Aiza no toerana misy nositsika sy ny malagasy @ izao fotoana

1. naughtyboy ( 21/01/2009 10:23)
fiangaviana anreo izay tsy tia soratra lavabe aza vakiana re tompoko azafady fa tsy ilainao akory:-D
Taona 2009 ,raha ny velarantany sy ny fitomboany vava homana(2,8%) no anombohana ny resaka dia 3 km2 isan\'olona @ ireo mponina 18 millions no fitsinjarana azo.Ny filaharana aratoekarena @ Doing Business World Bank dia 144/181 erantany
tsy itanisa ireo fahorina akory no ahatongavako fa tsotra, mangotraka tokoa ny fitotongany fahefamividy sy fiakarany vidimpiainana ary ny fahantrany valala be mandry,raha mihamitombo ny zaza teraka dia mila politika mitsinjo ireo vava homana ,izay no zvmisy raha ny tany mandroso no jerena ,mifanohitra ao amintsika noho ny fahefahamividy izay mandohalika tanteraka manoloana izany ,esory ao antsaina aloha ny rediredy fanaony mpampandry adrisa oe ihamora ny vidimpiainana ,fijery tsy miangatra no entiko(realistic)eto

-Raha tsy miakatra io fahefamividy sy ny fiodinany tsenambola/monetisation
(izay 70% ny mponina dia tsy ao anatiny io tsenambola miodina io,fa mivelona @ takalo arabarotra,sy ny vokatra)dia tsy ho tanteraka ny famatsiana vola anatiny sy ny politika mitsinjo ny vava homana)
Oh.omeko @ izany fahitantsika matetika refa miakatra ny vokatra na misy bizna tonga @ faritra 1 dia miteraka fidirambola hafa iny(asa antselika ,mpivarobarotra isankarazany..)izany oe miodina ho azy ilay masinina
arabola eo @ io toerana io(izay le circuit monétaire)...hitohy...
2. TWING ( 21/01/2009 10:35)
miandry ny tohiny fa tena tsara ilay fandinihana.

3. naughtyboy ( 21/01/2009 10:57)
misy koa ireo famatsiambola avy any ivelany izay mirangorango ny ho tonga inona no sakana ho azy ireo?
1. ny tsy fahamarinatoerana ny ivony politika entiny fitondrana
2. Litiges fonciers(ialantsiny fa tsy ananana dikanteny)izay mampikatso ny vinavin\'asa marobe te hiditra eto ary ny tsy fampiharandalàna sy ny fanajana rariny asehony fitondrana ka hita taratra hatrany ivelany(araka ny tatitra nomeny IMF representative P.van den Boogaerde sy C.Boidin EU ambassador)
raha eo @ macro economy indray no resahina na dia mitombo aza ny famokarana sy ny fanondranana vokatra tato ho ato satria mihena ny fidimpitannterana(noho ny tinady erantany)dia niakatra ny vidiny vokatra letchie,cacao,girofle,vanilla... iza no nitavana azy ireny?????? tsy ny mpamokatra velively fa ireo orinasany mpitondra manao ampihimamba ny vidny sy ny fanondranana azy
3.ity resaka décentralisation ity dia resabe fotsiny satria na ny fahefana manapaka isantoerana sy ny fahatokisana omena ireny vondrona isaparitra ireny aza dia mboka centraliser-ny TIKO sy MAGRO ,mihena ny partenariat @ secteur privée sns..
4. Fampakarana ny pression fiscale ,impots aradrariny sy hitsiny isambatan\'olona ,isaky ny orin\'asa nefa IZA @ izao fotoana no mahazo tsy ankijanona ny exonération nefa izany de natokana ny orinasa tsy mandeha tsy ny miroborobo
IZANY REHETRA IZANY no FAHASEMBANANA aradrafitra nentiny MAP ho antsika ka tsy azo ekena fa antony tsy mampandeha ny raharampirenena akoatry ireo ampihimamba marobe izay firy isanjatony 18 million malagasy...
efa fotoanany fifohazana izao arapolitika ry havana rehetra ka atrakao ny saina
ary mahereza daholo fa ny fandresena dia ho any maro an\'isa fa tsy ny olombitsy fahavalompirenena
4. tsiafoi1 ( 21/01/2009 11:18)
F'angaha vao izao no nisy an'izany e!!! Tsy zava-baovao anie zany fa na t@'ny andron'ny Boky Mena aza mbola pire lavitra noho izany e. Zao aloa no iainana de izao no tsaroana, "Mora manadino tokoa ny gasy"!!!
5. bozyboleta ( 21/01/2009 12:19)
Tena mbola be ny azo volena, azo trandrahana, azo aondrana sns...
Fa iza no hanao azy? raha Malagasy no manao de enjehina foana ary lazaina fa mpangalatra, mpangoronkarena, mpanambaka sns... raha vahiny moa defa lazaina koa fa mpanjanaka, mpiara-mikopaka @ mpitondra manararaotra ny fahasahiran’ny hafa sns...

