Volako mandehandeha ialahy

1. niryna ( 15/01/2009 05:42)
Hatramin'izao dia mbola fiteny foana io rehefa misy olona miampita ny arabe ka tsy mijery fiara dia izy indray no avo vava e. Ity indray dia hafa fa fotoanan'ny neige moa izao ka tena malama ny lalana raha toa ka tsy voasoroka ,tsy maintsy sorohana izany ny tandrifin'ny tena na raha tsy manana trano dia ny tompontrano no manao izany na koa raha mipetraka ny building dia efa misy olona karamaina manao izany. Fa maninona no tsy maintsy sorohana ? voalohany indrindra aloha dia mampianjera rehefa tena mangatsiaka satria lasa mivadika glace ilay izy ary ny faharoa dia volan'ny olona mandehandeha hianao raha toa ka eo amin'ny tandrifin'ny tranonao izy no nianjera ka tsy nisoroka ilay lalana hianao,azony alaina sary izany ary dia izay fotsiny dia afaka mitory izy .
Inona koa ny any aminareo ? volako mandehandeha ialahy ? hi,hi :D na hoe tsy azo atao fa voan'ny sazy ?
ohatra hoe ny tain'alika tsy raofina raha tratra dia vola be no aloha
ny tavoahangy sy ny taratasy tsy azo atao toerana iray fa raha tratra dia mandoha vola rehefa manary azy.
ny fanariana fako eny amin'ny arabe dia natao anariana ireny sakafo hohanina eny an-dalana ireny sy ny tavoahangy fa raha arianao ao ny fako ao an-tranonao ka misava ireny mpaka fako ireny ka mahita ny anaranao sy ny adiresinao dia efa mamay ianao izay fa mandoha vola

(l) niryna
novalian'i xxx ny 23/01/2009 09:20
2. Mirananirina ( 17/01/2009 14:18)
Hono hoa ry Niryna,tsy mahita holazaina intsony ve ianao e,sa inona no tianao hotenenina,FAHADIOVANA sy FAHALALANA ve sa inona
3. Koditra ( 18/01/2009 11:02)
Niryna : nenà zao ato atrano mbola feno tavoangy-na botakely nosotroina t@ kifetifety ireny, mbola volako mandendé aby reo refa averina any @mpivarotra a! :-D :-D
4. Mirananirina ( 19/01/2009 16:12)
Averina any aminy mpivarotra aiza ry Koditra,fa mba ateriko koa ny ahy.(plastique an) :lol: :lol: :lol:
5. Koditra ( 19/01/2009 18:05)
Eny @ Epicerie re! Ra lé tavoangy plastiq EAU VIVE madio be tsy mbola nividianana kafé na lasantsy reny ndray dia Ar10 ny iray fa mandalo isakerinandro lé mpividy. Taoangy plastiq 14 = sigara Boston tige 1, sitrany ahay oà :lol:
6. kelly13 ( 19/01/2009 18:15)
:-D
7. Koditra ( 19/01/2009 18:16)
kelly13 : Sôtsa :lol:
8. niryna ( 22/01/2009 11:39)
niryna:

Hatramin'izao dia mbola fiteny foana io rehefa misy olona miampita ny arabe ka tsy mijery fiara dia izy indray no avo vava e. Ity indray dia hafa fa fotoanan'ny neige moa izao ka tena malama ny lalana raha toa ka tsy voasoroka ,tsy maintsy sorohana izany ny tandrifin'ny tena na raha tsy manana trano dia ny tompontrano no manao izany na koa raha mipetraka ny building dia efa misy olona karamaina manao izany. Fa maninona no tsy maintsy sorohana ? voalohany indrindra aloha dia mampianjera rehefa tena mangatsiaka satria lasa mivadika glace ilay izy ary ny faharoa dia volan'ny olona mandehandeha hianao raha toa ka eo amin'ny tandrifin'ny tranonao izy no nianjera ka tsy nisoroka ilay lalana hianao,azony alaina sary izany ary dia izay fotsiny dia afaka mitory izy .
Inona koa ny any aminareo ? volako mandehandeha ialahy ? hi,hi :D na hoe tsy azo atao fa voan'ny sazy ?
ohatra hoe ny tain'alika tsy raofina raha tratra dia vola be no aloha
ny tavoahangy sy ny taratasy tsy azo atao toerana iray fa raha tratra dia mandoha vola rehefa manary azy.
ny fanariana fako eny amin'ny arabe dia natao anariana ireny sakafo hohanina eny an-dalana ireny sy ny tavoahangy fa raha arianao ao ny fako ao an-tranonao ka misava ireny mpaka fako ireny ka mahita ny anaranao sy ny adiresinao dia efa mamay ianao izay fa mandoha vola

(l) niryna

mirananirina >a ireo lazaiko ireo no antony .
mizara zava-misy aho hoe na arabe malama aza ka tsy madio fa mampianjera olona dia volan'olona mandehandeha hianao
Vereno vakio dia ho fantatrao e

:D tsy ho voatery ho hisy la neige ihany fa raha niakatra aza ny hazo ka lasa mampianjera ny arabe tandrifinao dia volan'ny fanjakana mandehandeha koa hianao raha misy olona nianjera teo,tsy maintsy ravana dia lalorina hitovy tantana ilay lalana andalovan'ny olona :D
9. niryna ( 22/01/2009 11:40)
Koditra:

Niryna : nenà zao ato atrano mbola feno tavoangy-na botakely nosotroina t@ kifetifety ireny, mbola volako mandendé aby reo refa averina any @mpivarotra a! :-D :-D

hi,hi ny ahy izao mbola miandry ireny mpivarotra elo tonta ireny aho ...misy elo tonta ve ho vidiana e hi,hi sa tsy misy miantsoantso toy ireny intsony ?

10. xxx ( 23/01/2009 09:20)
De refa misy delestazy na tapaka ny jiro de volan'iza mandehandeha????
Fa angaha tsy misy mpividy tavoahangy sy lamba tonta any aminareo ry niryna???
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1834