Na dia iray fotsiny ihany aza ve ?

1. niryna ( 18/08/2008 05:12)
Hoy ity namana iray mikasika ny didy folo hoe raha mba voatandrinay kosa aza ve ny fito amin'ireo didy folo ireo tsy efa mba tsara :D :D =D=D
kanefa ny tenin'Atra dia manambara hoe
Jakoba 2
10 Fa na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin'ny iray loha, dia meloka amin'izy rehetra.

11 Fa Ilay nanao hoe: "Aza mijangajanga" no nanao hoe koa: "Aza mamono olona" (Eks. 20. 13, 14). Fa raha tàhiny tsy mijangajanga hianao, kanefa mamono olona ihany, dia mpandika ny lalàna hianao.

Jakoba 3:2
2 Fa tafintohina amin'ny zavatra maro isika rehetra. Raha misy olona tsy mba tafintohina amin'ny teny, dia izy no lehilahy tanteraka ka mahafehy ny tenany rehetra koa.
Matio 5
19 Ary amin'izany na zovy na zovy no mamaha ny anankiray amin'ireo didy madinika indrindra ireo ka mampianatra ny olona toy izany, dia hatao hoe kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra izy. Fa na zovy na zovy no mankato sy mampianatra ireo dia izy no hatao hoe lehibe amin'ny fanjakan'ny lanitra.

Ahoana no hevitrao ?
Inona no tiany ho tenenina ao amin'io Matio 5:19 ?

misaotra mialoha
(l) niryna
novalian'i xxx ny 26/09/2008 11:44
2. ikaretsaka ( 18/08/2008 05:19)
hmmmm mahaliana saingy nifamadika fotsiny ny nojerentsika sy i niryna

HOy ny evanjely amin'ny heriny hoe
http://baiboly.katolika.org/boky/Matio/19:16-22

dia ahoana ny tiany lazaina
misaotra mialoha :wink:
3. niryna ( 18/08/2008 17:44)
ikaretsaka:

hmmmm mahaliana saingy nifamadika fotsiny ny nojerentsika sy i niryna

HOy ny evanjely amin'ny heriny hoe
http://baiboly.katolika.org/boky/Matio/19:16-22

dia ahoana ny tiany lazaina
misaotra mialoha :wink:

ny fahafantarako io teny tiany lazaina io dia mitady ny fanjakan'ny lanitra ilay tovolahy mpanankarena ka rehefa notsampain'i JK ny fanahiny tamin'ny zavatra mampalemy azy dia niala izy,satria mbola sarobidy aminy ilay fananany.Tsy nieritreritra ny ametraka an'i JK ambony noho ny zavatra rehetra sy ny ambony noho ny fananany izy .
Moa ve midika izany fa ny mpanankarena rehetra dia tokony hivarotra ny fananany ? tsia no valiny aloha ,saingy raha mba nomena izay mihoatra noho ny rehetra isika dia mba afaka mizara na manampy ireo mahantra..
Na izany aza dia miezaka ny ametraka an'i JK ambony noho ny zavatra rehetra isika ary miezaka ny hiala amin'ny toetra ratsy izay misy amin'izao fiainana izao,tsy mora kanefa inona tokoa moa no zavatra sarotra tsy vitan'Atra raha ataontsika amin'ny finoana izany ? ary miezaka miala ny zavatra rehetra amin'ity fiainana ity isika,hialana tsikelikely ny fiainan'izao tontolo izao(fantatrao ny tiako tenenina an...toetra ratsy,fitiavantena,
fialonana,fifosana,fankahalana, izay toetra tsy mifanaraka ny fampianarana nataon'i JK ho antsika ...sy ny sinful nature na ny fahotana hafa izany http://baiboly.org/toko.asp?boky=GALATIANA&toko=5&andininy=19-21&dika= ka ovaina ho 22 Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana,23 fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany. Galatiana 5:22-23 ]

