HIJANONA TSY HANAO POLITIKA INTSONY FA TONGA I TOTAL

1. kidoropamba ( 17/09/2008 20:04)
Tsy arako mihitsy ity politika ity marina.

Noroahina ny vazA lelidec. nangEtorana ny vazA. Ni-ompaina ny vazA. Noroahina ry peguy sy Urfer. Ni-ompaina ny Firansy-afirika satria nolazaina fa angilosakisOn ny antsika.

Inona ny hiafarAny? Nomena an'i TOTAL (firantsay) ny fitrandrahana an'i BEMOLANGA (solika io), miaraka @ madagascar Oil.
(http://www.zonebourse.com/TOTAL-ADR-14643/actualite/TOTAL-ADR-Madagascar-Total-entre-sur-le-permis-de-sables-bitumineux-de-Bemolanga-570766)

Ny firantsay indray izany izao ny hitrandraka ny solika ao Madagasikara.

Tapina ny daomy.

haka retirety politika fa tena lasa bAOngo sy Moboutou ny filoha hajaina Ravalomanana sy ny firansi-afirika. tssssss.

Rovitiko ny karatra TIM-ko.
novalian'i Papoose ny 24/09/2008 17:08
2. hery ( 18/09/2008 02:59)
oufff... ela ny ela leo ihany :-)

aza manao be fandrapaka wah
3. kelly13 ( 18/09/2008 06:58)
=))
4. kidoropamba ( 18/09/2008 11:58)
kanefa raha misy ny azo tsakoina dia mbola mety hiverina indray.

Mafy ny fiainana ka raha voatery dia tsy maintsy manao.
Andrasako tapitra ny filaharam-bary mora sy ny fizarana kahiE vao tena miala.

Ravalomanana ve sa.... 8-)
5. penguin ( 18/09/2008 14:21)
Tsy raharahanay na hiala na hijanona =)) =)) =)) . Tsisy akony ny hafatrao ry dadabe miverintsaina. =))
6. xxx ( 19/09/2008 15:19)
Raha toa ka ny rahalahy kidoropamba no efa mihemotra tahak'izao dia efa ratsy mihitsy ny rivo-politika. Enga anie fotsiny ka mba tsy hiverina indray ny fanalana ny ain'olombelona amin'ny samy malagasy rehefa ho avy ny fanakorotanana.
7. ronaldo09 ( 20/09/2008 10:24)
Aza manao politika e!Sady tsy azoko koa ange ny tian-drangahy ho lazaina ry bandy akama a!
8. kidoropamba ( 20/09/2008 21:13)
Izao e: Tena ratsy dia ratsy ny fandehan'ny raharaha politika eto Iarivo. Efa tsy mifam-piteny intsony izahay eto @ fokontany misy anay.
Ka matahotra aho sao dia mandositra ny filoha hajaina ka ho doran'ny olona eo (sahala t@ radio tsioka vao) ny tranonay. Io tranoko io ihany no hany fanAnana ka raha hodoran-dry zalahy dia vita eo ny amiko.

Tsy fantako ny zava-miseho any ambonimbony any fa tena ratsy dia ratsy ny rivotra politika ato. Afaka miaro ny filoha hajaina ve ireto vazA manodidina azy ireto sa ahoana? Ary izahy ao anatin'izany ve mba ho hisy hiaro sa tsia?

Izaho mantsy efa tsy matoky ny miaramila sy ny polisy intsony.

Ny komandĂ” anay, patou tiramiway ty nalefa ambasadaoro. Iza ary sisa hiaro? Ry ivohasina? Yvan? Rakotondramboa? Tssssssssssss!!!!!Ireny no mandohalika voalohany raha miova ny rasa.

Ratsy ny rivotra ka aleho manao sary gaigy mangina fa raha tsy izany dia ho vita eo ny amiko.

Ravalomanana..... :?: :?: :?: :?:
9. simplex ( 20/09/2008 21:31)

hitako marary fo mintsy ela ity...
tena kozy eee :)

asivo rano mangatsiaka kely aloha :P
10. kidoropamba ( 22/09/2008 10:19)
Efa bobokin'ny rano mangatsiaka ny aty. Io foana no mba tsy vidim-bola aloha hatramin'izao.
Misy mitaky ny hametrahan'ingahy Rabenja ny milina indray ry zareo lohandohan'ny TIM ao. Izaho aloha manaiky raha tsy hanao zavatra ity be galOna ity e.

