Fanaratsiana re izany e!!!

1. ronaldo09 ( 01/09/2008 09:47)
Loza raha hahay hanaratsy ny filoham-pirenena ny sasany eto amin'ity sehatra politika ity !Marary mihitsy ny maso mahita ny sasany tsy mitsitsy teny avoaka nefa anie ka olona voafidin'ny vahoaka malagasy izao io olona haratsianao io ary voalohany eto amin'ny firenena e!
Raha ianao mpanakiana io moa no avela hitondra an'i Madagasikara afaka firy volana dia hihoatra an'i Amerika i madagasikara ?
Mba jereo sy lanjalanjao ihany ny teny avoaka ry namana!!!
novalian'i bazylou ny 02/09/2008 16:11
2. naughtyboy ( 01/09/2008 09:57)
inona no tinao lazaina @ zany ? milaza ny tsy mety ataony sy ny fitondrana entiny sa refa filoha de ekena na ratsy na tsara no ataony ,natao ho modely itarika izy reny ka raha ratsy ny oh. asehony sy ny zvbitany de ratsy zay fa tsy oe manaratsy.. ny kiana ry akama de misy ny atao oe fanatsarana ,ary fandrodanana.lazaina izy reny ialana ny ratsy fanao teo aloha ..
ozy ronaldo
" Raha ianao mpanakiana io moa no avela hitondra an'i Madagasikara afaka firy volana dia hihoatra an'i Amerika i madagasikara ? "
zany v tsy diso toerana zany kiana zany e,fa taonjato firy no nolalovany bekintana vao tonga @ misy azy izy reo tsy oh. azo raisina zany fa azo alaintahaka ny tsara nodiaviny
:D
3. ronaldo09 ( 01/09/2008 10:17)
Koa avelao ary hiasa ny fitondrana e!Nisy fifidianana anie vao haingana dia mbola izy no nametrahan'ny vahoaka ny fitokisany fa ianareo mahay manakiana io tsy hita tabilao !!
4. natiora ( 01/09/2008 10:41)
K any fitondrana r'ise tsy mahay miasa,mammeno posy no ainy,managardra,didy jadona ireo dia hainy
5. lolabe ( 01/09/2008 11:38)
Tohano tsara ao ny anareo ra Ronaldo09 a, sady za ko tsy nifidy an'io, mody miafina ao ambadiky ny fivavahana ao nefa mpanompo sampy gaigy lahy, zay anie le tsy mety mampandroso ity tanàna ty e, de maninn ko ra mba avela hiasa ny ben'ny tanàna Andry Rajoelina fa tsy finganina lava toy zao, ireny ry Baina no tena voafidim-bahoaka a, omeo azy ny fitantanana sy ny fandraisana ny désicion rehetra eto de hohitanao ny hofandroson'ity tanàna eto @ ville ty, teneno ny Ra-8 nareo rehefa menatra ny maha MERINA azy, fa izahay ndray no menatra oe mba merina ihany nefa zao no mba lohany
6. natiora ( 01/09/2008 11:54)
Marina ny anao ry Lolabe a!
7. nathie86 ( 01/09/2008 11:57)
Refa misy tenenina v tsy hiteny, tsy misy avela tsy hanoratra sy hamela ny dian'ny clavier ny tsirairay. Manoratana ny fanjakana iany no milaza fa democratieeeeeeeeeeeeeeeeeee
8. ravatorano ( 01/09/2008 12:44)
ronaldo09 w atramin'izao aloha dia ireo milaza fa manakiana ny fitondrana no mamaly anao ary tsy hita tablao ireo milaza manohana azy na koa hoe tsy te hiteny angamba.

