Hatraiza ny habibian'ireo Malagasy?

1. lagoon ( 18/08/2008 07:02)
[URL=http://imageshack.us][IMG]http://img55.imageshack.us/img55/5354/unefdvvj4.jpg[/IMG][/URL]
[URL=http://g.imageshack.us/g.php?h=55&i=unefdvvj4.jpg][IMG]http://img55.imageshack.us/img55/5354/unefdvvj4.71d55072fd.jpg[/IMG][/URL]
novalian'i fijo ny 21/08/2008 20:40
2. rabingogilabanga ( 18/08/2008 07:40)
1)mampalahelo dia mampalahelo ny toy izao, mamangy @ fahoriana, sy mirary fiononana ho an\'ny fianakaviana, ary dia manantena fa hiasa ny fanjakana ka ho tratra haingana dia haingana ny nanao izao, ary dia ho voasazy d\'une manière exemplaire. tsy @-na valifaty fa kosa , mais que justice soit faite.

2)ny fanjakana no tompon\'andraikitra, na @ securité, na @ justice. malahelo anefa aho hilaza, fa tsy indray mandeha, fa mateti-pitranga ny toy izao, ao Madagasikara, aiza ny fanjakana?

3)Misy indray sahy hilaza, fa misy an\'io eran-tany:

a)possible, saingy ny ao madagasikara dia crime azo sorohina no misy, mpangaro-paosy, fahafatesana raha vao mivoaka alina, vaky trano miharo vono olona; ny any @ toerana hafa afaka mivoaka alina ianao, sty olana, tsy misy ny vaki-trano(oh: la frantsa, allemagne, ...)

b)tsy mitovy ny crime tsato-kantsy ny adolescent ao londres, izay tsy rariny ihany koa , guerre de gang, izy samy izy, sy ny fanafihana trano azo sorohina,

c)Ny taux de criminalité rahateo ao madagasikara, dia avo dia avo, ary feno eran\'ny nosy(ny dahalo any ambanivohitra, etc...); ny any ivelany anefa voafetra @ toerana iray(oh:bronx sy chicago ao USA, londres ao angleterre,...
ny antsika partout

4)ato @ fivavahana moa ity resaka ity, ary asa no nahatonga azy tato, fa ny tsy tokony ho hadinointsika dia ny tokony hivavahantsika mafy ho an\'ny tanindrazana.

5)anjaran\'ny mpino sy ry mompera ary ry pasitera ny mitaiza ny fanahin\'ny olona, anjaran\'ny fanjakana ny mampihena ny fahantrana, mitandro ny filaminana, ary mananfay ny ratsy saina

6)samia mandini-tena
a)ny pasitera sy ny mompera, ary ny mpino mahavita tsara ny asany,
b)ny mpitondra? asa... fantaro!
c)ny mpitsara sy ny polisy? asa ... fantaro!
3. sarobidy ( 18/08/2008 08:18)
Ontsa tena ontsa ny foko nahita an'io taninkeo. Meteza nareo eo am toeran'ny RAD n'ilay zaza. Raha ny hitako tao am gazety teo toa hoe ny "amant" an'ny renin'io zaza io aloha zao no efa voasambotra nahiana nahavita izao fa mbola tsy hay ko nge zay tena fahamarinany e
http://www.lexpressmada.com/index.php?p=display&id=19872
Misy sary hafa ankoatran'io ko ao anatin'io gazety io.
4. fahamarinana ( 18/08/2008 19:11)
:arrow: misaotra any sarobidy nametraka ilay rohy...Mampalahelo tokoa.Be tokoa ny olona mahavita habibiana toy izao fa tsy ny malagasy irery ihany... :( (l)
5. papala ( 19/08/2008 10:42)
ny sazy eto mada mihintsy no tokony hatao enjana rehefa fantatra tsara sy hita porofo ary niaiky lay mpamono fa namono dia tokony asiana sazy famonoana koa eto, fa tena hita fa tsy rariny lay izy. 8O 8O 8O 8O 8O 8O 8O 8O 8O 8O :-@ :-@ :-@ :-@ :-@ :-@ .Tokony hatao oh t@ taloha hoe: zay mamono olona dia VONOINA, zay mangalatra dia TAPAHANA NY TANANA, zay misoloky dia gadraina.........
6. agoago ( 19/08/2008 12:37)
Tsy gasy zany fotsiny no mahavita habibiana ohatra zao fa na vazaha aza, rehefa tratran'ny devoly fanahy. Ny vazaha aza no tena mahavita crime parfaite, tsy tratry ny sainao mihintsy rah ny mba fijeriko fotsiny. Fatin lay olona mila tsy hita, mila tsy ho tratra izy fa mihodinkodina eo ny polisy sy tribonaly antaonany maro. Io dia araka ny voalazan'ny baiboly hoe any amparany any ny olona dia ho tia vola, ratsy fanahy, efa amin'ny andro farany isika
7. sarobidy ( 19/08/2008 13:17)
agoago: zà koa aloha tena miombon-kevitra aminao ny amzay hoe efa andro farany tsika ito ngamba fa habibiana isan'andro no hita isaky ny mba mamaky gazety, matsiravina ny dahalo, mpanendaka, mpamono olona, sns...

fahamarinana: tsisy fisaorana é!
^:^
8. kelly13 ( 19/08/2008 18:54)
sanatria rey oul mahita le zanako za a :cry: :cry: :cry: ndrekaky ô
9. prime ( 21/08/2008 10:45)
:cry:

Eo am-panaovana famotorana ny manam-pahefàna ary naiditra am-ponja vonjimaika i "Kevin", "amant" 'ny renin-jaza... izy tsy mihaiky heloka sisa no mahatonga ny famotorana hitarazoka nefa ny porofo rehetra efa tao an-tranony avokoa no nahatratrarana azy...

Miandry ny fianakaviana hilamina kokoa ny fitsaràna dia handray an-tanana ny raharaha...

Io filàn'ny nofo io anie ka mitera-doza e... ny tenin'Andriamanitra efa mampitandrina tsy mitsahatra... ilay izao tontolo izao efa mihazakazaka ho amin'ny fahaverezana... mila fandinihan-tena sy fiambenana mandrakariva...
10. fahamarinana ( 21/08/2008 14:59)
prime:
mila fandinihan-tena sy fiambenana mandrakariva...

:arrow: marina izany ry prime.. (l)
11. fijo ( 21/08/2008 20:40)
aleo aloha tsy miteny fa mbola manao famotorana ny fanjakana izao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0518