Tsy andrimasom-pokonolona akory

1. hery ( 26/01/2009 04:45)
Mampalahelo ihany raha mitonona ho andrimasom-pokonolona ireo olona izay mpanohana ny TGV ka miantsoantso sy manakorontana tamin'ny alina tao Antananarivo.

Fa angaha tamin'izany ny andrimasom-pokonolona nanimba zavatr'olona tahaka ny amin'izao? Andrimasom-pokonolona tamin'izany dia nianteherana niambina fananan'olona. Amin'izao misy tonga dia toraham-bato fotsiny ny fiaran'olona mandalo te hody satria hono tsy manaraka ny fanentanana.

Rariny raha miantsoantso ny vahoaka hoe sambory izay manakorontana.

Fa tadidiko ihany ny olona nitora-bato sy nandorondoro zavatr'olona ohatra an'ireo ka. Aiza no niafarany? Tsy mety tafody foana.
novalian'i xxx ny 26/01/2009 11:41
2. hery ( 26/01/2009 04:47)
Ary be olona ihany nitsena :-)

Ireo olona ireo izao maro no tsy tia Ravalo fa vokatry ny ataon'i Andry TGV dia lasa tia Ravalo tampoka tssss.

3. dadasy ( 26/01/2009 04:53)
Miezaka manisa aho eto fa tsy mahaisa! fa 5000 ariary isan'olona, HONO, no nomena ireo! ka tsy foana ve ireo vola marobe ambiny tao @ banky foibe raha izany? Ary tsy maintsy misy ambotaiazy-na bus be da be any ambadika any zao, satria, HONO, olona notaterina daholo koa ireo! Henjana ihany ilay loharanom-baovaontsika indraindray ka! Fa raha ireo henoko t@ radio sisin-dalana ireo de sarotsarotra ho ahy ihany no hino an'izany! asa nefa moa! manana ny loharanom-baovaony izy matoa sahy nampiely an'izany!
4. tsiafoi1 ( 26/01/2009 06:40)
Ka ny olona anie na tsy miteny sy mi-wawawa eny an-dalam-be aza mba mandinika sy misaina ihany izay mahasoa ny fiainany isan-tokantrano e...

Efa fomba fiadin'ilay raikalahy taloha le mandoto rano, tsy atao mahataitra ny toy izany... Aleo handeha ny élection de any indray mahita ny tohiny tantara... Fa le mampisavorovoro fiainam-bahoaka noho ny fitiavan-tseza kosa aloa TSY AZO EKENA MIHITSY.

Tokony hieritreritra sy handinika lalina i TGV. Tanora fanahy loatra ka entanin-kafanam-po diso toerana, hany ka mora ho an'ireo very seza politika, ny nijapy azy... Mety ihany koa diso matim-bola loatra Ra-TGV, ka tsy henatra tsy tahotra de vonon-kilalao fiainam-bahoaka... Ny tokonana tsy afaka ka ny Tafo no hanihina... MORAMORA IHANY FA NY TANY HINDRAMINA
5. rixes ( 26/01/2009 06:46)
ka ireo olona nitsena ireo anie efa miadana daholo e! mety efa manana 4L iray avy ireo mikarama volabe ny fijery an'ireo olona ireo . Miasa mafy miasa tsara mihinan'i .... =))
6. ravatorano ( 26/01/2009 07:20)
Samy maro aloha ny olona tonga nitsena an'Ingahy Ravalomanana sy ny olona tonga teny amin'ny 13 mai nanohana an'i "zandrikely" Andry Rajoelina !
ary tena be olona kay eto Antananarivo eto ah ankoatran ireo nijanona tany antrano sy teny andalambe rehetra teny !
ka ho avy eo amin'ny 13 mai ary v i zandrikely anio maraian e !
miandry isika !
fa mampalaelo lery fa najabaky ny sasany mihitsy ! najabaky ny mpikarama polifika lery d nentikafanampo marina e
7. bozyboleta ( 26/01/2009 07:21)
Ny miasa tsara sy miasa mafy de tsy maintsy mahazo ny valin-katsembohany ary tsy maintsy mihinana ny sakafo sahaza ho azy.

Tsy vitan'ny nampalahelo fotsiny ny zava-nitranga omaly fa tena naharikoriko.
Raha iny hody avy teny Ivato iny dia nisy andian'olona teo Mamory nihorakoraka sy nihogahoga eran'ny sisin-dalana, ary nandrora ireo olona tanaty fiara nandeha mora t@ ambotaiazy. Izaho sy ny zanako dia anisan'ireo voarora mandram-panidy ny fitaratry ny fiara.