Mila vola ny fampandrosoana ka izay manana re ampiasao: omeo asa sy karama sahaza azy ireo tsy manana.
Mila asa koa raha te-handroso ka raha tsy manambola ampiasaina de amidio ny herintsandry na ny ron-doha.
Za de anisan’ny miombo-kevitra @ reo manao hoe “Tsy lahatra akory ny fahantrana”. Tena tsy lahatra mihitsy ny fahatrana fa maro reo gasy mifidy ny hahantra.
Ny asa ihany no hihinana fa refa tsy hisasatra fa ilaozana mimenomenon-dava miandry miracle eo de aleo ho faty noana sy hahantra eo.
Tsy hisy fiainana handroso eo refa mbola KAMO na ara-tsaina na ara-batana ny 80% izay mpanao ariary zato am-pandriana.
6. naritsimba ( 21/01/2009 13:24)
Tena aleo tsoriko fa :
Maro ny te hiezaka hiompy sy hamboly ary anisan'ny manao izany ny tenako any Ambohibary Sambaina(Antsirabe) saingy ny mampalahelo dia ny rononon'omby dia tsy maintsy amidy @ TIKO, ary dia vidiany @ izay tiany hividianana azy.
Ny tany fambolena vary dia tadiavina alaina satria lazaina fa tanim-panjakana, raha mba mangataka tany ianao dia ampifilafilaina.
Fa nahoana rehefa ny hafa(vahiny) no mangataka dia vety² dia mivaly ny fangatahana?
bozyboleta> ny hafa no kamo, nefa kosa tsy tokony ho raisina safobemantsina fa jereo tsara hoe nanao ahoana nonahatonga azy ho kivy.
Kivy ny betsaka satria: raha miompy ianao dia misy ny dahalo, mamboly ianao simban'ny rivo-doza dia tsy tafarina, ny kely ananana tsy maharaka ny fitafian'ny ankizy sy ny sakafony, sns
TSy manome tsiny anao aho raha toa ka manana izay fomba fijery KAMO izay. Fa jereo @ maso tsy miangatra fa raha tena voatantana mazava ny volam-panjakana dia tena midina ny vidin'ny vary, raha alalahina ny menaka dia midina ny vidin'io, tsy sanatria akory ka hoe zarao ny vola, fa aleo halalaka ao anatin'ny aradalana dia samy mampiasa ny volany.
Maninona ny orinasa avy any ivelany no mahazo alalana vety² fa ny tera_tany tsy mahazo ?
Antsika no mieritreritra
7. tsiafoi1 ( 21/01/2009 14:00)
Pouvoir de plus fort foana ny fiaina ry Naritsimba, lojika tsy azo iodivirana izany, ka ampitomboy zay kely anananao fa aza ilaozana mialona ny an'ny hafa...

"L'argent appelle l'argent", lalan'ny business io, ka matoa mitombo ny eo ampelatanany de hainy ny nampiasa azy... Na ny soratra masina aza de mandidy ary milaza izany "Ampiasao ny talenta anananao, raha manana iray de ampitomboy ho roa, fa aza alevina", Fa ny kely anananao raha tsy ampiasainao de ho esorina aminao...


8. bozyboleta ( 21/01/2009 14:18)
Ka inn mihitsy ary no tadiavin'le gasy e!

Maro ny te hiezaka hiompy sy hamboly ary anisan'ny manao izany ny tenako any Ambohibary Sambaina(Antsirabe) saingy ny mampalahelo dia ny rononon'omby dia tsy maintsy amidy @ TIKO, ary dia vidiany @ izay tiany hividianana azy.

Fa maninn no hoe tsy maintsy? Raha mahita mpividy hafa de amidio @ mpividy hafa. Afaka tsy amidy koa rehefa tsy te-amidy aminy fa omeo ny kisoa na anasao tongotra...

Ny tany fambolena vary dia tadiavina alaina satria lazaina fa tanim-panjakana, raha mba mangataka tany ianao dia ampifilafilaina.

