vehivavy tsy mety bikina

1. roxanaha ( 20/12/2008 14:19)
Bonjour daholo
grave ry reto zany hoe tsy mananjanaka zany a! Za mba efa te hiteraka satria efa feno taona ho @ zany(26ans @ taona ho avy). Mba efa nanao le test d'ovulation ihany ary tena hitan'ilay appareil ny pic de fertilité. de t@ zay no nanao ze mety t@ calin, nefa 34ème jour tonga ihany le menamazava. Sao mba misy olona efa tratran 'izao pbm zao de bevoka ihany taty aoriana? Ny sipako taloha nisaraka tamiko nefa efa 2 taona zay no niaraka. Mety siriny ngamba le za tsy mety bevoka. Nefa vao niaraka t@ sipa hafa izy de bevoka le sipa. 2 zao ny zanany!!! Misaotra mialoha @ fanampianareo.
:( :( :( :( :cry: :cry: :cry:
novalian'i rmxx ny 24/11/2012 04:53
2. heidi ( 20/12/2008 14:27)
tokony tany am fahasalamàna na resa-behivavy ity no nampidirina...
AZA MORA KIVY be ihany fa mety tsy ampy hormone na zvtr hafa koa
tsy mbola niala nenina tany am specialista dia divy be ambony ihany sahady
misy olona sarotra mahazo zaza be, misy zandriko izay aza vao 21 ans izy te hiteraka tam vadiny dia tsy nety mitsy hay tsy ampy horomone hono
de nanao traitement , izao niteraka rolahy izy
mahereza de aza mora kivy e!
3. fahamarinana ( 20/12/2008 14:31)
:arrow: ny cas ny tsi11 moa mety ho samihafa,arakaraka ny toe-pahasalamana ihany fa misy namako tahaka anao :afaka miteraka fa tsy tafa satria efa lasa an-tsainy tanteraka dia bloquée..nony namboatra saina izy mivady hoe hanangan-jaza dia debloquée ny situation :ny zaza nantsangana tonga fa sady bevohoka koa izy ,efa tsy nanantena sy tsy nanao fiarovana rahateo.Ny tiako lazaina dia io lohantsika io koa raha mifantoka any foana dia mety tsy mety (nefa inoako fa ho sarotra izay ) fa dia mahereza e !Mety misy manana hvtr hafa angamba ny hafa. (l)
4. rova30 ( 20/12/2008 14:44)
roxanaha: Indraindray koa ilay eritreritra, rehefa lasa lavitra, dia ohatran'ny hoe tena izany! Tsy voatery anefa!

Efa nahita aho fa folo taona izy mivady ,teny ihany, tsy mbola nitaiza kely !
Amin'izao fotoana hanoratako izao : efatra :vavy iray, telo lahy be izao no ao antrano!

Mety amin'n'ilay fotoana tsy ampoizinao iny ,mbola ho tonga aminao ilay faniriana!

mahereza ! :-*
5. roxanaha ( 20/12/2008 15:11)
Misaotra betsaka fa maivamaivana be za miresaka aminareo. Tena marina tokoa fa tokony tany @ rubrique hafa ty resaka ty f'efa tsy mitombona le saina de lasa aty @ diaspora ny resaka. Ra tsy heidi miteny io tsy tonga saina za. Sinon @ 26dec zao za manana rendez vous any @ gynéco de hita eo. Sady aty andafy koa mba efa au top de mba miakatra ihany ny moral . Misaotra betsaka
6. diamondra27 ( 21/12/2008 15:12)
fa inona hono no mahatonga le fertilite akia a.
de ndry aiza any dago sa aty ivelany, raha any dago de efa nahita gazety za nilaza fa any am ranomafana antsirabe izany misy olona sitran'io ka asa na aona fa be ihany ilay pourcentage de reussite

raha tena tsy misy akia de aza kivy fa manangana zanaka a

za koa mba mi-craquer amin'ireny zazakely ireny izao, mahafatifaty be zany daholo izay hita sady le fitaovana am zao fotoana koa de aoka fotsiny. Tsy mandotso aho fa mba teo no niala an, efa sahirana ihany koa aho vao nanana io zanako vavy io. Efa nionona nanamboatra saina dia iny eny izy fa tonga soa amantsara. Ka zay no fampaherezana ataoko sy ny namana hoe aza kivy dia aza be eritreritra fa ataovy ny fitsaboana sns fa rehefa tsy mety dia mionona dia manangana. Mety hitovy amiko ianao avy eo hoe efa nionona vao tonga izy.
7. bilakarenjy ( 21/12/2008 23:16)

aza kivy izany ry roxanaha , mbola ahazo zaza ianao .Tsy vao ianao irery akory no manana ny toy izao saingy tsy mitovy ny fisehony .

Ny hitako sy tsapako dia ataovy matsiro ny fiarahana sy ny fitiavana @ ilay vadinao dia hafana ny fifandraisanareo dia hanome hery anao @ fahazahoanao zaza izany .Izay aloha ny voalohany .Ny faharoa dia miaraha ianareo roa mitsabo tena ary aza ianao irery no tsaboina fa ianareo roa mba tsy hisian'ny fihangarana hoe : ny vavy no tsy miteraka na ny lahy no tsy miteraka .
Fahatelony dia ataovy foana izay hampafana ny tranon-jaza .

