iza no mba afaka anazava ity andalana ity aminay e..

1. naughtyboy ( 07/01/2009 14:24)
@ maha tsy mpamangy fiangonana firy ny tenanay mo zany de mbola mila fitsilovana andalana kely @ ty fa nisitona ny saina le izy ka mba tolory tanana ze mahafantatra ny heviny,dikany tsotsotsa ra azo atao fa tsy dikany teolojika
tsy ho azony toa anay
Ny fikasan'ny fo no amin'ny olona; Fa ny famalian'ny lela dia avy amin'i Jehovah.
ohabolana 16:1
misaotra antsika rehetra mialoha.. :D
2. niryna ( 07/01/2009 15:42)
naughtyboy:

@ maha tsy mpamangy fiangonana firy ny tenanay mo zany de mbola mila fitsilovana andalana kely @ ty fa nisitona ny saina le izy ka mba tolory tanana ze mahafantatra ny heviny,dikany tsotsotsa ra azo atao fa tsy dikany teolojika
tsy ho azony toa anay
Ny fikasan'ny fo no amin'ny olona; Fa ny famalian'ny lela dia avy amin'i Jehovah.
ohabolana 16:1
misaotra antsika rehetra mialoha.. :D

misaotra anao nizara,tsara ho fantatra fa ny fidirantsika ampiangonana dia ny fizarana ,ny fiarahana ireo mpino ary ny fiderana an'Atra ny soa lehibe vitany ,nataony antsika,tsara izany no miditra am-piangonana satria ny faingonana dia toy ny hopitaly natao ka tsy ny salama no mila fanafody fa ny marary.
Ilay fitsilovana kosa anefa dia i kristy irery ihany ,Izy no tara-pahazavana,mitsinjo ,manazava ny diantsika rehetra ,koa raha mino Azy amin'ny fonao manontolo hianao fa fahazavana izy,mpamonjy antsika amin'ny fanahintsika tsy ho very izy dia efa tena zava-dehibe izay.Mangataha aminy mba omeny hery hianao ka azoto hiangona hiaino ny tenin'Atra sy andray izany ary ampiasa izany amin'ny fiainana .?Toy ny fanafody ka raha tsy ohanina dia tsy ahasitrana .
Ireto ary misy tsimpona manazava ny dikan'io Oha 16:1

dia tohizako kely anie ilay izy e

I1 Ny fikasan'ny fo no amin'ny olona; Fa ny famalian'ny lela dia avy amin'i Jehovah.

2 Ataon'ny olona ho madio avokoa ny làlana rehetra alehany; Fa Jehovah ihany no mpandanja ny fanahy.

3 Ankino amin'i Jehovah ny asanao, Dia ho lavorary izay kasainao.
----------------------------------------------------------------------------------------------
9 Ny fon'ny olona mihevitra tsara ny halehany; Fa Jehovah ihany no mahalavorary ny diany.

-----------------------------------------------------------------------
33 Ny filokana dia atsipy ao am-pofoany; Fa avy amin'i Jehovah ihany no isehoan'ny fitsarany.
=====================================================================
31 Voaomana ny soavaly ho amin'ny andro iadiana; Fa an'i Jehovah ihany ny fandresena. Oha 21:31

--------------------------------------------------------------------------------------------

Izany hoe ny fikasana antsika fa ny didy dia an'Atra .
Raha tsy mametraka ny fiainantsika amin'Atra isika fa izay fantatry ny saintsika sy izay tiantsika ihany no ataontsika dia mety ho hanenina isika any amin'ny farany ka hoy ny tenin'Atra manao hoe 3 Aoka tsy handao anao ny famindrampo sy ny fahamarinana; Afehezo eo am-bozonao izany, Ary soraty ao amin'ny fonao tahaka ny amin'ny vato fisaka,

4 Ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara Eo anatrehan'Andriamanitra sy ny olona hianao.

5 Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin'ny fahalalanao;

6 Maneke Azy amin'ny alehanao rehetra, Fa Izy handamina ny làlanao, Oha 3
io izany no fanazavana azoko omena,izany hoe izay zavatra rehetra ataonao dia ankino aminy avokoa vao manao ,na miteny ,na mangata-javatra na te hiteny olona fa nisy nataony taminao ,eny na dia mangata-javatra amin'ny patron-nao aza , mivavaha foana alohan'ny anaovana zavatra ,ataovy toy ny rano fisotro ny tenin'Atra ka isaky ny mangetaheta ny fanahintsika dia misotroa,isaky mahatsiaro dia mivavaha vao manao zavatra

Mazava aminao ve ? raha tsy mazava dia aza menatra ny manontany fa raha fantatro dia teneniko hoe fantatro raha tsy aiko moa dia teneniko hoe tsy aiko ihany koa
(l) niryna
3. naughtyboy ( 08/01/2009 06:59)
ozy nyrina
" Ny fon'ny olona mihevitra tsara ny halehany; Fa Jehovah ihany no mahalavorary ny diany."
misaotra anao , io no mitovitovy ny fandraisako azy
4. prime ( 08/01/2009 09:15)
Izaho tsy dia manana zaraina loatra fa mba mandray anjara kely fotsiny...