4. ikaretsaka ( 18/08/2008 23:12)
niryna> ny tiako itaritana azy dia hoe ..io tovolahy io dia tsy nandika na iray fotsiny ihany aza izany nefa tsy nanana anjara!

ilay jiolahy niara nofatsihina taminy (mpanota be mihitsy matoa atao heo Jiolahy izany) nahazo anjara

I piera Nanda Azy in-3 sy mpitesta Azy hoe "raha tena ianao aza io de asaivo mankeny ambony rano ireny mandeha @ izao ahako"...nahazo anjara...

dia izao ary: Le tovolahy sa ry piera?
5. niryna ( 19/08/2008 04:55)

satria koa ny teny manambara fa tsy ny fanaovana ny asa no ahazoantsika famonjena fa fahasoavana nomen'Atra izany, tsy avy tamintiska fa avy tamin'ny finoantsika an'i kristy....na inona ataontsika kanefa isika tsy manana an'i kristy dia ho zava-poana izany.Ilay mpanankarena dia ny harenany no mahafaty azy.Marina fa tsy nandika lalana izy fa kosa rehefa nasain'i kristy nivarotra ny fananany izy ka omena ny malahelo dia lasa nandeha tamin-kalahelo satria tsy nahafoy ny hareny.Toa izany koa isika misy zavatra sarobidy izay tsy mbola fointsika na dia manompo an'Atra aza isika ( misy ny mivavaka any amin'ny mpimasy na maka fanafody gasy ohatra araky ny voalazan'ny ankizy hoe kanefa anie izany dia .......tena olona nantsoin'Atra ao amin'ny fiangonana mihitsy ireo olona ireo...mbola tsy mahafoy ny fiainan'izao tontolo izao na mbola tsy tena mino ny fahasoavana nomen'Atra azy ,,na koa voninahitra no tadiaviny.. ireo dia ohatra fa tsy dia hoe akory hitsara isika ,sanatria izany fa ny zava-misy no jerena ary izay no nahatonga an'i JK nanao fanoharana,fanoharana marobe no nataony mba hampisaina ny olona ....
Raha mikasika ireo hafa nolazainao ireo indray dia aleo lavitra tonga dia mibabako,Petera izao rehefa notenenin'i JK fa hamadika azy in3 izy ary dia namadika tokoa izy kanefa dia nahatsiaro ny tenin'i JK ka dia nibebaka..toa izany koa ilay jiolahy ....izany hoe tsy misy fahotana kely na lehibe fa rehefa nanota dia nanota ,ny sazy omena azy ireo no mety ho samy hafa ...ary dia ho feheziko amin'ny tenin'i kiristy hoe izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy ...na hoe tsy misy na iray aza marina eto ambonin'ny tany ...saingy raha miaky ny fahotantsika isika,raha matoky marina fa Atra efa nanagana an'i kristy tamin'ny maty dia ho vonjena isika ,ary tsy isika ihany fa ny ankohonantsika ihany koa...ary dia mbola namafisin'i Kristy ihany izany hoe avia hifandahatra amiko ,fa na dia mena toy ny jaky aza ny fahotanareo dia ho fotsy toy ny oram-panala .....izany hoe tsy ny asa aty ivelany no jereny fa ny fo izay miaiky fa diso .ary miaiky an'izany ka mangataka famelankeloka sy mibebaka amin'ny fo tokoa ..mazava ve
6. papala ( 19/08/2008 10:57)
ka noho izany dia tsy misy mahatandrina ny didi 10 na dia ol 1 aza fa tsy maintsy eo @ didy 8 eo no voatandrina raha be indrindra, za zao efa nandainga kely indraindray, efa nitsiriritra ny zavatry ny namana. Ka dia mibebaka sisa no azo atao, satria Andriamanitra dia tonga mba hamonjy ny mpanota hibebaka fa tsy hiantso ny marina. =)) =)) =)) =)) =)) =))
7. ikaretsaka ( 19/08/2008 13:20)
izay mihitsy ry papala an
8. niryna ( 19/08/2008 17:23)
papala:

