel RAMAROMISA sy ny forongony mba hitaky ny tetezamita hiverenan’ireo mpanao politika saribakolin’ilay firenen-dehibe eo amin’ny fitondrana.
Vokany :
- Mbola hanjakazaka eto amin’ny firenena io firenen-dehibe io satria hiverina ireo saribakoliny.
- Mbola vao mainka hahantra ny vahoaka satria hitsitongana ny vola gasy noho ny fikorontanana hatao eto amin’ny firenena. Mbola tombotsoan’ilay firenen-dehibe ihany io.
- Tsy hisy ny fandrosoana eto satria hiady saritaka indray ireo mpanao politika izay hiady seza samy hilaza fa izy no namono ny voay. Tsy ny rehetra anefa no hahazo seza, fa izay efa votendrin’ilay Firenen-dehibe ihany.
Ny fitiavako tanindrazana no nanosika ahy hilaza izao tsiambaratelo izao aminao mba hilazanao ny havanao mba tsy sanatria no ho lasa sorona ho fatifaty foana na haratra foana hampiakatra an-dry zalahy eo amin’ny sezany. Raha anisan’ireo nahazo vola moa maninona, fa raha entim-po amin’ny resabe no tena mampalahelo. Tsy misy mahay manao fahagagana eto ka afaka hanafoana ny fahantrana ao anatin’ny taona vitsivitsy.
Azonao porofoana amin’ny zava-misy ireo voalazako ireo. Ny fanompoam-pivavahana saika natao teo Ambohijatovo. Ny fanokanana ny kianjan’Andohalo izay natao kimaimaika, hany ka vao avy ny orana dia nirodana. Ary ny nampalahelo aza nandratra olona mihitsy io firodanana io satria nianjeran’ny tafo tao ireo olona sendra nialoka. Tsy efa fambara ataon’Andriamanitra ve io. Iza no namatsy vola nanamboarana io kianja io ? moa tsy ilay firenen-dehibe ve ? Nahatadidy rahateo ny isika fa tsy io mihitsy ny planina nasehon’I Andry Rajoelina fony izy nanao propagandy tamin’ny fifidianana ho ben’ny tanàn’Antananarivo. Mihevitra izy mantsy fa tsy nisy nahatadidy ireny. Ny sarintsarim-pitokanana ny kianjan’ny Demokrasia teny Ambohjatovo. Ireny rehetra ireny dia mizotra any amin’ilay “lojikan’ny fifandonana hanaovana sorona indray ny vahoaka”.
Raha tia tanindrazana ianao dia aelezo ity amin’ny mailaka na amin’ny fomba hafa.
Tena ekena fa mampandroso ny DEMOKRASIA ary ny fototra lehibe amin’ireny dia ny fifidianana. Tsy misy afaka hilaza fa DEMOKRASIA ny fitarihana ny olona haka fahefana eny andalam-be!
Tsy misy afa tsy ny fifandimbiasam-pahefana amin’ny alalan’ny fifidianana ihany no filaminana sy fampandrosoana ny firenena.
Izay ny zava misy ka tokony handinin-tena ny Mpitondra sy Andry TGV !
Samia mandinika vao manao zavatra ho tombotsoa ambonin’ny firenena ! Mbola fotoana izao hieritreretana.
Ny Kristianina aoka hivavaka fa tandindomin-doza ny firenana.Tsy maintsy ho sambatra isika raha manana an’Andriamanitra ho tokin-tsika.

novalian'i mia ny 26/01/2009 22:39
2. eh
(
26/01/2009 13:19)
TENA NIDIRAN-DOZA MIHINTSY FA MIZIRIZIRY NY MPANJANAKA TSY METY MIALA ARY MANAMPY AZY NY GASY SASANY FENETRIBE'NY FIRENENA!!!!
RY LANITRA ô!!!!! AMPIO IZAHAY FA POTIKA NY TANANAY NY OLONA NATAO HANATSARA LASA MANIMBA SY MANDORO!!!!!!!

3. kidoropamba
(
26/01/2009 13:40)
HIN!hin!hin!hin! Aza mitomany fa mbola tsy vita ilay lagera e. Tssss! toa efa miantso andriamanitra tampoka eo.
Io ange no nanaovanareo ny vahoaka tao anatin'ny 7 taona e. PEHO!PEHO!PEHO! e.
KAPAO FA MANIMBA NY TANY. hin!hin!hin!hin!hin!