Amiko indray dia ilaina ny fanakianana raha entina hampivoatra ny fiainan'ny firenena.Izany fanakianana izany dia tsy hatao be fahatany fa koa fanakianana asiana soso-kevitra.
Amizao mantsy ny fanakianana dia "toa lasa bontolo".Raha resy teo amin'ny fifidianana ry zalahy na koa tsy nahazo toerana fa nilaza ho niray petsapetsa amin'izao fanaganana izao fitondrana izao dia lasa manao fanoherana tsisy vaha olana.AO koa no miteny fa mba betsaka ihany ny fanehoan-kevitra ombà-vahaolana natolotry ny mpanohatra saingy ny eo amin'ny fitondram-panjakana no "manao be marenina".
Raha izany ary dia hita fa tsy hisy fifanatonana mihitsy eo ami'ny mpanohitra sy ny fitondrana ary tsy hisy hevitry ny mpanohitramihitsy ho raisin'ny mpitondra ka mba anisan'ny toerana hahafahan'ny namana sasany izay mihevitra azy fa "manohitra" izao fitondra izao ny sehatra toy itony nefa tsara raha asiana fifanajana mihitsy manoloana an'izay ary isaorana ny be sy ny maro mpandray anjara aloha izany fa mbola tsy nisy fanompana na fanimbazimbana tompon'andraiki-panjakana teto amin' ity lohehevitra ity !
9. penguin ( 01/09/2008 13:47)
Fanakianana amin'ny gasy tsy mitovy amin'ny hevitry ny fanakianana eran-tany. Ilay MPANAKIANA GASY MANTSY DONTO SADY BE KORETAKA. :-D :-D :-D
10. MIANTA ( 01/09/2008 14:42)
Fifidianana marina aloha no nahatonga ny mpitondra eo e! Saingy izahay nifidy azy tamzan d voafitaka tsara mints tamin'ny fiheverana azy ho kristianina mafana fo, feno fahatahorana an'Andriamanitra. Ka mba tadidinareo kosa v moa ireny fifangaroan'ny fivavahana tamn'izy nitokona ts hanao 2ème tour ireny. Saingy rhf tonga teo iz vao niseho ny dorizinina. Ka ts normal kosa v izahay diso fanantenana ireto raha mba hanakiana satria voan'ny fitaka b vava otranzao
11. kidoropamba ( 01/09/2008 15:17)
Izaho aloha tsy mbola nahita teto hoe manaratsy ny filoha hajaina Ravalomanana. Zaho manokana aloha dia dera no arosoko ho azy noho ny ahatonga antsika malagasy ho ao anatin'ny G-8 afaka volana vitsivitsy.
Tsy misy sahy hanao an'izany kosa e. Ny vahoaka malagasy izao dia mpanankarena be kibo dolidoly; ny ankizy malagasy izao dia tena hikoizan'ny firenena vahiny raha amin'ny fahaizana, ny lAlana dia vita soamantsara ka tsy misy intsony ireny mpitarika poussy feno anana sy voatabia isa-maraina manentsina ny lalan'Iarivo iny. Tsy misy intsony ireny.
Efa teny angilisy izao ny fiteny fa efa tsy gasy firy intsony. Hello! yes! iny no fiaraban'i filoha hajaina ny vahoaka malagasy.

Mivoatra e.

Tsy misy vahoaka mimenomeno izany fa samy faly daholo satria voky, afaka mampianantra ankizy, ny lehilahy moa samy manana vadikely dolidoly fa raha tsy izany dia ataon'ny sasany tsy ampy vola.

Dera sy laza no arosonay an'i filoha hajaina fa tsy tsikera tsy mahavoky izany.

Ravalomanana ihany fa... :x
12. bazylou ( 01/09/2008 16:58)
IZaho aloha dia asiako mazava e!! tsy misy an kindrafo mihitsy io satria , na dia tsy nifidy an'ilay io aza dia hita mzava fa tsy lany amin'ny fitspika mazava ilay io.
Ary raha izao no anontaninao ronaldo dia defi ny ahy ary 2 taona au maxi dia lasa io.
Esoriko tao andohan'ny gasy sy ireo be zity ireo izany hoe hangataka izany.
RAha ny tena marina anie dia ireo milaza azy ho miliardera gasy ireo dia mpisolelaka ny vola avoakan'ny fmi sy ny bm fotsiny e
Esory anie io dia hitanao fa mitovy aminao ihany ry zareo ireo.
:-P :-P :-P
13. naughtyboy ( 01/09/2008 17:55)
nangataka fanazavana ka omena fahafahampo ny namana eto,araho ary reto ary lanjalanjao tsara ,za miresaka eto dia tsy mpanohana na mpanohatra fa miainga avy @ fijery(aspiration publique) mahaolompirenena malagasy ahy zay ireharehako n\\\'aiza n\\\'aiza,karazany 3 no lojika miseho @ zvrehetra :
-ny fahalalana ny zavamisy,ny antony, ny vokany na ny io zvmisy io fiantraikany @ zao fotoana sy ny ho avy
avy @ zvmisy reto iangaintsika reto mba ifanaraka ny resaka ,

