mmm

1. xxx ( 22/08/2008 07:16)
Tsy dia hoe resaka be inona loatra ity fa marary be ny foko :cry: ka mba mizara eto, tsy nahita tory alina. Efa miezaka ny hitia sy hijery ny sipako fotsiny ihany aho nefa dia noho ity fitiavana ity dia nitia olona tsy tokony ho tiaviko mihitsy aho (tsy afaka teneniko sao mantsy...). Lasa niaraka tamin'olona vao tsy ela izy ny zavtr niova.

Tsy dia haiko loatra ny ataoko sady fantatro fa tsy tokony anao ininona aho.
Mitsiritsiry any amin'ny tsy tokony ho izy koa moa ity fitiavana fitiavana ity. Tsy dia mpivavaka koa moa ny tenanay ka tsy dia misy hitodiana.
novalian'i bazylou ny 23/08/2008 20:42
2. fasaly ( 22/08/2008 11:59)
ka samy efa mitsiry eny rehetra eny izany ny fitiavanareo mitsamy koa inona no mankarary fo? he izany izy hoe :
nitia olona tsy tokony ho tiaviko mihitsy aho
sy hoe:
Lasa niaraka tamin'olona vao tsy ela izy ny zavtr niova.
...ka efa samy nahazo ny tandrifiny izany ko! :roll:
sa narary fo hoe lasa niaraka am olona hafa izy......?????
Efa miezaka ny hitia sy hijery ny sipako fotsiny ihany aho

mihezaka ny hitia sy hijery
3. ni81 ( 22/08/2008 12:07)
Tsy mandatsa akory sanatria fa ny nataonao ihany ange izany no mimpody aminao e! Samy nandeha samy nitady izany zao ianareo; koa mba ahafaka ny aretim-ponao dia tohizo ny fiarahana @ ilay namitahanao azy...
4. xxx ( 22/08/2008 12:29)
izay voa manodidina dia vakio ny baiboly
5. xxx ( 22/08/2008 14:35)
miala tsiny fa mety tsy ampy ilay fanazavako voalohany. Tsy miaraka izahay sy ilay olona hafa. Ny nankarary ny foko dia izy lasa miaraka aman'olona amin'izao. Ny olana amiko izany dia nitia azy tsikelikely teny aho fa mpinamana mantsy izahay.Ary tiako koa ny sipako. Ary nony fanajako azy dia tsy niteny nininona tamin'ilay namako aho. Sady tsy te hitia azy koa aho nefa araky ny efa noteneniko hoe efa lasa tiako izy nefa. Ka tsy haiko ry reto an! tokony tsy mifankahita intsony angamba izahay nefa mety sarotra ihany satria...
6. simplex ( 22/08/2008 15:55)
:):):)
ny fitia tsy azo ferana... ny fiainana izany fitiavana izany kosa anefa zavatra hafa.
Misy koa ny atao hoe tsy anjara... avelao izy aloha hiaraka @ ilay vaovao. Ra raikitra ny azy dia efa tsy anjara ny anareo izany fa izy no tiany. Ra tsy manjary moa dia arahaba soa, arahaba tsara. Ianao koa manam-potoana hitiavana an'ilay tena anao sy ny hoe mety hahita fa tsy tonga lafatra ihany izy.
Tonio ny fo, fiainana doly izany, ary ny mangidy anio mbola ho mamy ampitso :);-)
7. xxx ( 22/08/2008 15:56)
Izay joba eo akainao eo no tiavo aza mitady an'izay tsy itanao. Amin'izay ianao dia tsy marary fo.
8. xxx ( 22/08/2008 17:48)
lalina koa izany ry xxx-1. Ny pb ange, tsy misy fanafody ny fitiavana e!
9. kelly13 ( 22/08/2008 20:21)
mmmhhh, lalina marina
10. fijo ( 22/08/2008 20:26)
lalina be ve ry kelly???
11. ikaretsaka ( 23/08/2008 20:07)
kelly koa ty to lalina an
12. Herimiafina ( 23/08/2008 20:15)
xxx:

Tsy dia hoe resaka be inona loatra ity fa marary be ny foko :cry: ka mba mizara eto, tsy nahita tory alina. Efa miezaka ny hitia sy hijery ny sipako fotsiny ihany aho nefa dia noho ity fitiavana ity dia nitia olona tsy tokony ho tiaviko mihitsy aho (tsy afaka teneniko sao mantsy...). Lasa niaraka tamin'olona vao tsy ela izy ny zavtr niova.

Tsy dia haiko loatra ny ataoko sady fantatro fa tsy tokony anao ininona aho.
Mitsiritsiry any amin'ny tsy tokony ho izy koa moa ity fitiavana fitiavana ity. Tsy dia mpivavaka koa moa ny tenanay ka tsy dia misy hitodiana.


Adino ho azy eo retsy io rehefa ohatr'izay sy ohatr'izay. Ilay andro voalohany fotsiny no mankarary fo be fa afaka herin'andro dia hihomehy indray ary ndroky.
:^)
13. kelly13 ( 23/08/2008 20:19)
inn ndray zao no tinareo lazaina ry verrou sy lefijo??? :°)
14. bazylou ( 23/08/2008 20:42)
dinn, misy lalina be kay atoooo!!!!!!! :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6616