Marseille

1. Ika ( 18/08/2008 09:46)
Manao ahoana daholo isika namana
Mba te hanontany kely azafady an'izay mahalala an'i Marseille. Aiza kay no tsara andehanana raha hiantsena any marseille ? Olona mpanao vakances fotsiny izahay io dia tsy mahay ny tanàna.
Raha mba mety koa dia mba atoroy ilay toerana misy an'ilay tsena fa sao dia manjary tsy hitanay indray.

Ary raha tsena gasy koa dia aiza no tsara? Misy hoe "tsena be" izany resahan'ny olona fividianana THB fa asa na aiza ho aiza ao Marseille ilay izy.
Dia misaotra mialoha antsika e.
novalian'i tywa68 ny 26/08/2008 10:02
2. endrika01 ( 18/08/2008 10:25)
Nenah zao zany THB zany no tiko ho sotroina,hi hi hi:-P
3. Samoana ( 18/08/2008 21:47)
Place Castellane aleha.
1)Mora hita izy io satria be mpahalala
2) Misy station métro izy io mampifandray toerana maro. Marihina fa manahirana ihany mantsy ny mitady parking raha sendra fiara no andehanana.
3) Fiandohan'ny tsenabe isa-maraina izy io (Avenue du Prado)
4) Tsy mifanalavitra ny tsena gasy " Bozy Création"izay ahitana THB sy zavatra maro mikasika an'i Madagasikara koa io toerana io.

Adiresy mazava: "BOZY CREATION"- 16, rue du Rouet Marseille 6è
04 91 22 39 09 na 06 86 44 99 80.
A 300 m miala ny place Castellane, ambadiky ny Monoprix avenue du Prado
Dia anontanio an-drizareo ao ny toerana tianao ho hita fa efa ela nihetezana Marseille izy ireo.
Dia mazahoa ny matavy ary dia miandry tatitra eto ihany sao mba afaka mifandom-bera
:wink:
4. kelly13 ( 19/08/2008 18:49)
ary inn le mpivarotra entana gasy ery akaikin'ny obelisque ry samoana? za any fôna no mande matetika, sinon refa tena mangateta limonade d mande eny @ sinou ery @ tsenan'ny 1er ery
5. tywa68 ( 23/08/2008 16:41)
Kelly13 : efa ela no tsy misy intsony io magazay noteneninao io :lol:
6. kelly13 ( 26/08/2008 09:16)
tywa68>marina oe, vôtery hitady an'i bozy zany refa any marseille indray! tsy nampoiziko kle :°)
7. tywa68 ( 26/08/2008 10:02)
Kelly13 : ty koa mbola an'i Bozy ka ahitanao produits isankarazany fa toa zaitra no tena ataony ao :

Bozy Création Diffusion
42 Boulevard Reynaud
13008 Marseille
Téléphone : 04.91.76.27.86
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1444