Andry rajoelina mampihomehy...

1. hery21 ( 22/01/2009 10:36)
Objet : Ny mety hiseho eto amin'ny firenena: Lojikan'ny fifandonana

Objet: Fw: Lojikan'ny fifandonana

Mety efa fantatrao fa tsara vakiana ihany fa mikasika ny raharaham-pirenena.

Mazotoa daholo!

Rolland


--- On Mon, 1/19/09, Raharizafisoa Zo wrote:

> From: Raharizafisoa Zo
> Subject: Lojikan'ny fifandonana
> To: zo_razafiharisoa@yahoo.com
> Date: Monday, January 19, 2009, 12:02 PM
> Ny « LOJIKAN’NY
> FIFANDONANA » tetikadin’i Andry Rajoelina miaraka
> amin’ireo mpanao
> politika tranainy sy ny firenen-dehibe iray..
>
> Mpianatra ety amin’ny
> Oniversite ny tenako. Tamina mpianatra eny amin’ny
> Oniversite iray antsoina hoe
> “Dominique” na “Radomi” no nandrenesako izao resaka
> izao ka tsy mandry ny
> eritreritro raha tsy manaparitaka azy aminao. Diniho ny
> zava-misy ,fa ny
> tantara no hitsara.
>
> Efa volana maromaro no
> niketrehan’I Andry TGV ny tetika. Ny tanjona dia ny
> handrodanana ny fitondrana
> amin’ny “fitakiana an-dalam-be”. Ny vola efa nahazo
> betsaka, ny fitaovana izay
> ilaina misy. Ka izao no paik’ady:
>
> - Vidina ny Radio sy TV
> RAVINALA ka soloina VIVA hahafahana manamboatra tsikelikely
> ny sain’ny vahoaka
> hankahala ny fitondrana sady hanaovana ny propagandy
> hahazoana ny
> fitondrana ny tanànan’Antananarivo ( Ben’ny tanàna).
> Tamin’izany no efa nisy
> nilaza fa volan-DRatsiraka sy Pierrot Rajaonarivelo no
> nampiasainy fa tsy nino
> ny olona.
> - Tsy ho resy vetivety ny
> fahantrana ka io no asaina ventesin’ny mpanao politika
> izay miteny.
> - Kitihina ny fanavaozana ny
> fianarana ary averimberina fa fanagasiana tamin’ny 72 io.
> Hatao fitaovana
> amin’izany ny Katolika izay ao ambadik’ilay firenena
> tsy tononina.
> - Karamaina ny mpianatra eny sasantsasany eny
> amin’ny Cité Ankatso mba hanamboatra
> “cocktail Molotov” hatsipy handoroana tranom-panjakana
> - Karamaina ny jiolahy handroba
> fananan’olona mba ilazana fa tsy misy fandriam-pahalemana
> eto.
> - Karamaina ny olona maro mba
> hitarika fihetsiketsehana any amin’ny faritra sy hitarika
> grevy.
> - Vidina vola ny mpanao gazety
> maro mba hivoy ny hevitra fankahalana fanjakana sy hivoy fa
> sakantsakan’ny
> fanjakana i Andry TGV amin’ny fanatanterahany ny asa maha
> ben’ny tànana azy
> hany ka tsy vitany asa. Tokony hivoy koa ireo mpanao gazety
> ireo fa tsy
> milamina ny tànana.
> - Atao ny tetika rehetra mba tsy
> hisian’ny “ Fivoriambe-faratampon’ny Firenena
> Afrikana”eto Madagasikara satria
> hoe misavorovoro eto..
> - Tsy hisy hoazy araka
> izany ny fivoriamben’ny tany miteny Frantsay amin’ny
> 2010
> - Tsy avela ho tody hatrany
> amin’ny fifidianana ity fitondrana ity fa tsy maintsy
> arodana
> alohan’izay. Satria mantsy amin’izay fotoana izay efa
> misy vokany betsaka eo
> amin’ny fiainam-bahoaka ny MAP ka ho
> sarotra ny handresy azy amin’ny fifidianana.
>
> - Tsy maintsy mirodana ary tsy
> maintsy tafiditra ao anaty velam-pandrika ny
> fitondram-panjakana ka ny
> ambon-DRavalo no hamelezana azy.
> - Asaina miteniteny foana ao
> amin’ny VIVA RATSIRAKA ary dia tsy maintsy hanidy
> an’ioTV io ny
> fitondram-panjakana.
> - Aely ny tsaho fa ho samborina
> I Andry TGV. Io fisamborana azy io no tena tadiaviny mafy
> hatreto.
> - Hetsehina amin’izay ny vahoaka
> mba hitaky fa tsy misy ny “ DEMOKRASIA” eto
> Madagasikara..
> - Ampiasaina ny radio VIVA, Ny
> radio ANTSIVA, ny TV Plus, ny La Gazette de la Grande ile ,
> ny LA verité sns
> mba hitarika ny olona hanaraka an’I TGV sy hanaratsy
> fanjakana.
> - Ny
> resaka atao dia hanamboarana ny sain’ny olona mba
> hankamamy indray eo amin’ny sehatra politika ireo goaika