Zay aloha no fantatro fa asa raha mety .

Dia mankahery anao e!
8. kotobekibo ( 21/12/2008 23:19)
Possible tsy hoe njy koa fa mety ilay bandy iarahanao , 50-50 ny % .
Na koa hoe acide b ny fivavianao dmamono ny sperme izay tonga ao , na mety tery ny col d tsy mifankahita ny ovule sy ny spermatozoïde ....
Raha aty ivelany njy d misy rano miloko izay alefa-dry radoko any anatinao any , d ref avy eo ataony radio , d hitany hoe ny aiza no tsy mety na koa hoe tsetsina ....

Mahereza e!
9. rabilabila ( 22/12/2008 00:35)
26 ans izany mbola tsy maninona ry Roxanah a!! Eto Eoropa ianao , mbola betsaka ny batteries de tests ampanaovina anao vao afaka miteny hoe "tsy miteraka " .Et encore !! Raha tomady tsara ny tranon-jaza , raha misy ovocytes tsara dia maro ny vahaolana :FIV , ...................

Ary aza mi se culpabiliser mihitsy na iray minitra aza , fa io culpabilité sy tahotra io tsy manampy fa vao maika manao secrétion-na hormones mi-inhiber ny hormones vitales ilaina amin'ny fananana anaka .Mianara mitony ,ary rehefa miray amin'ny namanao na vadinao dia aza mi se focaliser amin'ilay hoe "te-hiteraka" fa reveo manja fotsiny .Ary rehefa tonga ilay menamazava dia aza miferin'aina hoe "tsy nety indray " .
Ary indrindra indrindra ,tokony zakain'olondroa ilay fitsaboana sy ny fanaraha-maso ==> miaraha aminy foana rehefa manantona mpitsabo , raha tsy afaka mandeha izy dia aza adino ny mitantara aminy ny test rehetra natao , ny anton'ireo test ireo sns...........
Farany , Ataovy izay hanantonana trano fitsaboana efa za-draharaha amin'ny "tratement sterilité" toa ny hopitaly Cochin raha ao Paris , Betsaka ny patientes fa mila tsy kivy raha lavidavitra vao mahazo RV .

Mahereza !! Mbola tsy tara ianao akory!!!
10. roxanaha ( 22/12/2008 08:37)
Misaotra betsaka anareo rehetra fa betsaka ny torohevitra azo arahina. Za aloha sur hoe avy aty amiko ny problème satria le olona miaraka amiko @ zao(divorcé) efa niteraka roa. Raha sanatria tsy mandaitra mihitsy ny traitement de ho any antsirabe @ ranomafana. Mila miandry @ herintaona satria za aty andafy. @ zay vao libre. Fa ny tena zava dehibe de ny manala ny stress satria tellement tena miraikitra be ato andohako le hoe tsy mety mahazo zaza.
Mila miezaka e!
@ manaraka mitantara ny vaovao. Bonne nouvelle, espérons!!!!
11. kotobekibo ( 22/12/2008 10:04)
Tsy voatery hiandry ny fanaovana vacances any dago anie njy e!
Manatona mpitsabo eto d izay . Eto njy voaramaso tsaratsara kokoa , ny fitaovana bdb , ny fanafody mba mora azo kokoa .
Manaova aloha mutuelles raha mbola tsy manana njy @ izay mba tsy mandoa vola na koa farafaha-alikamatiny kelikely ny vola miala aminao .
korazy e! ;-)
12. tazia ( 22/12/2008 10:44)
Tsy ianao irery zaho nanana namana 20 taona izy defa nanambady 36 ans izy taminy 2007 iny ka izay vao nahazo zaza nefa teo ampiterahana de tsy azo le zaza @ zao izy efa mitodra tenga.Managna fafinaretana akia fa hoavy fona io adrasanao io azakivy @ zay atao akia
13. booboo ( 22/12/2008 11:08)
Aza kivy izany fa mianara mampitony ny saina sy ny vatana ( sarotra tanterahina fa mora tenenina hihihihi, efa nandalo teo koa zà ).

T@ ny ahy indray, t@ niresaka t@ gygy-ko zà hoe te hanana zazakely fa tsy mety mahazo fa nanao FC foana nandritra ny 3 taona, dia mbola nasainy nanao essai foana klou nandritra ny herintaona dia zay vao nanao ny batteries de tests isa-karazany. Fa nandritra ilay herintaona io tena mazana a ! ni-psychote grave sy saika ni-deprime foana rehefa tonga ny red red, dia nisy fotoana aza nanao grossesse nerveuse mihitsy.

Dia ilay manao karazana tests koa tsy mora ny miaina ilay izy psychologiquement sy physiquement. Mila mifanohana tsara ny mpivady ary mila patience beeeee. Na mahita ilay blouse blanche n'ny tech de labo haka rà sy ny tariny aza rehefa ela ny ela mi-taper sur le système ! Tsy anaty iray volana koa dia hoe vita ny tests sy ny traitements fa volana maro². Tsy voatery handaitra koa nefa ny traitements ary ny fahadisoam-panantenana @ iny loza beeee ! Dia mampiviaka ny humeur matetika ny traitements hormonaux ary eo no ilàna ilay fifanohanan'ny mpivady.

