kolotsaina, rakitra ary ny lalàna

1. sff ( 22/09/2008 00:06)
Tsy haiko izay tokony ho asiana an'ity na eto amin'ny kolotsaina na tokony ho any amin'ny hoy ny lalàna. Tsy olana loatra :)

Fony aho mbola tany Madagasikara dia mba nitady boky momba an'i Madagasikara betsaka mihitsy. Indrisy anefa fa tsy nahita firy aho tamin'izany. Taty ivelany aho vao nisy nilaza fa tokony ho tao amin'ny Fac Lettres aho no nandeha.

Fa gaga aho fa aty ivelany dia betsaka ny boky malagasy. Koa lasa ny eritreritro hoe, raha manokatra site ve aho ka adika ao ireny boky ireny dia mandika lalàna? Amin'izay mantsy tsy mila mankaty ivelany na makao amin'ny Fac Lettres vao mahita ny momba antsika.
novalian'i fijo ny 31/10/2008 21:45
2. Mitah ( 22/09/2008 13:02)
Tena tsara be ny eritreritrao fa tohizo. Faly be aho raha mba mahita boky Malagasy azo vakiana @ net. Misaotra mialoha.
3. sff ( 23/09/2008 02:54)
Asa re ry Mitah fa ny antsika gasy moa lalàna ampitoviana amin'ny ny an'ny vazaha nefa ilay fiainana mihitsy no tsy mitovy.
Samy enjehin'ny lalàna ihany raha mandika ny zon'ny mpamorona. Ny antsika anefa ilay mpamorona mihitsy no tsy hita hoe aiza, fa rehefa mandrosondroso ny zavatra ataonao vao miala any fitoriana. Zay vao mahalala hoe hay ve ianao izao no tompon'ny sangan'asan'itompokolahy razaorazao eh.
4. rafitia ( 29/09/2008 16:58)
:roll: Bold texttsy mety kosa ry sff raha adika @tranokala ireny satria ny mpanakanto malagasy anie mbola maro no miaina ao anatin'ny fahantrana e. sady lafo be ny fanantontosana boky iray satria vitsy ireo edition eto amintsika hany ka maharitra fotoana ela ny mpamorona vao manao boky. Mato ihany koa ny omda natao dia mba hiaro ny zon'izy ireny, nandaniana ron-dohany ange ny sangan'asany e. ny olana fotsiny eto amintsika dia ny fampiharana ny lalàna manankery.
5. endrika01 ( 07/10/2008 19:12)
Mitah:
Tena tsara be ny eritreritrao fa tohizo. Faly be aho raha mba mahita boky Malagasy azo vakiana @ net. Misaotra mialoha.
Raha misy ihany de le tantara ny madagasikara hatraminy voalohany be mintsy!Zay vao makany @Fanjanahan-tany,de ny Fahaleovantena,de ny mpitondra isatsokajy! (filoha)
6. tsiambaratelo ( 07/10/2008 19:22)
Ny ahy zao ny tena tadiaviko raha hamoaka boky ihany @net de le boky misy tantarany V.V.S ny Menalamba sns,(Vato nasondrotry ny tany,zay mou ny titre ny tsy tadidiko tsony):-P
7. fahamarinana ( 08/10/2008 04:01)
:arrow: sff :amin'ny mozika misy any omda hangalana autorisation rehefa handika fa ny boky ve tsy hanana toy izay koa,asa anefa raha omda daholo no misahana azy!!Fa itovizako hvtr ilay voalazan'ny rafitia ery ambony ery.Aleo maka renseignement aloha dia mangataka auto na atao hoe forme fontsiny aza mba tsy hanana olana sanatria any aoriana any.
Isan'ny mba te hamaky koa ny tenany raha tafa ilay tranokalanao dia mba apetraho eto ilay rohy e.. :) (l)
8. fijo ( 31/10/2008 21:45)
ataovy ry ise,fa fandraisana adidy hoan'ny firenena iznay an.isan'ny tena mamporisika tokoa ny tenanay raha misy hafaka manao an'io.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4063