Raha tena jerena fohy ilay teny ilanao fanampim-panazavana dia toa efa mazava ihany...

Ny fomba fiasan'Andriamanitra sy ny fahendrena tsara ao amin'Andriamanitra no iorenan'io teny io raha ny fahitako azy... (mifandraika amin'ny hira ao amin'ny Ohabolana rehetra)

  1. Afaka mihevitra sy manao fikasana tsara araka izay inian'ny fony sy eritreretiny ho tsara ny olona rehetra
  2. Afaka mangataka izay ao am-pony rehetra ny olona ary afaka mivavaka araka izay maharesy lahatra azy ho tsara
  3. Fa Andriamanira ihany no Tompon'ny teny farany; Izy no miasa ary Izy no manatanteraka
  4. Andriamanitra koa nefa manana ny fiheviny, izay Azy manokana ary manana fahefana feno hitsara, hanamboatra, hamaly... (na tsia)
  5. Ary ny tena goavana dia ny fampaherezana ao ambadiky ny teny dia ilay fahendrena tsara tokony hotandrovana ao amin'Andriamanitra dia ny hoe :
  6. - mila ifankazarana ny fifandraisana amin'Andriamanitra
    - mila fahendrena ny fifandraisana amin'Andriamanitra ka tsy izay ao ampo rehetra no hahazo valiny ary tsy izay ao ampo rehetra no fangataka (azo atao izany saingy Andriamanitra mihitsy no mananatra mba handinika tsara vao mihevitra izay ambara Aminy)
    - Andriamanitra mahery sy be voninahitra no resahana ka dia mananatra Izy ary mbola miteny amin'ny alalan'ireny teniny ireny fa manana ny mahaIzy Azy mahakasika ny amin'ny momba ny olona tsirairay avy
5. naughtyboy ( 08/01/2009 09:19)
ekena ary isaorana koa i prime nilaza fa
"Fa Andriamanira ihany no Tompon'ny teny farany; Izy no miasa ary Izy no manatanteraka "
satria na iza hino na tsia tsy mahasakana ny efa nisy sy ny misy ary mbola hisy
ilay omaly sy anio rapitso ary mandrakizay :arrow: Andriamanitra
6. prime ( 08/01/2009 09:24)
naughtyboy> =D>
7. naughtyboy ( 08/01/2009 13:11)
ny hafatra kely atsipiko anreo tsy mitovy hevitra amiko manko de tsotsa
-ny safidy no ambony indrindra @ mahaolona ka ilaina hajaina fatratra na iza na iza na aiza na aiza
noho izany ny finoana na tsia de safidy fa tsy manakana ny fisiany Ilay Nahary sy Namorona izao tontolo izao ,tsy sendrasendra akory izany rehetra izany fa misy mandrindra sy miahy..
8. prime ( 09/01/2009 06:01)
naughtyboy> Izaho mitovy hevitra aminao ka... :)
9. fahamarinana ( 09/01/2009 08:04)
:arrow: misaotra any naugthy dia misaotra any prime ihany koa,mazava tsara e. ^:^ (l)
10. naughtyboy ( 09/01/2009 15:40)
tsisy fisaorana iny rafama fa ny hevitra tsy azo no mampihazohazo .. :lol:
11. deric ( 10/01/2009 13:10)
Satria manaja ny safidin'ny olona Jehovah, ka na inona na inona kasainao dia miankina aminao ny hanatanteraha izany na tsara na ratsy.
Na izany aza anefa anefa dia ny bokin'ny mpitoriteny koa no manao hoe mandehana amin'izay sitrakin'ny fonao, nefa izao no faran'ny teny Andriamanitra no atahory fa ho tsarainy avokoa izay ataonao rehetra na inona na inona.
na izay teneninao na izay ataonao, dia hitsaran' Andriamanitra anao izany.
Toy izany koa angamba no tian'i Paoly hambara ao amin'ny Korintiana hoe Ny zavatra rehetra azoko atao nefa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa; sy ny hoe "ny zavatra rehetra azoko atao nefa tsy ny zavatra rehetra no mampandroso.
ka raha mikasa ihany dia mba fantara izay fikasana tsara sao mandrora miantsilany.
12. Veloo ( 11/01/2009 03:06)
10. Mpandefa : deric [ Valio ] 10-01-2009 14:10:11
Lohateny : Re : iza no mba afaka anazava ity andalana ity aminay e..
Satria manaja ny safidin'ny olona Jehovah, ka na inona na inona kasainao dia miankina aminao ny hanatanteraha izany na tsara na ratsy


eo daholo ny base ny rehetra =D> =D> =D>
misaotra Deric
13. naughtyboy ( 11/01/2009 08:24)
ekena deric a..
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.5773