May é: MBS, TVM, RNM, Mox sy ny racisma

1. kidoropamba ( 26/01/2009 12:32)
Aiza nareo e. May ny tanàna ato. Mitady hery ravalo ka dia io nomenay ny tena herinay vahoaka.
Potehina ny halatra rehetra nataondravalo.
Hitondra ho aiza moa ity ravalo ity raha ny hatezeram-bahoaka no mamely azy.

Tena ataonay mahamay mihitsy izay misary adala ato e.

POTEHO ANY ITY FITONDRANA ITY RAHA HANABOTRY VAHOAKA E; Izay sty faly mibotsimbotsino fa ny vahoaka ato dia efa tena tezitra.

RAVALO ô, miala moramora ianao fa ataonay haza lambo raha mitady hidongy eo.
VITAO!!!!!
novalian'i xxx ny 26/01/2009 15:59
2. eh ( 26/01/2009 12:45)
NA HO POTEHINAREO DAHOLO AZA AZO AVERINA DAHOLO IRENY E!!! NY SAINAREO NO EFA RATSY TANTERAKA BE FIALONANA SY TSY TIA FANDROSOANA KA TSY HO TAFAFOAKA EO MIHINTSY NA INONA NA INONA ATAONAREO EO!!! NY ANAY RA8 FOANA FOANA TOHANANAY NY FILOHA MAMINAY !!!!!
3. ZoGasy ( 26/01/2009 13:04)
Avy@: Zo Raharizafisoa
-----------------------------------------------------------------------------------------------------------
Ny « LOJIKAN’NY FIFANDONANA » tetikadin’i Andry Rajoelina miaraka amin’ireo mpanao politika tranainy sy ny firenen-dehibe iray.

Mpianatra ety amin’ny Oniversite ny tenako. Tamina mpianatra eny amin’ny Oniversite iray antsoina hoe “Dominique” na “Radomi” no nandrenesako izao resaka izao ka tsy mandry ny eritreritro raha tsy manaparitaka azy aminao. Diniho ny zava-misy ,fa ny tantara no hitsara.

Efa volana maromaro no niketrehan’I Andry TGV ny tetika. Ny tanjona dia ny handrodanana ny fitondrana amin’ny “fitakiana an-dalam-be”. Ny vola efa nahazo betsaka, ny fitaovana izay ilaina misy. Ka izao no paik’ady:

- Vidina ny Radio sy TV RAVINALA ka soloina VIVA hahafahana manamboatra tsikelikely ny sain’ny vahoaka hankahala ny fitondrana sady hanaovana ny propagandy hahazoana ny fitondrana ny tanànan’Antananarivo ( Ben’ny tanàna). Tamin’izany no efa nisy nilaza fa volan-DRatsiraka sy Pierrot Rajaonarivelo no nampiasainy fa tsy nino ny olona.

- Tsy ho resy vetivety ny fahantrana ka io no asaina ventesin’ny mpanao politika izay miteny.

- Kitihina ny fanavaozana ny fianarana ary averimberina fa fanagasiana tamin’ny 72 io. Hatao fitaovana amin’izany ny Katolika izay ao ambadik’ilay firenena tsy tononina..

- Karamaina ny mpianatra eny sasantsasany eny amin’ny Cité Ankatso mba hanamboatra “cocktail Molotov” hatsipy handoroana tranom-panjakana

- Karamaina ny jiolahy handroba fananan’olona mba ilazana fa tsy misy fandriam-pahalemana eto.

- Karamaina ny olona maro mba hitarika fihetsiketsehana any amin’ny faritra sy hitarika grevy.

- Vidina vola ny mpanao gazety maro mba hivoy ny hevitra fankahalana fanjakana sy hivoy fa sakantsakan’ny fanjakana i Andry TGV amin’ny fanatanterahany ny asa maha ben’ny tànana azy hany ka tsy vitany asa. Tokony hivoy koa ireo mpanao gazety ireo fa tsy milamina ny tànana.

- Atao ny tetika rehetra mba tsy hisian’ny “ Fivoriambe-faratampon’ny Firenena Afrikana”eto Madagasikara satria hoe misavorovoro eto..

- Tsy hisy hoazy araka izany ny fivoriamben’ny tany miteny Frantsay amin’ny 2010

- Tsy avela ho tody hatrany amin’ny fifidianana ity fitondrana ity fa tsy maintsy arodana alohan’izay. Satria mantsy amin’izay fotoana izay efa misy vokany betsaka eo amin’ny fiainam-bahoaka ny MAP ka ho sarotra ny handresy azy amin’ny fifidianana.

- Tsy maintsy mirodana ary tsy maintsy tafiditra ao anaty velam-pandrika ny fitondram-panjakana ka ny ambon-DRavalo no hamelezana azy.