Na izany na tsy izany, maro² ny olona fantako sy nifanerasera tamiko nandritra izay fotoana izay no nitoe-jaza tany am-panaovana vacances. Ilay vatana sy ny saina mihitsy no mila mi-se détendre tsara dia ndraindray tonga ilay " miracle de la vie ". Izay koa no cas-nay mivady, dia tamana tsara ao an-kiboko ao klou ilay zana-booboo hatr@ zao.

Miresaha tsara @ gygy-nao @ 26, raha afaka miaraka aminao any ny vadinao dia tena tsara ; dia raha ho any M/car ihany ianareo roa @ herintaona dia araraoty ny manome vacances ny vatana, ny saina, ny fo.

Mahereza.
14. roxanaha ( 23/12/2008 09:26)
Marina daholo ny zavatra lazainareo. Za tena mahita hoe resaka saina tsy milamina sy stress no tena mila fanafody @ zao. Soa ihany le namako fa tena mi soutenir anà. En plus le resadresaka @ forum ôtrizao tena manampy be. Ho avadiko any @ resabehivavy ty thème ty fa za ko no tena diso adiresy. Fa misaotra betsaka @ fanampina. Ny tena zava dehibe de le mahita hoe olona mitovy cas @ tena nefa avy eo nivaha ny olana. Mampisy espoir!!!
15. Rafahafahana ( 23/12/2008 13:46)
Zaho aza efa zokinao betsaka raha ny taona no tenenina fa mbola niteraka, nitoe-jaza 7 mois après notre mariage tsy misy traitement natao, ny olona rehetra miteny daholo fa hoe tsy miteraka intsony aho, zaho nefa aho niteraka vao 3 mois zao ny zanako, salama tsara. Mahereza fa tonga ho azy eo io, alamino tsara ny saina, fadio ny fanafody be loatra.
16. roxanaha ( 24/12/2008 10:32)
Mirary soa ho anareo mianakavy kely. Tsara vintana enao Rafahafahana. Ny saina tokoa no mila amboarina, marina zany. Io @ sary io zany le zanakao? mafatifaty be!!!!

17. diamondra27 ( 24/12/2008 14:54)
raha ho any dago ianao dia manontania olona fa misy olona akaiky ahy izay tsy afaka niteraka fa niotra izy fa zao lasa 2 ny zanany
Tsy mifandray amiko intsony io olona io fa perdue de vue

tany Toamasina tany no nalehany fa siora za fa na ao tana koa aza misy mpanotra mahay

za tsy miteny hoe mpanao fanafody gasy fa mpanotra hoy aho an.
Efa nisy resaka momba ny olona tsy miteraka io teto efa ela fa jereo ny archive de alefaso eto
18. kotobekibo ( 25/12/2008 23:25)
Misy mahay mihitsy ireny mpanotra gasy ireny , fa misy sipa nanana olana t@ io koa aty aminay , ary efa 3 izao ny zanany .
Mpanotra sy dr aloha no nataony niaraka , ka asa raha izay no tena nampety azy .
19. xxx ( 21/02/2009 00:43)
roxanaha, ndry aky mbola vao 26 ans dia efa miasa loha be amin izany sahady. izaho aky 36 ans izao vao nahazo ny zanako voalohany.
afajaza aho roa taona lasa izay. dia tsy nanao protection intsony taorian izay tamin ny fiarahana matory tamin ny vadiko anefa tsy nety bevohoka, tsy nataoko namparary andoha ahy ilay izy satria hoy ny dokotera hoe, raha 35 ans mihoatra ianao no tsy mety bevohoka mandritra ny 1 taona dia izay vao manantona dokotera, izaho aza izany 2 ans taty aoriana vao bevohoka. indry mbola vao 26 ans. andramo ihany, izany anefa tsy miteny hoe aza mijery tena.
20. rmxx ( 24/11/2012 04:53)
Bonjour roxanah,

Saika hanontany fotsiny hoe efa nahazo zaza ihany ve ianao @ zao?

roxanaha:

Bonjour daholo
grave ry reto zany hoe tsy mananjanaka zany a! Za mba efa te hiteraka satria efa feno taona ho @ zany(26ans @ taona ho avy). Mba efa nanao le test d'ovulation ihany ary tena hitan'ilay appareil ny pic de fertilit�. de t@ zay no nanao ze mety t@ calin, nefa 34�me jour tonga ihany le menamazava. Sao mba misy olona efa tratran 'izao pbm zao de bevoka ihany taty aoriana? Ny sipako taloha nisaraka tamiko nefa efa 2 taona zay no niaraka. Mety siriny ngamba le za tsy mety bevoka. Nefa vao niaraka t@ sipa hafa izy de bevoka le sipa. 2 zao ny zanany!!! Misaotra mialoha @ fanampianareo.
:( :( :( :( :cry: :cry: :cry:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3777