Sao mba misy mahalala

1. asasoa ( 26/09/2008 12:03)
ny fiantsoana na ny fandikana ny atao hoe RSS à teny malagasy ofisialy ?
novalian'i asasoa ny 27/09/2008 13:24
2. lohabe ( 26/09/2008 12:25)
Izaho koa mitady :D

Ny voambolan'ny solosaina rehetra mihitsy raha misy manana lisitra.
3. ni81 ( 26/09/2008 12:31)
Raha tsy diso ny fitadidiako dia i tokinao moa sa iza re, toa efa namoaka ny voambolana momba ny solosaina. Miala tsiny raha toa ka diso a!
4. tsiambaratelo ( 26/09/2008 13:54)
asasoa:

ny fiantsoana na ny fandikana ny atao hoe RSS à teny malagasy ofisialy ?



Ry zareo mahay informatika zao mahay manazava tsara anizy io. :D
5. hery ( 26/09/2008 17:50)
Tsy malagasy ofisialy ny RSS :-p

Za mampiasa ny hoe Fahana RSS

Asa ny hafa
6. asasoa ( 26/09/2008 18:49)
Misaotra betsaka @ le "fahana RSS".
Raha fintinina, tsy maintsy ao foana izany ilay "RSS" :?: :!:
7. Ralay ( 27/09/2008 08:05)
Tsy azo adika @ teny gasy ny RSS. Io lazain'i hery io mety mahalaza azy angamba na afaka mamorona hafa koa ianao fa tsy maintsy ao ny RSS (Really Simple Syndication) oh: tolotra RSS
8. hery ( 27/09/2008 10:52)
asasoa> ny an'ny Frantsay dia Flux RSS
9. asasoa ( 27/09/2008 13:24)
Misaotra @ valin-teny rehetra, dia mirary alahady sambatra ho antsika rehetra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.22