- Asaina miteniteny foana ao amin’ny VIVA RATSIRAKA ary dia tsy maintsy hanidy an’ioTV io ny fitondram-panjakana.

- Aely ny tsaho fa ho samborina I Andry TGV. Io fisamborana azy io no tena tadiaviny mafy hatreto.

- Hetsehina amin’izay ny vahoaka mba hitaky fa tsy misy ny “ DEMOKRASIA” eto Madagasikara..

- Ampiasaina ny radio VIVA, Ny radio ANTSIVA, ny TV Plus, ny La Gazette de la Grande ile , ny LA verité sns mba hitarika ny olona hanaraka an’I TGV sy hanaratsy fanjakana.

- Ny resaka atao dia hanamboarana ny sain’ny olona mba hankamamy indray eo amin’ny sehatra politika ireo goaika antitra very seza efa fantatra.

Fa ity no tena loza : Ny « LOJIKAN’NY FIFANDONANA » tetikadin’i Andry Rajoelina miaraka amin’ireo mpanao politika tranainy sy ny firenen-dehibe iray.

- Rehefa tsy mampiasa “FORCE” ny fanjakana dia terena hanao izany mba hisy faty olona indray eto Antananarivo.

- Noho izany dia taritina ny olona hirohotra hanao ankeriny hamoa ny TV VIVA. Efa misy mpitarika nahazo vola hanao an’io. Tsy maintsy hampitandrina ka hanao tifi-danitra sy hampiasa fitaovana mampilatsa-dranomaso ny mpitandro ny filaminana. Ary eo no hisy karamaina hitifitra ny vahoaka ary dia hovelona ny saritaka. Iodia tsy mazava na ao amin’ny tafika no voakarama na ao anaty vahoaka hanao an’io fitifirana io.

- Raha tsy mety ny eny amin’ny VIVA dia taritina ho eny amin’ny Ministeran’ny Vola indray ny vahoaka, sady efa eo akaiky eo rahateo Ambahitsorohitra, mba hitaky ny fialan’ny Minisitry ny Vola hono araka ny resaka efa nataon’i Roland Ratsiraka sady naverin’I Andry TGV teo Ambohijatovo. Tsy maintsy hampitandrina ka hanao tifi-danitra sy hampiasa fitaovana mampilatsa-dranomaso ny mpitandro ny filaminana. Ary eo no hisy karamaina hitifitra ny vahoaka ary dia ho velona ny saritaka syny savorovoro .

- Hampiaka-peo toy ny fanaony avy eo ireo mpanao politika toa an-dry Daniel RAMAROMISA sy ny forongony mba hitaky ny tetezamita hiverenan’ireo mpanao politika saribakolin’ilay firenen-dehibe eo amin’ny fitondrana.






Vokany :

- Mbola hanjakazaka eto amin’ny firenena io firenen-dehibe io satria hiverina ireo saribakoliny.

- Mbola vao mainka hahantra ny vahoaka satria hitsitongana ny vola gasy noho ny fikorontanana hatao eto amin’ny firenena. Mbola tombotsoan’ilay firenen-dehibe ihany io.

- Tsy hisy ny fandrosoana eto satria hiady saritaka indray ireo mpanao politika izay hiady seza samy hilaza fa izy no namono ny voay. Tsy ny rehetra anefa no hahazo seza, fa izay efa votendrin’ilay Firenen-dehibe ihany.

Ny fitiavako tanindrazana no nanosika ahy hilaza izao tsiambaratelo izao aminao mba hilazanao ny havanao mba tsy sanatria no ho lasa sorona ho fatifaty foana na haratra foana hampiakatra an-dry zalahy eo amin’ny sezany. Raha anisan’ireo nahazo vola moa maninona, fa raha entim-po amin’ny resabe no tena mampalahelo. Tsy misy mahay manao fahagagana eto ka afaka hanafoana ny fahantrana ao anatin’ny taona vitsivitsy.

Azonao porofoana amin’ny zava-misy ireo voalazako ireo. Ny fanompoam-pivavahana saika natao teo Ambohijatovo. Ny fanokanana ny kianjan’Andohalo izay natao kimaimaika, hany ka vao avy ny orana dia nirodana. Ary ny nampalahelo aza nandratra olona mihitsy io firodanana io satria nianjeran’ny tafo tao ireo olona sendra nialoka. Tsy efa fambara ataon’Andriamanitra ve io. Iza no namatsy vola nanamboarana io kianja io ? moa tsy ilay firenen-dehibe ve ? Nahatadidy rahateo ny isika fa tsy io mihitsy ny planina nasehon’I Andry Rajoelina fony izy nanao propagandy tamin’ny fifidianana ho ben’ny tanàn’Antananarivo. Mihevitra izy mantsy fa tsy nisy nahatadidy ireny. Ny sarintsarim-pitokanana ny kianjan’ny Demokrasia teny Ambohjatovo. Ireny rehetra ireny dia mizotra any amin’ilay “lojikan’ny fifandonana hanaovana sorona indray ny vahoaka”.