> antitra very
> seza efa fantatra.
> Fa ity no tena loza : Ny
> « LOJIKAN’NY FIFANDONANA » tetikadin’i Andry
> Rajoelina miaraka
> amin’ireo mpanao politika tranainy sy ny firenen-dehibe
> iray.
> - Rehefa tsy mampiasa “FORCE” ny
> fanjakana dia terena hanao izany mba hisy faty olona indray
> eto Antananarivo.
> - Noho izany dia taritina ny
> olona hirohotra hanao ankeriny hamoa ny TV VIVA. Efa misy
> mpitarika nahazo vola
> hanao an’io. Tsy maintsy hampitandrina ka hanao
> tifi-danitra sy hampiasa
> fitaovana mampilatsa-dranomaso ny mpitandro ny filaminana.
> Ary eo no hisy
> karamaina hitifitra ny vahoaka ary dia hovelona ny
> saritaka. Iodia tsy mazava
> na ao amin’ny tafika no voakarama na ao anaty vahoaka
> hanao an’io fitifirana
> io.
> - Raha tsy mety ny eny amin’ny
> VIVA dia taritina ho eny amin’ny Ministeran’ny Vola
> indray ny
> vahoaka, sady efa eo akaiky eo rahateo Ambahitsorohitra,
> mba hitaky ny
> fialan’ny Minisitry ny Vola hono araka ny resaka efa
> nataon’i Roland Ratsiraka
> sady naverin’I Andry TGV teo Ambohijatovo. Tsy maintsy
> hampitandrina ka hanao
> tifi-danitra sy hampiasa fitaovana mampilatsa-dranomaso ny
> mpitandro ny
> filaminana. Ary eo no hisy karamaina hitifitra ny vahoaka
> ary dia ho velona ny
> saritaka syny savorovoro .
> - Hampiaka-peo toy ny fanaony
> avy eo ireo mpanao politika toa an-dry Daniel RAMAROMISA
> sy ny forongony
> mba hitaky ny tetezamita hiverenan’ireo mpanao politika
> saribakolin’ilay
> firenen-dehibe eo amin’ny fitondrana.
>
> Vokany :
> - Mbola hanjakazaka eto amin’ny firenena io
> firenen-dehibe io satria hiverina ireo saribakoliny.
> - Mbola vao mainka hahantra ny vahoaka satria
> hitsitongana ny vola gasy noho ny fikorontanana hatao eto
> amin’ny firenena.
> Mbola tombotsoan’ilay firenen-dehibe ihany io.
> - Tsy hisy ny fandrosoana eto satria hiady
> saritaka indray ireo mpanao politika izay hiady seza samy
> hilaza fa izy no
> namono ny voay. Tsy ny rehetra anefa no hahazo seza, fa
> izay efa votendrin’ilay
> Firenen-dehibe ihany.
>
> Ny fitiavako tanindrazana no nanosika ahy hilaza
> izao tsiambaratelo izao aminao mba hilazanao ny havanao mba
> tsy sanatria
> no ho lasa sorona ho fatifaty foana na haratra foana
> hampiakatra
> an-dry zalahy eo amin’ny sezany. Raha anisan’ireo
> nahazo vola moa maninona, fa
> raha entim-po amin’ny resabe no tena mampalahelo. Tsy
> misy mahay manao
> fahagagana eto ka afaka hanafoana ny fahantrana ao
> anatin’ny taona vitsivitsy.
>
> Azonao porofoana amin’ny zava-misy ireo voalazako ireo.
> Ny fanompoam-pivavahana saika
> natao teo Ambohijatovo. Ny fanokanana ny kianjan’Andohalo
> izay natao kimaimaika, hany ka vao avy ny orana dia
> nirodana.
> Ary ny nampalahelo aza nandratra olona mihitsy io
> firodanana io satria
> nianjeran’ny tafo tao ireo olona sendra nialoka. Tsy efa
> fambara
> ataon’Andriamanitra ve io. Iza no namatsy vola
> nanamboarana io kianja io ? moa
> tsy ilay firenen-dehibe ve ? Nahatadidy rahateo ny isika
> fa tsy io
> mihitsy ny planina nasehon’I Andry Rajoelina fony izy
> nanao propagandy tamin’ny
> fifidianana ho ben’ny tanàn’Antananarivo. Mihevitra
> izy mantsy fa tsy nisy
> nahatadidy ireny. Ny sarintsarim-pitokanana ny kianjan’ny
> Demokrasia teny Ambohjatovo.
> Ireny rehetra ireny dia mizotra any amin’ilay
> “lojikan’ny
> fifandonana hanaovana sorona indray ny vahoaka”.
>
> Raha tia tanindrazana ianao dia aelezo ity
> amin’ny mailaka na amin’ny fomba hafa.
>
> Tena ekena fa mampandroso ny DEMOKRASIA
> ary ny fototra lehibe amin’ireny dia ny fifidianana. Tsy
> misy afaka hilaza fa