4. tsiafoi1
(
26/01/2009 13:42)
Jehovah o! arovy ity taninay ity
Mba hilamina satria
zary mampahory,
Ireo mpandrava sy mpandroba
Mba hilamina satria
zary mampahory,
Ireo mpandrava sy mpandroba
5. xxx
(
26/01/2009 14:11)
Nefa io Dominique - Radom nao io koa oul mbola karamain'i fitondrana mody hiteny an'zany hoe lazao hoe zao sy zao de mody mitantara aminareo mba entina hanaratsiana an-draTGV.
Aza mora fahanan-dalitra io fa mba Univesitaire ihany ny tena.
sady 7 moa ilay isa mety @ Ra8, feno le 7 zay. hi hi hi
Peho peho peho
Aza mora fahanan-dalitra io fa mba Univesitaire ihany ny tena.
Io ange no nanaovanareo ny vahoaka tao anatin'ny 7 taona e. PEHO!PEHO!PEHO! e.
sady 7 moa ilay isa mety @ Ra8, feno le 7 zay. hi hi hi
Peho peho peho
6. tsiafoi1
(
26/01/2009 14:19)
K'aza mandihy tsy afa-tavony fa ny lalao mbola ho ela
Tsy ekena ny korontana na @'ny endriny inona na @'ny endriny inona

7. hasimbola
(
26/01/2009 14:24)
Mbola hoela izany Demokrasia izan araka ny hevitro, raha olona tefitefena ao anatin'ny taona vitsivitsy izany dia eee....Manomana olon hitondra olon izany efa homanina hatrany ankimbondreny...io manko no blema...aiza ka tandrametaka lava izao... avy eo dia lasa hoe vita gasy hatramin'ny fitondrana ...saingy..... :?:
8. sitlo
(
26/01/2009 14:25)
Misaotra nilaza fa misy mantsy manaraka ny onjany fotsiny fa tsy mandinika akory.
Iza mihitsy aza izany firenen-dehibe izany? Sao dia mba Da Vinci Code ary izany? hmmmmmm

9. hery
(
26/01/2009 14:42)
Io manakorontana io ihany dia rehefa avy eo mitsoaka exilé dia mihirahira hoe "Izaho irery no aty"...
Film efa nandeha t@ androndry Baomanga io e.

11. ainaheri
(
26/01/2009 14:56)
xxxx:
,sady 7 moa ilay isa mety @ Ra8, feno le 7 zay. hi hi hi
Peho peho peho
aza mapmé an
Samy mahita zay lazainy doli ny oul ,mapmé kou lay pitondra teny an hihi
12. harry5
(
26/01/2009 15:18)
tena marina be io voalazanao io satria azo tsapaitanana , ary tena mandinika ianao , satri nahona no ilazako izany , ireo olona ireo de olona mitady vola daholo reo sy seza ary be fialonana tsi hoe miaro ny pouvoir amin izao za fa mijery kosa ni lojika , RAHA TIA TANINDRAZANA MARINA IREO KA VONONA NY HAPANDROSSO ITY FIRENENA MAHANTRA ITI , MAPALAHELO DE TSI AMIN ALALAN NY GREVE MIHINTSI NO ANATONTONSANA AN IZANY DESOLER FA VOA MAIKA MAPIKATSO SI MAMPIDINA NY FARIPIAINAN TSIKA MALAGASY FIRI AMIN TSIKA ANEFA NO MBA MIERITRERITRA AN IZANY ,,,??? ARY RAHA TSI METY NY ATAON DRAVALO MIANDRASA FIFIDIANANA MBA TSY AHAFATY ANI VAHOKA SI HAMPIKOROSI FAHANA NY MAJINIKA mampalahelo ny toe tsaitsika malagasy
jereo ny teo aloha , inouna ny vokany nanao greve 2ans plus tsika tamin nanalana an i ratsiraka, vokany nitombo ni fahatran tsika ,dia avy eo zafy de noesorina indray , de naverina ilay raika lahy taloha , aiza no misi antsika amin izao anaty lavaka be ,ary ravalo tsi mahavita miracle koa
ary ny hoe tsindry azo lena sns eto amin firenena tsi vaovao zany
de iza indray no asolo azy de ahona ny tohiny keli fanatenana za , dia ozy aho hoe tafakatra hoatrinona indray ny euro rehefa kelikely ?? loza ,en plus krizy financière mondial , de raha mahatra enao zao an de voa maika enao ahantra indray un peu plus , dia ahona no hiafaran ity madagasikaran tsika ity ??

13. mia
(
26/01/2009 22:39)
harry5>>Marina ny anao!! tena vao maika ampian'ity crise financière mondiale ity ny grève be sy korontana any de ny mahantra voa maika ahantra indray un peu plus!!
Asa tokoa izay ihafaran'ny firenena fa dia herisetra, violence no manjaka, tsy misy fifanajana fa dia ny hadalana no ampitenenina, hitondra inona anefa?? FAHARAVANA,FAHAPOTEHANA;ny halatra kely t@ fandrobana anie azo amin'ny tsy rariny dia mivoaka amin'ny kilodoaka e dia lany iny dia mahantra be indray avy eo!!
Manjaka mihitsy ny ratsy any izany!!mivavaha hoa an'ny Malagasy havantsika rehetra any fa mafy ny manjo an-dry zareo any.