terrorisme

1. kaboushna ( 02/11/2008 17:49)
za ry reto ohatran'ny tsy mankasitraka loatra lé seho nataon'ny fitondrana momba ny brigade anti-térrorisme niaraka tam amérikana a ... satria isika angé misaotra an'andriamanitra aza aty lavitra aty tsisy mpanakorontana dé zao ohatran'ny miantsy ady am terroriste a .... raha ny hevitro zany dé diso ihany isika mi-s'afficher be loatra am américain satria zé tany misy an-dry zareo angé dé hiafaran'ny korontana e ... lasa hitaintaina lava ndray zany zao raha handé avion ... ny hevitrareo ????
novalian'i tenagasy ny 04/11/2008 10:25
2. ainaheri ( 03/11/2008 05:52)
Ilay oe firenena miafanaraka @ Amerikanina eo @ lafiny anti-terroriste toa tsy dia maninn loatra, fa ny tena tsy lanin'ny lerony ilay mankany Irak,Afghan.... D ivavaho io mba tsy andefa ny tafika malagasy any mpitondra antsika :lol:
3. rakapy ( 03/11/2008 06:54)
Ka i kenya sy Tanzania aza toa tsy nandefa tafika tany Afganistan na Irak akory nefa toa napoakany ny ambasady amerikana atny an-toerana t@ taona 97.
Amiko aloha dia marina ny an'i Kaboushna fa tsy tokony dia hifampileleka be loatra @ ireo amerikana ireo ny mpitondratsika.
I Diego garcia efa lasa toby famaharany aza tsy tambo ko !
4. bazylou ( 03/11/2008 23:03)
ka rehefa baikon'ny bm sy fmi ve hoe tsy maintsy mandefa any raha tsy izanytsy mahazo saosy dia ahoana ?? tsy maintsy handefa ihany ramalagasy , an arasila tsy ampy ranjersa aza no alefany any !!!! :-D
5. tenagasy ( 04/11/2008 10:25)
Mankamamy!

Sao dia mba atero ka alao kosa e!
Tadidio fa raha tsy naneho ny famirapiratany ny kintana t@ 2002 tsy nampitsilopy tsy satry ny tarany ny volana sy ny masoandro izay andeha hantsoiko hoe fakan-kazo amoron-kady amikirana sy ihantonan'i Gasikara malalantsika.
Iaraha-mahalala ny fifandraisana amin'ny renimalala.
Amin'ny lafiny hafa indray:
- hoy ny gazety hoe: voan'ny sery izy dia mievona izao tontolo izao, izy no lehibe indrindra;
- ohatra: raha ny fahalalako azy (izay mety ho diso) dia izy no manampy antsika be indrindra @ fiarovana ny fari-dranomasintsika (ny sisintanintsika)
- ...
Sa hoy ianao hoe: Mba ampio re izahay tompoko ô, saingy tadidio fa hodiako tsy fantatra ianao rehefa avy eo?

Etsy an-danin'izany: maro ireo nitsikera sy nanoritra tao ho ao hoe: ary toa mbola tsy tafiditra tany @ Maison Blanche ny Filoha h@ izao!
Ka raha araka io fijerinao io hoe: "...mi-s'afficher be loatra am américain...", moa ve tsy mpamahan-dalitra sy mpanolo-batomafàna izany ireo olona ireo manosika ankolaka ny Filoha hifampiantrano @i bekintana?
Lasa ihany ny saiko!

Mirary soa!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0067