> DEMOKRASIA ny fitarihana ny olona haka fahefana eny
> andalam-be!
> Tsy misy afa tsy ny fifandimbiasam-pahefana
> amin’ny alalan’ny fifidianana ihany no filaminana sy
> fampandrosoana ny firenena.
>
> Izay ny zava misy ka tokony handinin-tena ny
> mpitondra sy Andry TGV !
> Samia mandinika vao manao zavatra ho tombotsoa
> ambonin’ny firenena ! Mbola fotoana izao hieritreretana.
> Ny Kristianina aoka hivavaka fa tandindomin-doza
> ny firenana.Tsy maintsy ho sambatra isika raha manana
> an’Andriamanitra ho
> tokin-tsika.
> hery21
novalian'i manalazy2 ny 29/01/2009 20:19
2. andrywui ( 22/01/2009 10:44)
de zay tenin'ilay Radominlah zay ve ry lety no mampivazavaza sy mampivovo mafy anlah eo nefa zavatra mety aforonon'i Radominlah tao ampandriana tao zany de eo elah no mampme vahoaka eo!! ze tena zavatra misy porofo sy voafehy tsara tenenina ry ngah fa tsy ze resak'i Radominla any a!! ndana atsoy izy de ndana laisany manao DOMY !! any manafina double6
3. ndenn ( 22/01/2009 11:20)
Diso kosa ianao ry andrywui raha manamaivana ny mety ahitana taratra ny mety ho fiovan-javatra , misy tenin'ny vahiny manao hoe : tsisy setroka tsy misy afo .Ka aleo aloha mba hamotopototra ny @ izany ny vahoaka ,dia ho hita eo ny ho vokany !
4. xxx ( 22/01/2009 11:24)
sambatra ialahy zany Radomy fa ho tafitan'ilety zany ny rediredin'ela tao ampandriana halina iny!! mba hanao koa aho letsy Radomy de omeko anile
HERY21 ty fa mahatafita hafatra lozatany le ngama
5. xxx ( 22/01/2009 11:26)
NDANA ATSOY ZANY RADOMY ONY DE NDANA LAISANY MILALAO DOMY DE ANY ONY LAISANY MIFANGALATRA DOUBLES6 FA ZAHAY ETO MBOLA MIRESAKA
6. barry ( 22/01/2009 11:48)
ty lay andrywuis ty koa mba may vava an :twisted: :twisted:
7. andrywui ( 22/01/2009 11:55)
ka lery ane manaratsy fotsiny tsy amin'ny heviny fa hevitr'olona e! de tsy maintsy omena ny tailana izy zany
8. xxx ( 22/01/2009 11:56)
ze rediredin-dra Domy tsy nahita tory halina avy ve de hanadalana lohambahoaka eto fa ndana miainga any ty
9. xxx ( 22/01/2009 11:58)
ary le ra hery21 tsa mamaly mitsy nefa efa voakiana be dagà le, sa mataoatra an'ile andryoui zay
10. rangorivao69 ( 22/01/2009 12:06)
ka le Andrioui angamba nahazo vola be t@ fitaritana ol teny Ambohijatovo de miaro mafy ny rambony, manantena valala hilatsaka eny andanitra hasiana sira
:lol: :lol: :lol: ento mora ihany lesy fa ny tany hindramina a!
11. andrywui ( 22/01/2009 12:18)
elah ary manao porno 69 tsy fampiseho masoandro ka aiza no hiresahana amlah!! olona vetaveta be io ! ovay alou ny ps vao mikozy ! fa voretra be ty ! azafady papaaaaaaaaaa!!!!!!
12. rangorivao69 ( 22/01/2009 12:24)
samy manana ny safidiny io bain a! aiza ary enao zany, hahahahahahaha! mora misondrotra tsssssssss! mora² lesy fa sao tapaka lalandrà eo elà ka ho sahirana indray TGV hitsabo anlà a! ho very olomanga iray eo izy!
sady PS anie lety io e! za zany mintsy e! OK lesy a!
13. andrywui ( 22/01/2009 12:34)
ka ra le kozy teo no tsy mahafaly an'ity de miaraha homana aminra hery21 an'io rediredind RADOMY io laisany zany fa za tsy mikopy anio zany ah fa resaka nataondRadomy hakana torimaso io!!!
14. rangorivao69 ( 22/01/2009 12:43)
ka rehefa tsy mikopy elà de aza miditra e! aza mamaly akory fa mankarary fo anlà fotsiny, hidinika ve lesy no hahatongavana eto de pseudo no tsikerainlà, mbola haveriko ihany hoe moramora bain fa ny tany hindramina a! ary raha misy fil kely mipika aminelà izay vao ho gravy eo ny hanjo anlà!
15. kidoropamba ( 22/01/2009 12:53)
Avelao hifandona any raha hanao jadona ity levalo ity e. Avelao ho raikitra ny ady satria io ihany no ahafahana manala an'ity jiolahimboto mitondra ny firenena malagasy any ankady ity.