-Zavamisy : simba ilay endrika antsarin\\\'i M.kara tanindrazana iombonana taorinany fahaleovantena zay tsy inona fa ny fanantenany reo malagasy anarina ity firenena ity(48 taona)..tsotra ny zavatra no nangatahiny vahoaka nandritra izay fotoana izay ialana ny ziogany mpanjakazaka antanin\\\'olona(mpanjanaka,ny mpitondra manapatra fahefana sy ny mpangoronkarena...),nofidiana reo antsoina oe \\\"mpitondra \\\"ampandroso sy hiaro ny soa iombonana,soa toavina, zo sy sata ary hasina mahamalagasy,ampirindra ny fiainampireneny @ rariny sy hitsiny ka ampijoro an\\\'i M.kara ho anisany firenena mandala ny fivoarana sy fandrosoana ao @ ranomasimbe indiana ,tsy nisy tanteraka ny faniriany reo maro an\\\'isa niandrandra izany fa fijaliana no tambiny azony..
-Ny antony :Tsy miandry olona tapitr\\\'ohatra izy ireo na anjely fa olona afaka manaporofo ny asa nifidianana azy sy manatanteraka ny andraikitra ary ny adidy iantsorohany.Noho reo zvmisy tsy azo odiantsy hita intsony dia mipaka any @ fahantrana zay tsy azo saintsainina ny firenena sy ny vahoaka,fahavoazana iray lavaka(total chaos) ra ny oh.ny toekarena no jerena de zao(2007):
-fatiantoka @ toedanja arabarotra ivelany de manenika ny 884 DTS ary tafakatra 50,7 % ny tahany fanondranana entana
-fatiantoka ara tetibola de mahatratra 645,9miliara ary 4.7% ny harinkarena faobe
-ny trosa any ivelany kosa de tsy nitsahatra mitombo mitentina $ 4 billion
azo vy @ mpampindrana vola
ra ny fiarahamonina sy kolotsaina ary fanabezana ,fitsaboana sy ny fandraharahana ny fiainana ankapobeny aloha de fihemorana tanteraka tsy ho tanisaina eto fa fahoriambahoaka no mahalaza azy...

-Ny vokany:
Dia mialatsiny aho ilaza etoana fa safidy io noekena alohany andraisana fahefana,io safidy io no fahefana mampiditra sy afaka manala @andraikitra ra tsy efanao ny adidinao ary zo ny vahoaka izany tsy azo esorina aminy na kely aza izany satria fahafahany ..
Ary ny vahaolana de misy fa tsy oe tsy misy araky ny lazainy ravatorano io oe tsy mihaino tsy mijery afatsy zay mahasoa azy sy ny orinasany ny mpitondra ka manao tsinotsinona ny tombotsoambahoaka,zvmisy daoly reo voalazako reo fa tsisy angano efa voamarina ka izany v no atao oe manaratsy sa mijery ny zvmisy ary mandroso vahaolana mahomby analana reo tsy mahavita...
ny resaka ze tsy faly mibotsina de tsy mandeha lalana satria efa milaza ny tsy fahafaliany daoly ny vahoaka fa tsisy mibotsina intsony ary mitady lalana anovana famindra

:D :D
14. simplex ( 01/09/2008 18:47)

ary i ronaldo taloha otran'ny anti-ra8 be zany sa za no diso fitadidy? :)
15. ravatorano ( 02/09/2008 05:28)
simplex < za oa less ohatran'ny te hilaza an izay kle :wink: nefa sao anisan'ilay tsy tsara fitadidiana aho :wink:

dia miandry ny fifidianana manaraka izany e fa raha ireo olona milaza mpanohitra amin'izao koa anie tsy hahatafavoaka baolina mihitsy e ! na dia miteny aza zareo fa ho tohizany hatrany ny famoriam-bahoaka izay kasainy !

dia ho hita eo ny fivoaran'ny raharaha !
16. penguin ( 02/09/2008 09:33)
Aty aoriana nahita ny mendrika aminy izy koa inona no tsy mety amin'izany? Iza no tsy miova na tia hijanona tsisy fivoarana. Revin'ny ntaolo tsy mahafaty baolina eo ihany ve?
17. taref ( 02/09/2008 14:26)
zao ngeh ny zavatra mba tena mahagag e ! Ra8 mba miseho ho mpivavaka nefa tsy mbola hitako mintsy iz nitarika ny vahoaka ivavaka hatram zay kabary rehetra natôny zay !
sad zao ko e ! na de atao ary oe tena tsy mahita ny zava misy aty @ vahoaka aty ambany ve de tsimba mahita ny fahatran'ny gasy lery refa le mandeh vam mivavaka any Merikasinina reny !
Za lo tsy mino oe olona tena tsara saina lery io e !
Ny zavatra ray eritreretiko ko de oe : mety ol complexé lery io t@ mbola kely de io manapitra fahefana io refa mbô tafita! atao aôn eeee ! tsy hita fa vokatry ny fahantrana nisy teto Madagasikara daôly zany reetr zany e !
Nena manokana lo de aleoko lavitra amidy @ vahiny madagasikara e ! @zay samy miaritra ze anôvany azy eto ! ohatra oe amidy @ Amerikana na Sinoa farafahalikamatiny ! :P
Ny gasy manko tena tsy misy antenaina eeeee!
Rerak be aho zany fa tsy nisakafo androany ! tena rerak eeee!
mba vonjeo eee!
18. bazylou ( 02/09/2008 16:11)
Manao resaky ny noana sy marenina ko aiareo izany ry taref ann!!
:roll: :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0552