Tsy hoe ampifilafilainy fa tsy maintsy manaraka rafitra. Ka refa mora kivy sy kamo @ fikarakarana taratasy de aleo tsy mangataka. Fa io koa tsy omemem-poana
Ny tany aloha de tadidio foana fa an'ny fanjakana e. Na de anananao titre aza de mbola titre provisoire no anao fa rehefa misy ilan'ny fanjakana azy ho tombotsoan'ny besinimaro (intérêt public)de alainy. Otran'le hoe fanaovan-dalana. Ao anatin'ny lalanan'ny fananantany koa ny hoe fanajariana ny tany (mise en valeur). Na efa anao aza io fa tsy ampiasainao de azon'ny fanjakana alaina.
Kivy ny betsaka satria: raha miompy ianao dia misy ny dahalo, mamboly ianao simban'ny rivo-doza dia tsy tafarina, ny kely ananana tsy maharaka ny fitafian'ny ankizy sy ny sakafony, sns

De aza manao ninn ninn satria misy lafy ratsiny daholo ny zavatra rehetra. Vao tafitohina kely mianjera de tsy te-handeha intsony sao potraka eo indray.

Tsy manana fijery miabo mitsy nareo zany fa toa fatalité ny fiainana!!!
Ka olona otran'izany ve handroso rahoviana???
Miracle mon ami!
9. xxx ( 21/01/2009 19:10)
Valiny tsotra no azo tenenina an'i naugthyboy ,tsy aiza iMada fa ao @ ranomasimbe indiana. :-D :-D :twisted:
10. naughtyboy ( 22/01/2009 02:40)
hay ve ry xxx, =)) fa izao ny aratsosialy ko zany sy politika tsy maintsy fantarina ary arakoltora ny toerany erantany sa ahoana?? :-P
11. naughtyboy ( 22/01/2009 02:46)
tsiafo > raha ratsy i deba i le8 dia tena ratsy lavitra noho izy,tsy ny salan'isa aratoekarena fotsiny na fitomboany fahabadoany zaza malagasy na ny hanoanana sy halabotry fa ny rehetra miseho dia tsy fahaizamitantana sy fahaizamitsinjo ary fitiavantenany manokana ,tsy azonao ovaina ny hevibahoaka @ izany fa mazava tsara aminy daholo ireny..ekeko ilay lojikanao oe mahaiza mampiasa ny kely ananana NEFA ilay kely eo aminao mintsiny no robainy indray .....eo no olana ;-)
12. naughtyboy ( 22/01/2009 03:12)
izaho kosa tsy mijery mitanila fa misy tena fahamarinany ireo ohatra nolazainy naritsimba izay sakana lava @ fiezahany isambatan'olona aratoekarena

-Oh. nahoana no TIKO no monopoliser-ny vidiny vokatra tsy ronono ihany fa na ny fambolena aza,satria avarapatana no misy azy ka ampihena voalohany ny fifaninana sy famokarana izay tokony hiroborobo ,tsy misy anefa afaka manaramaso izay vidiny apetrany :arrow: DISO tanteraka tsy aferan'olombitsy akory izy io fa iankinany aimpirenena ,zv moa périssable ka tsy maintsy amidy haingana izany hoe varotra terena,aiza kosa dia oe anasao tongotr refa tsy misy mividy sao dia mafy loatra izany latsa izany???

-Ireo bodongerina ataony fitondrana momba ny tanimbahoaka isankarazany misy communiqué sy fehezandalàna nge miaro ny andaniny sy ankila
ny @ ireny projet foncier ireny e,fa tsy resaka be sandry fotsiny indrindra fa tany ilaina sy ampiasaina izao

-Tena marina daholo ireny ahiahy mampihemotra ny any ambanivohitra izay averina idray fa 75% ny mponina,tsy tokony hiaina ampitahorana ireo @ fiainany sy asa amandraharahany noho ny olondratsy satria ao ny fitondrampanjakana izay manana andraikitra lehibe hiaro ireo olompireneny eo @ taniny ZONY izany ,ka ireo natao hiaro mintsiny aza no dahalo manafika ny harempirenena rehtra ka aiza no hiafarantsika
lojika mazava be izany fa tsy hakanosana ireo sombiny fotsiny ireo fa na
te amokatra tahaka ny inona aza ianao dia tsarovy fa ny natao hiaro anao indray no mandroba ny kely any aminao TSIA TSIA
tsy handroso na oviana na oviana ny firenena toy izany noho IZA ireto olombitsy manapatra fahefana sy mameno paosy ,ireny rangory fototry ny afo ireny aloha no esorina voalohany satria ny finiavana dia ao fa ny tokony hanampy hamaha olana indray no tena vato misakana @ izao fotoana ireto mpitsetsitra ny hasasarambahoaka ireto
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0072