Izy mpangalatra, mpanao varoboba ny tanindrazana, man,ao anstonjay, manidy ny radio rehetra sy ny TV izay tsy misy fanarahan-dalàna indray NO MANAO GISA MINAN-KETSA eo ka avo vava eo.

F'angaha heverinao fa moramora ny hamerenana ny 60 miliona dolara nomen'ny Daewoo? f'angaha moramora ny hanekendravalo hamerina ny HALATRA rehetra nataony???? tsssss! avelao ho raikitra ny rombo dia samborina ravalo e.
16. andrywui ( 22/01/2009 13:41)
HENOLAH VE ZANY BAIKO BE ZANY RY LE PORNO 69, MAMAY LAISANY REO F'ANGA OLONA AMANARIVONY FOTSINY NO HIAINGA EO!!
AMA TAPITRISANY NO HIARA HISAMBOTRA SY HANDRAVA AN'I RA8 KELINLA LETY RY LETY A
17. tsiafoi1 ( 22/01/2009 15:52)
Moramora ihany ry andrywui sy kidoropamba a. Aza ny fo wa no entina manao politika fa manaraha lojikan'ny tantara...

Tandremo fa sarin'ady mahavalalanina ny resaka politika ka ny mpitazana no indray ty no fanina ambony ihany
18. ravonjison ( 22/01/2009 15:54)
Misy fitenim-bazaha mano hoe : " Aza mifampitolona @ kisoa, samy ho feno fotaka ianareo, ny kisoa ihany anefa no mahatanty izany ".
Ka eritrereto tsara izay ataonareo.
19. xxx ( 22/01/2009 16:33)
Ary naninona no nitolon'omby ny gasy taloha ?? f'angah tsy maintsy mitolona vao afaka miresaka mazava sy mifanakalo hevitra , sa misy fanilakilahana kely n'enao zany ravonjison ?mba haposay koa ny momba anao sy izay tena ao andohanao sao dé hadinonao rahampitso ,hiaraha-mamakafaka eto.
20. nyavo2000 ( 22/01/2009 16:52)
Aleo ry ry leirony hanakorontana dia mibaby ny nataony ihany afaka volana vitsy fa vao maika hahantra ny malagasy raha mbola velon'aina @ korontana ataony amin'izany.

Izah aloha tsy mba manantena ny TGV ( tahaka tsy hanatenako ny TIM) hampanan-karena ahy , ny asako ny fikirizako, izay ihany...

Aleo zahay hiaina milamina

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0087