Ampy ahy

1. ondry ( 18/10/2008 08:51)
aiza le ambondrona 5
novalian'i sylvania ny 18/10/2008 17:34
2. ni81 ( 18/10/2008 11:56)
Nalaina izy ny hiantso indray
Te ho any aho anefa tsy sahy
Zarako aza tsy hita intsony ianao
Avelako ho tapitra any
Sao izay ko no mba tiany atao
Na ny saiko aza tsy taitra amin'izany

Ref:
Tsy hanery azy aho na hanontany
Manaiky koa aho rehefa izany,
no hitany fa mety ho azy
Dia hionona ny saina
Andeha aho hiala amin'izay
F'izany ve no miandry ahy
Ampy izay, ampy ahy

Ny ratram-po ho vita eo ihany
Ny fotoana eo hanampy ahy
Tsy hifanerena sanatria na tsapaina
F'ho hita eo ihany
Avela hivalona rehefa izany koa no efa tiany atao
Fa ny fitiavana tsy atao an'izany

Ambo-po ihany ve ny ahy
Tsy ho tsiny anefa izany
Ny fiainana mitohy hatrany
Tsara tso-drano ...

Na ! na ! na ! na ! na ! ...

Ampy ahy, tsy hanenina aho
Tsy hoe mafy fo, fa izay no anjara
Tsy hiteny intsony aho, tsy hifendrofendro koa
Fa ampy ahy izay, efa ampy ahy
3. sylvania ( 18/10/2008 17:34)
we love Ambondrona
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0678