ka noho izany dia tsy misy mahatandrina ny didi 10 na dia ol 1 aza fa tsy maintsy eo @ didy 8 eo no voatandrina raha be indrindra, za zao efa nandainga kely indraindray, efa nitsiriritra ny zavatry ny namana. Ka dia mibebaka sisa no azo atao, satria Andriamanitra dia tonga mba hamonjy ny mpanota hibebaka fa tsy hiantso ny marina. =)) =)) =)) =)) =)) =))

izay indrindra ary izany no antony nahatongavan'ny Zanany tety ambonin'ity tany ity,hiantso antsika rehetra mba hibebaka ary hino Azy fa efa nasehony teo amin'ny hazofijaliana ny fitiaavany antsika mba ho marik'izany .

Andao ataontsika ary hoe Misy i Kristy ...izay tena misy izy ho an'izay mino Azy

Izany hoe raha atao hoe misy olona any tsy mino ny famonjena avy amin'i JK dia izy no ho voa mafy satria tsy nisy vola naloha ny fizarana ho azy,ary raha toa ka nino kosa ilay olona dia izy no ho sambatra indrindra satria tsy nanao na inona na inona akory fa dia nino fa Atra Izy,Zanak'Atra Izy,nandefa ny fanahiNy mba hiaraka amintsika ho mandrakizay Izy ary dia hiaraka amiNy amin'ny fiainana mandrakizay koa izy..
9. ikaretsaka ( 20/08/2008 04:37)
ka tsy ny filazana azy ho voa mafy no fika fitaritana ny olona ry niryna an.

tsy misy hafa @ ity fanoharana ity: hoe miasa @ na orinasa mpanao tafo ianao na nampiasa tafo vaovao dia milaza @ olona hoe "mitete ny tafontranonao dia ho lena ianao raha tsy mampiasa nytafo vaovao zarainareo "

fa ny fahitany rehefa mijery anareo mialoka hoe tsy mitete toy ny azy ny tafonareo dia tsy lena ianareo...no mahatonga azy hirona kokoa haka ny tafonareo... fa tsy ny filazanao ny anao loatra

be pratctical ohatran'izay!
10. fahamarinana ( 20/08/2008 07:47)
:arrow: ié,misy ekeko ny tenin'ika teo,isika mpino no mahita fa voamafy izy fa amin'ilay olona tsy dia misy importance loatra izany rehetra izany...
Ohatra lazaiko fontsiny hoe zà fony mbola tsy tao amin'ny Tompo,marina raha nahatsiaro tena voamafy izany satria ny herin'ny tenako no nianteherako ary dia niaina toa ny rehetra ihany koa.Ny tiako lazaina hoe tonga Mpino tanteraka aho satria resy lahatra ny Fahasoavana azoko ombieny miaraka aminy...ao anatiny aho no mahatsapa izany fa ny olona ety ivelany tsy ahita na ahatsapa akory raha mbola tsy miaraka Aminy.
Itovizako hevitra ilay hoe :
ika:
tsy ny filazana azy ho voa mafy no fika fitaritana ny olona ry niryna an.

fa azo atao koa ny milaza hoe mahafinaritra anie ry reto ny miaraka amin'ny Tompo e,milamin-tsaina,mahita vahaolana ,mahazo fiadanan-tsaina,sns...sns... :) (l)
11. todisoa2 ( 21/08/2008 06:53)
niryna:

Hoy ity namana iray mikasika ny didy folo hoe raha mba voatandrinay kosa aza ve ny fito amin'ireo didy folo ireo tsy efa mba tsara :D :D =D=D
kanefa ny tenin'Atra dia manambara hoe
Jakoba 2
10 Fa na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin'ny iray loha, dia meloka amin'izy rehetra.

11 Fa Ilay nanao hoe: "Aza mijangajanga" no nanao hoe koa: "Aza mamono olona" (Eks. 20. 13, 14). Fa raha tàhiny tsy mijangajanga hianao, kanefa mamono olona ihany, dia mpandika ny lalàna hianao.