Ravalomanana any ONU.... :roll:
11. penguin ( 22/09/2008 12:58)
Ela aza tsy mividy vola ny ranomangatsiaka fa aty aminay mbola mandeha toerana lavitra no sady lany andro vao mahita rano. Raha ny resaben'ela tsy ho lany andro ve ny vahoaka fa resaka tsy hinanankanina rehetra io no andaniana andro olona. Izay ezaka tiana atao dia ny fanatsatsoana no lasa aloha.
12. kidoropamba ( 22/09/2008 17:44)
Lasa any z'ONU ny filoha hajaina ka hikabary rahampitso. hin!hin!hin!hin!hin!
Inona indray ny "hataka" rahampitso ery ambony pilopitran'i z'ONU?

Mazana hoa ity filoha hajaina ity marina e. Misy boky MAP valo no nentin'ingahy rainy any ka asa ahoana omena MAP angamba ry saVEzy ao VEnezoelA sy ry EvĂ´ Moralesy ao bolivia.

Atsilano ny sofina fa tena hanao kabary miezinezina ny filoha hajaina ao @ z"ONU ka mety resaka terorisma indray angamba no fika hangatahana vola satria ny rano sy ny tsy fahampina ara-tsakafo efa voalaza.

Ravalomanana......Ooie! oie! sa..????? :roll:
13. penguin ( 23/09/2008 06:39)
Hatrany @ razamben'ny Malagasy no nangataka ra-kidoropaimba fa aza be resaka a. Ela io no tena mpangataka f'aza mandaingabe. Hatramin'izao aza mbola mitanatana vava ho fahanana ary tsy mahazo firy ka mibabababa. Dia mahereza ary harisoa ny olona hiasa sy ahay hampiasa ny kely hazo fa tsy hitsingoloka lava izao.
14. kidoropamba ( 23/09/2008 07:42)
Izay vao azoko. Kay lovan-tsika io hata-dava io? okay Ary e.
Hitako no tena kinga ny filoha hajaina Ravalomanana raha hangataka mofo dipAina amindry zareo vozongo.

Ravalomanana.... 8-)
15. penguin ( 23/09/2008 15:29)
Lazao izay tsy nangataka fa na ny sehatra tsy miankina aza miandry hataka. Ianao no voalohany ka aoka hangina. Vao lany ny TGV voalaza FATRATRA dia nitady eran'ny rehetra ary notanisainareo teto fa nanome fampanantenana azy ny Frantsay. Koa milaza izay tsy nangataka. Mijere tena fa aza misary adala.
16. kidoropamba ( 23/09/2008 15:52)
Ie. Mijery tena mantsy izahay ka dia vaky loha fa raha mba nandeha tany ivelany tany dia mba nitondra vola sy fanAnana hoan'i vahoaka. Fa ny an'i filoha aloha betsaka noho izay e: dokotera sy pirofesora honorisy kAozA be izao no nentiny avy any.

Ary mbola any koa lery miaraka @ aropilany mitsangatsangana moramora any z'ONU. Miandry sary zahay zao fa efa higadona izy izay.

Ravalomanana be hataka..... :{ :{
17. Papoose ( 23/09/2008 19:43)
ka raha vao tsy mangatak izy de mety tsy hahazo le T serta otsan le azonareo reny tsony neeee!!! :lol:
18. kidoropamba ( 24/09/2008 08:47)
Mety marina izany. Kay tena "mangata-dava" marina no tena asan'izany filoham-pirenena izany ko. Toa mora be ilay izy raha izany. Mety ho filoha ihany ity aho @ 2011.

Alohan'izany kosa tokony mba asehony ilay vokatrin'ny hataka mba hanaovana bilAn kely fa toa manjavozavo ilay izy.

Ravalompangataka.... 8O 8O 8O
19. penguin ( 24/09/2008 13:26)
Ngaha moa tsy filoha hajaina indray ry sarin'adala eran'Anjaramasinina a. Ianao no manasoaso azy koa inona indray moa ty mpangataka. VALIO HOE IZA NO TSY NAMPIASA NA TSY NISY TETIK'ASA VAHINY NA VOLA VAHINY MIASA. Ny samy mpisolelaka ve no mody miteny. Izay no tsy mahatafavoaka ny tolon'adala satria ny mpisolelaka no mananatra ny hafa milelaka.
20. xxx ( 24/09/2008 13:28)
Ngaha moa tsy filoha hajaina indray ry sarin'adala eran'Anjaramasinina a.
:-D :-D aiza ity Anjanamasinina :lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0853