Dokotera mba mahay

1. rurik ( 02/09/2008 07:52)
Manahoana daholo mba misy fanotaniana kely ,
Misy havako any mada tsy salama lava de miha mahia fona de masaka fona koa ny vavany , de ny fanotaniana mba saika apetrako mba aiza no misy dokotera mba mahay ao tana fa efa maro ny pitsabo nalehany nefa toa tsy misy vokany daholo , de nanao radio tsy misy na inona na inona,
mba ampio re izay mahalala fa , mijaly le ankizy.
de misaotra anareo.
novalian'i ni81 ny 04/09/2008 16:01
2. ni81 ( 02/09/2008 08:06)
mba andramo ny mandeha eny @ Dr sinoa eny Mahitsy fa maro no mahita tombotsoa tany.
3. rurik ( 02/09/2008 09:01)
De aiza ilay toerana azafady?
4. ni81 ( 02/09/2008 09:36)
Bejofo no anaran'ilay toerana misy ireo sinoa ireo. Ao Mahitsy (RN4) afaka kelikely ny tsena no mivily kely miankavanana. Anontanio olona fa be mahalala io raha mbola eny @ manodidina eny e! Fivondronana Ambohidratrimo angamba moa izy io.
5. rurik ( 02/09/2008 14:34)
misaotra anao betsaka fa asaiko makany ry zareo.
6. niryna ( 02/09/2008 17:26)
rurik:

Manahoana daholo mba misy fanotaniana kely ,
Misy havako any mada tsy salama lava de miha mahia fona de masaka fona koa ny vavany , de ny fanotaniana mba saika apetrako mba aiza no misy dokotera mba mahay ao tana fa efa maro ny pitsabo nalehany nefa toa tsy misy vokany daholo , de nanao radio tsy misy na inona na inona,
mba ampio re izay mahalala fa , mijaly le ankizy.
de misaotra anareo.


izaho aloha tsy mahalala doko fa ilay resaka hoe masaka ny vavany dia asio jereny fa mety ho be asidra be izy izany .Dia aza asiana mihinana ireny sakafo be asidra ireny izy aloha mandra-pahalalana ny mahazo azy (toy ny voasary,paoma manta,voaloboka sns )
7. kalazagasy ( 03/09/2008 17:53)
Raha tsy mbola niova dia eny Antohomadinika ny fandraisana ny taxi-brousse mankany Mahitsy, anontanio fa misy taxi-brousse tonga hatrany @ io hopitaly Bejofo voalazan'ny ni81 io.
8. fahamarinana ( 03/09/2008 17:58)
:arrow: tsa mba misy fantatro zany toerana lazainareo zany.Fitsaboana sinoa moa zany ve,acunpucture sns...ve :?: (l)
9. ni81 ( 03/09/2008 18:19)
Raha tsy mbola niova dia eny Antohomadinika ny fandraisana ny taxi-brousse mankany Mahitsy, anontanio fa misy taxi-brousse tonga hatrany @ io hopitaly Bejofo voalazan'ny ni81 io.
Any Antohomadinika mihitsy ny taxi-brousse mandeha any.
tsa mba misy fantatro zany toerana lazainareo zany.Fitsaboana sinoa moa zany ve,acunpucture sns...ve
Hopitaly malagasy fa misy sinoa miasa ao, dia misolo toa isan-taona na isaky ny roa taona izy ireo. Manao acupuncture mihitsy koa ry zareo ireo.
10. fahamarinana ( 03/09/2008 18:24)
:arrow: hay efa hopitaly gasy mihintsy,taloha manko efa reko hoe hitsabo any amin'ny sinoa any mahitsy ..,sns... (l)
11. ni81 ( 03/09/2008 18:31)
hay efa hopitaly gasy mihintsy,taloha manko efa reko hoe hitsabo any amin'ny sinoa any mahitsy ..,sns...
Ie hopitaly gasy io. Tena maro no olona fantatro fa sitrana tao aloha e! Misy ny anesthésie générale na locale dia izay tian'ilay olona no ataony.
12. booboo ( 04/09/2008 11:18)
HS : fa ny tena tadidiko teny Bejofo, dia hatao vaksiny t@ zay dia doko sinoa no hanindrona. Saika nijanona ny foko nahita ilay seringue glady beeeee ôtra fanindronana omby ireny ay ay ay. Dia t@ roa taona niverina tany hijery ny salle niterahan'i mamanay anà, dia nitady an'ilay doko sinoa nampiteraka azy fa efa tsy tao tsony izy eeeeeeee ...

Fa mahay ny doko sinoa any Bejofo ...
13. ni81 ( 04/09/2008 16:01)
hoy booboo
Dia t@ roa taona niverina tany hijery ny salle niterahan'i mamanay anà, dia nitady an'ilay doko sinoa nampiteraka azy fa efa tsy tao tsony izy eeeeeeee ...
ka misolo foana ange izy ireo fa tsy misy maharitra ela eo e! Tsy tsaroako na isan-taona no miova na isaky ny roa taona. :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1037