Jakoba 3:2
2 Fa tafintohina amin'ny zavatra maro isika rehetra. Raha misy olona tsy mba tafintohina amin'ny teny, dia izy no lehilahy tanteraka ka mahafehy ny tenany rehetra koa.
Matio 5
19 Ary amin'izany na zovy na zovy no mamaha ny anankiray amin'ireo didy madinika indrindra ireo ka mampianatra ny olona toy izany, dia hatao hoe kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra izy. Fa na zovy na zovy no mankato sy mampianatra ireo dia izy no hatao hoe lehibe amin'ny fanjakan'ny lanitra.

Ahoana no hevitrao ?
Inona no tiany ho tenenina ao amin'io Matio 5:19 ?

misaotra mialoha
(l) niryna

Valiny :

Rom 3.20: “Satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ny asan’ny lalàna eo anatrehany; fa ny lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin’ny ota”
Raha ny lalana tokoa no amarinana antsika, dia tsy hisy hoafa-bela, satria samy efa nanota, ary samy tsy nisy nahatandrina ny fahotana izay teo anoloantsika. Ka dia tsy hisy homarina na dia iray akory aza. Izay no nahatonga ny misiona an’I Jesosy Kristy, izay lasa pasiona mba ho famonjena izay rehetra mino, mino ny famonjena sy Izy Tompontsika (Jaona 3.16). Tsy tanteraka izany raha tsy mandray ny Mpananatra hafa izay alefany aty amintsika isika (Jaona 14.15-17), dia ny Fanahy masina izany. Raisintsika tamin’ny alalan’ny batisa masina,ary mbola miasa amintsika @ lalan’ny Tenin’Andriamanitra isan’andro isan’andro. Izany dia mba hananantsika hatrany ny finoana an’I Jesosy Kristy, ny handraisantsika azy ho Tompo sy Mpamonjy antsika. Izany no fanamarinana araky ny vetin-kevitra ao @ Romana. Tsy mendrika isika, ary ny lalàna dia miampanga antsika hatrany. Io no mamaritra fa mpanota sy tsy mendrika isika. Tonga anefa Jesosy Kristy mba hamonjy antsika, hanaisotra antsika @izany fahotantsika. Nihatra Taminy daholo ny tokony ho hatezeran’Andriamanitra nihatra tamintsika. Fanamarinana maimaim-poana izany, hoan’izay rehetra mino Azy. Ny fandraisana ny Fanahy Masina ao anatintsika no hany hahatanteraka izany ho antsika.

Ity no tena zava-dehibe:
Rom 6.3: “ Tsy fantrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa hoamin’I Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin’ny fahafatesana?.....andiny faha 8: Ary raha niara-maty tamin’I Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy kosa”. Ary io no antso hoantsika.Niara-novonoina t@ Jesosy, izay tanteraka amintsika amin’ny alalan’ny batisa, ny fahotantsika. Ary dia hiara-hitsangana Aminy indray isika, satria efa niala tamintsika ny fahotana, izay efitra mampisaraka antsika amin’I Jesosy. Mbola hitohy……

12. prime ( 21/08/2008 12:28)
todisoa2> Deraina Andriamanitra amin'izany ambaranao izany... ^:^

niryna,ikaretsaka> Mifameno ny ambaranareo ka itoviako hevitra avokoa... =D>
13. niryna ( 22/08/2008 19:51)
niryna:

Hoy ity namana iray mikasika ny didy folo hoe raha mba voatandrinay kosa aza ve ny fito amin'ireo didy folo ireo tsy efa mba tsara :D :D =D=D
kanefa ny tenin'Atra dia manambara hoe
Jakoba 2
10 Fa na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin'ny iray loha, dia meloka amin'izy rehetra.

11 Fa Ilay nanao hoe: "Aza mijangajanga" no nanao hoe koa: "Aza mamono olona" (Eks. 20. 13, 14). Fa raha tàhiny tsy mijangajanga hianao, kanefa mamono olona ihany, dia mpandika ny lalàna hianao.

