Tsy afaka manova toetran'olona isika ? Marina ve izany ?

1. niryna ( 03/11/2008 12:08)
Hoy ilay sari-mihetsika iray izay hoe .Ny vadiko no lohan'ny tokan-trano,omeko azy daholo izany fahefana izany.Izaho kosa no tenda ka izaho no manodina ilay loha havia na havanana dia ahodiko moramora ilay loha dia mihodina ho azy . Toa tsy mitombina izany amiko raha eo amin'ny fanambadiana.Tsy maintsy misy fifampiresahana,fifandraisana sns fa tsy afaka ny andeha ila e ?

Kanefa indray hoy aho hoe tsy afaka ny manova toetran'olona isika fa isika no miezaka manaiky ilay toetran'olona (na olona iza izany na zanaka na vady na namana na mpiara-miasa)
sa ahoana marina ve izany ?

(l) niryna
2. tess ( 03/11/2008 12:24)
mitombina be io ka! indrindra eo am couple.... Matetika ny lahy foana no manova ny toetran'ilay vehivavy......
3. xxx ( 03/11/2008 13:43)
Tandremo fa misy ny vehivavy mitondra ny lahy amin'ny sangany mihintsy an ! tena zava-doza!!
4. ainaheri ( 03/11/2008 13:49)
xxxx>> hihihi tena marina io lol
5. ikaretsaka ( 03/11/2008 17:18)
Mere theresa :
Le changement ne peut jamais être forcé : le changement arrive.

La résistance que nous opposons à nous-mêmes ou à une tendance

quelconque à l'intérieur de nous-mêmes ne sert qu'à renforcer cette

tendance et rend le changement impossible".



Le grand paradoxe du changement est que nous arrivons à l'atteindre

quand nous l'oublions.
6. fahamarinana ( 04/11/2008 04:35)
:arrow: mba tiako sy hitako mitombina ilay napetraky ika io : tenim-pahendrena. :) (l)
7. tywa68 ( 04/11/2008 15:47)
niryna : hanova olona fa tsy hanova tena ? :lol: iza no hanaiky eo :-D :-D
Rehefa miha-antitra d miha-mandefitra (asa na reraka na matotra kokoa na lasa alzheimer :°))
8. tess ( 04/11/2008 16:22)
Rehefa miha-antitra d miha-mandefitra (asa na reraka na matotra kokoa na lasa alzheimer )
:-D :-D :-D
9. tess ( 04/11/2008 16:25)
misy refa antitra lasa masika sy kizitina be kou hihihih
de ny antitra tratran'ny alzheimer lasa agressif(ve) be mitsiny...Lay aretina no mahatonga anzany.....
10. xxx ( 04/11/2008 16:31)
:°)
11. ni81 ( 04/11/2008 17:27)
misy refa antitra lasa masika sy kizitina be kou hihihih
de ny antitra tratran'ny alzheimer lasa agressif(ve) be mitsiny...Lay aretina no mahatonga anzany.....
arakarany ilay hoe tratry ny alzheimer dia lasa agressive na masika sy kizitina be ka! Ny toetrany taloha no miverina sy miseho rehefa antitra izy. Fa misy tokoa tena! Ohatran'ny bebe-nay tato zay, izy tsy masiaka na kizitina, fa na izany aza tena nanahirana fa efa zatra ny fiainany taloha izy, dia tsy avelany manao ny toilettes-ny ny infirmière. Lazainy fa efa vitany fa izy angaha hono voretra. Nefa ilainy ny fikarakaran'ny infirmière fa izy nanao couche dia lasa misy fery masak'ilay pipi.
12. ssendra ( 04/11/2008 18:14)
injy manao anzany fa ny rafozambaviko tratran'io de niditra hopital fa nokendainy aky ny infirmière ah :?
13. ni81 ( 04/11/2008 18:39)
injy manao anzany fa ny rafozambaviko tratran'io de niditra hopital fa nokendainy aky ny infirmière ah
andray!
'lay bebe-nay io; raha ividianana voasary izy @ antoandro, rahampitso maraina tsy misy hita; dia anontaniana hoe nankaiza daholo lé voasary ry mamie? Dia lazainy fa nisy niditra tao aminy nangalatra dia lasany angamba (nefa tsisy izany akory), dia jerena ny armoire-ny fa indreo afeniny ambany akanjo, ary efa lo aza ny sasany satria efa ela no tao.
14. fahamarinana ( 05/11/2008 05:04)
:arrow: mazana be tokoa anie mitaiza an'ireny olona ireny !!! :( (l)
15. niryna ( 07/11/2008 10:23)
tywa68:

niryna : hanova olona fa tsy hanova tena ? :lol: iza no hanaiky eo :-D :-D
Rehefa miha-antitra d miha-mandefitra (asa na reraka na matotra kokoa na lasa alzheimer :°))
hi,hi ,misy antitra vao tena be kizitina ka


:D
misy koa ny toetranao no mahatonga ny olona hiova ,na tsy tonga lafatra aza dia mba mianatra kely eo e. Raha miaraka miasa ireny kamo be tenda ireny hianao dia miasa eo dia mihirahira eo dia mihaino hira sy mifalifaly eo fa tena tsy mahazaka izy fa manao tsikelikely na dia tsy miteny aza hianao dia manongo tena dia manao ho azy vao mandalo hianao ,hi,hi sa ?
16. niryna ( 07/11/2008 12:12)
tess:

misy refa antitra lasa masika sy kizitina be kou hihihih
de ny antitra tratran'ny alzheimer lasa agressif(ve) be mitsiny...Lay aretina no mahatonga anzany.....

mijaly tokoa anie rehefa voan'io aretina io e,tsy mahatsiaro intsony .
Efa noresahiko ity fa nisy ramatoa voan'io aretina io ka niteraka fialan'ilay vadiny tamin'ny asany(mety efa nahangona kely angamba izy roa ) saingy hoy ny mpiara-miasa aminy hoe tsy mahatadidy na inona na inona intsony izy na dia hianao vadiny aza .Hoy ilay rangahy hoe marina tokoa izany fa na dia izany aza izaho mbola mahatadidy ny voady nifanoavanay

17. haritianah ( 08/11/2008 07:29)
ny itako aloa dia raha pivadi dia cas maro ;
Misy ny lahy tena mila ny azy foana dé mandefitra ny vavy
Misy ny vavy lé lazain'ny sasany etsy ambony owé ho entiny vavy @ sangany
Ohatrany anay zao dé misy tsapako mitsy ny fahazarako talou na za aza nahatsapa fa ratsy lé izy fa nahazatra anah toetra io izay ts nataoko tsony zao fa voahova hanaraka ny lahy, dé misy indray zvtr nahazatra azy talou dé itako fa ts mety dé niezaka ao nanova sy nampianatra azy dia voahova
Fa lé izy fotsiny raha fanovana ho lasa tsara dia mahafinaritra fa matetimpitsanga alou de owé atram nanambadiny an'iny de lasa niova ho ratsy toetra mits(na lahy na vavy io).
Za milaza fa afaka manova olona ny tsy rairay, inona lé fitenenana owé ela maharay roa.
Fa matetika owa any @ ratsy foana no ankamaroany, nefa misy koa ny @ tsara, ohatra fotsiny owé atram nanambadiany an'iny vhv iny de lasa mpivavaka bé le rangaha nefa de jilamboto bé iny.
18. niryna ( 12/11/2008 04:57)
haritianah > a Izany hoe rehefa miaraka elabe eo izany dia mifampaka toetra e ?
19. haritianah ( 14/11/2008 10:38)
zay zany ny fahitako azy alou é, jereo @ fiainan'ny mpivady fotsiny io.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1485