Raha tia tanindrazana ianao dia aelezo ity amin’ny mailaka na amin’ny fomba hafa.

Tena ekena fa mampandroso ny DEMOKRASIA ary ny fototra lehibe amin’ireny dia ny fifidianana. Tsy misy afaka hilaza fa DEMOKRASIA ny fitarihana ny olona haka fahefana eny andalam-be!

Tsy misy afa tsy ny fifandimbiasam-pahefana amin’ny alalan’ny fifidianana ihany no filaminana sy fampandrosoana ny firenena.

Izay ny zava misy ka tokony handinin-tena ny Mpitondra sy Andry TGV !

Samia mandinika vao manao zavatra ho tombotsoa ambonin’ny firenena ! Mbola fotoana izao hieritreretana.

Ny Kristianina aoka hivavaka fa tandindomin-doza ny firenana.Tsy maintsy ho sambatra isika raha manana an’Andriamanitra ho tokin-tsika.

4. kidoropamba ( 26/01/2009 13:05)
hin!hin!hin!hin! Tazomy mafy ilay seza fa tsy aharitra ela io.
Aiza ilay vava be andra-Moxe fa tena nodoran-dry zalahy ny tranony. zay dia vita, ray sy valo e. Ilay rasista be iny tsy nisy niaro.
Mbola ho avy koa ny an'ireo ministra ireo. Tena marina ilay nolazain'ny Annie hoe misy mersenera vahiny (avy ato afrika atsimo) no tonga eto satria teny anglisy ny baiko nomena an'ireo misarotava namotika an'i VIVA omaly alina. Raha toa ka ny miaramila gasy dia mahay miteny anglisy be dia ireo mpikarama an'ady no tany.
Tsy koi izany fa ny vahoaka ato dia tena tezitra e.

Potepoteho any ity halatra nataondravalo ity e. Doroy zalahy e!
PEHO!PEHO!PEHO!
5. tsiafoi1 ( 26/01/2009 14:38)
Zao ve ny toen-tsaina entina mitondra fitondrana!!!! Gravy be le izy tena jiolahy mpandroba mihitsy.
6. tsinjo ( 26/01/2009 15:19)
diavolan-ko lava ny lalao mbola ho ela e, mahita ilay filohanay tsy miteny sy mbola miantra fo dia manararaotra ery . Ho avy amizay ny tsy mety fa ndao mou e

Tairo amizay ny action fa ohatra ny miseho milay ery ry zalahy ka tsy milay mitsy le film kle
7. harry5 ( 26/01/2009 15:24)
kidoropamba:

Aiza nareo e. May ny tanàna ato. Mitady hery ravalo ka dia io nomenay ny tena herinay vahoaka.
Potehina ny halatra rehetra nataondravalo.
Hitondra ho aiza moa ity ravalo ity raha ny hatezeram-bahoaka no mamely azy.

Tena ataonay mahamay mihitsy izay misary adala ato e.

POTEHO ANY ITY FITONDRANA ITY RAHA HANABOTRY VAHOAKA E; Izay sty faly mibotsimbotsino fa ny vahoaka ato dia efa tena tezitra.

RAVALO ô, miala moramora ianao fa ataonay haza lambo raha mitady hidongy eo.
VITAO!!!!!

MAY NY MBS ? NY TVM; RNM;NY ROVA , NY VAHOKA MALAGASY KOA MAY SI NY FAHATRANY MAMPLAHELO TY TANINDRAZANA MARINA VE REO OLONA REO MAMPALAHELO, SA VE FITADIAVAN MBOLA SY SEZA HOAN IREO VERY NA MBOLA MITADY ??

8. winner ( 26/01/2009 15:51)
Zogasy, misaotra anao nanazava an'le lojikan'ny fifandonana fa misy hoeritreretina
9. xxx ( 26/01/2009 15:56)
Marina letsy zany ravolo a ! ka ry kidoro nge tim very seza e norme be reny ra mirogirogy ary ry zala any Frantsa koa efa kely sisa ny saosy de de atao ze hodina hangalarana ndray e ! I renimalala koa moa mody fanina fa io mitsy no mikatsaka ny hampahantra ny gasy mba ahamora ny fidirany ao mbola lava ny resaka aleo hande jerena fa ny maivana sy ny tia tena de faly @ fahorian'ny maro
10. xxx ( 26/01/2009 15:59)
Efa tsy mahantra mbola simbaina ndray ny fananana, mampalahelo a isika ry gasy, i TGV anga ahantra eo fa nareo ihany no fay eo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0588