Ny azoko antoka satria natrehako aloha dia tena karazana jiolahimboto sy jiolahimbavy ireo teo Mamory omaly ireo ary tanora sy ankizy vatombantony.
8. barry ( 26/01/2009 08:38)
zany aloha dia azo heverina ;fa ireo olona faikany reo ihany no azotolotolorana sy adaladalaina
9. rixes ( 26/01/2009 08:53)
ravatorano:

Samy maro aloha ny olona tonga nitsena an'Ingahy Ravalomanana sy ny olona tonga teny amin'ny 13 mai nanohana an'i "zandrikely" Andry Rajoelina !
ary tena be olona kay eto Antananarivo eto ah ankoatran ireo nijanona tany antrano sy teny andalambe rehetra teny !
ka ho avy eo amin'ny 13 mai ary v i zandrikely anio maraian e !
miandry isika !
fa mampalaelo lery fa najabaky ny sasany mihitsy ! najabaky ny mpikarama polifika lery d nentikafanampo marina e


efa teo @ 13mai i Andry teo milaza ho eny @ Tribunaly anosy .
10. naughtyboy ( 26/01/2009 10:51)
ary mampalahelo ihany ko fa averiko ity voalazako tatsy ambadika ity raha olona nokaramainy i le8 mody antsoina @ anarana or TGV manao andrimasompokonolona no nahavita fanakorotanana ka ny tsy manatsiny no voahosompotaka ,tsy ratsy kalo le scénario an'i le8 nefa hainy daholobe ny manavaka ny film sy ny zvmisy,ireo marivo saina moa dia voarebirebiny
Ny fanafahana ny tanindrazana dia tsy maintsy ho tanteraka ,tsy ampinoana fotsiny ihany fa @ fahatokisana tanteraka ny hetahetambahoaka ,averiko ihany fa tsy an'i Iarivo fotsiny ity tolona ity na i Andry TGV fa i Madagasikara tia hiavotra sy hitolona @ fahantrana anlentiky ireto fahavalombahoaka @ fitondrana i le8 sy ny tariny ,tsy asiana resaka betsaka ny ratsy efa vitany t@ tany sy lalàna fa fantatry ny daholobe sy ny any ivelany...
Dia hieritreritra ve fa tsy ho azony rehetra veroka ny zvniseho marina nandritra ny fanentanana nataony TGV sy ny mpanohitra teto andrenivohitra ,
aoka isika no handinika fa ity ny sarisary antsaina amphazava ny niseho marina
Iza no manana porofo eto sy nahatratra ireo lazaina fa mpanakorotana omaly iny,nisy ve ireo tratra na nitonona anarana ho nahatanteraka izany avohay eto izany raha fandresena lahatra no tadiavina fa tsy fanosorampotaka an'i Andry sy ireo mpiaradia aminy fotsiny ,fomba fiady tsy vaovao avy @ le8...
-Amiko dia tsotra ,nahoana no tsy mahatoky ireo mpitandro ny filaminana intsony le8 fa nitondra mpikarama an'ady avy any ivelany toy ny nataony sy ireo zanadambo teto antoerana efa misy fizarazarampahefana mikotrika aoa anaty fitondrany @ izao fotoana ,tsy fifampitokisana
-Tsy sarotra anie ny mandefa sy manakarama mpanakorotana ary ampisalorina ny anarana oe TGV izy ireny ,satria tsy bado ny malagasy ka azo ambakaina dia atao antsokosoko izany mba hahamora ny fanendrikendrehana
-Tsy sarotra anie ny manakarama ireo TIM hitsena an'i le8 toy ny t@ androny AREMA ka ilaza fa misy mitia ilay efa aloany vahoaka nifidy azy 2 taona
-Nahoana raha olony adihevitra i le8 tsy manangana ny fampihavanana politika @ alalany resaka ambony latabatra @ ireo mpifanandrina aminy fa fisamborana no ampihorohoroana azy ireo , tsy mihaino ny hetahetambahoka izany ary tsy fanajàna koa ny lalànany fanehoankevitra malalaka nahoana noho ny tahotra @ ampamoaka @ ireo asa malotony
Koa ahirato ny SAINA ry ambanilanitra fa tsy orany fileferana intsony izao ary efa be no mahafantatra izany fa tsy rebirebena @ hevitra lomorina toy izao,
na iza izy na iza mahatsapa fa mila fiovana i Gasikara dia tsarovy fa orany FANDRESENA NY DIDY JADONA IZAO ka tsy manda intsony no arodana fa zozoro efa boboka ny lainga sy fitaka,tsy manohana ny TGV na ankolafy hafa ny tenanay fa miaraka mitolona ho an'ireto vahoaka eo ambany haratony fahavalompirenena
11. xxx ( 26/01/2009 11:41)
Tsy vitan'ny nampalahelo fotsiny ny zava-nitranga omaly fa tena naharikoriko.
Raha iny hody avy teny Ivato iny dia nisy andian'olona teo Mamory nihorakoraka sy nihogahoga eran'ny sisin-dalana, ary nandrora ireo olona tanaty fiara nandeha mora t@ ambotaiazy. Izaho sy ny zanako dia anisan'ireo voarora mandram-panidy ny fitaratry ny fiara.

Ny azoko antoka satria natrehako aloha dia tena karazana jiolahimboto sy jiolahimbavy ireo teo Mamory omaly ireo ary tanora sy ankizy vatombantony.


ohatr'ireny film ireny e, tsy milay rah hoe milamina tsara ny fandehan'ny film, fa mba hampisy ambiance mijery azy de mody asiana scenario isankarazany e,
efa fantatra zao ve ny fomba fiadin'le fitondrana de mbola hitonontena any ireo oul ireo hoe indreto zahay sambory rah tsy oul avy ao aminy any ireo?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5151