Jakoba 3:2
2 Fa tafintohina amin'ny zavatra maro isika rehetra. Raha misy olona tsy mba tafintohina amin'ny teny, dia izy no lehilahy tanteraka ka mahafehy ny tenany rehetra koa.
Matio 5
19 Ary amin'izany na zovy na zovy no mamaha ny anankiray amin'ireo didy madinika indrindra ireo ka mampianatra ny olona toy izany, dia hatao hoe kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra izy. Fa na zovy na zovy no mankato sy mampianatra ireo dia izy no hatao hoe lehibe amin'ny fanjakan'ny lanitra.

Ahoana no hevitrao ?
Inona no tiany ho tenenina ao amin'io Matio 5:19 ?

misaotra mialoha
(l) niryna

todisoa2:

Valiny :

Rom 3.20: “Satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ny asan’ny lalàna eo anatrehany; fa ny lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin’ny ota”
Raha ny lalana tokoa no amarinana antsika, dia tsy hisy hoafa-bela, satria samy efa nanota, ary samy tsy nisy nahatandrina ny fahotana izay teo anoloantsika. Ka dia tsy hisy homarina na dia iray akory aza. Izay no nahatonga ny misiona an’I Jesosy Kristy, izay lasa pasiona mba ho famonjena izay rehetra mino, mino ny famonjena sy Izy Tompontsika (Jaona 3.16). Tsy tanteraka izany raha tsy mandray ny Mpananatra hafa izay alefany aty amintsika isika (Jaona 14.15-17), dia ny Fanahy masina izany. Raisintsika tamin’ny alalan’ny batisa masina,ary mbola miasa amintsika @ lalan’ny Tenin’Andriamanitra isan’andro isan’andro. Izany dia mba hananantsika hatrany ny finoana an’I Jesosy Kristy, ny handraisantsika azy ho Tompo sy Mpamonjy antsika. Izany no fanamarinana araky ny vetin-kevitra ao @ Romana. Tsy mendrika isika, ary ny lalàna dia miampanga antsika hatrany. Io no mamaritra fa mpanota sy tsy mendrika isika. Tonga anefa Jesosy Kristy mba hamonjy antsika, hanaisotra antsika @izany fahotantsika. Nihatra Taminy daholo ny tokony ho hatezeran’Andriamanitra nihatra tamintsika. Fanamarinana maimaim-poana izany, hoan’izay rehetra mino Azy. Ny fandraisana ny Fanahy Masina ao anatintsika no hany hahatanteraka izany ho antsika.

Ity no tena zava-dehibe:
Rom 6.3: “ Tsy fantrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa hoamin’I Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin’ny fahafatesana?.....andiny faha 8: Ary raha niara-maty tamin’I Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy kosa”. Ary io no antso hoantsika.Niara-novonoina t@ Jesosy, izay tanteraka amintsika amin’ny alalan’ny batisa, ny fahotantsika. Ary dia hiara-hitsangana Aminy indray isika, satria efa niala tamintsika ny fahotana, izay efitra mampisaraka antsika amin’I Jesosy. Mbola hitohy……

marina izany,ny fahasoavan'Atra anie no hipetraka ao aminao mandrakariva,misaotra ny Tompo isika noho ny fitiavany antsika tsi11 avy na dia tsy mendrika ny hiantso ny anarany akory aza isika dia tiany foana satria fantany ny ondriny ary ny ondry koa mahalala ny tompony.
misaotra nizara e ,manao ny ahy io an.!!!! :D
(l) niryna
14. Zakou ( 22/08/2008 21:13)
Miarahaba an-tsika rehetra ary manonona sahady ny fiadanan'i Tompo.
Vao haingana aho no nanomboka namaky ny resadresaka rehetra ary tena mahafinaritra.
Hitako fa manahirankirana amin-tsika ny manavaka ny vatana sy saina sy fanahy. Rehefa lasa zanak'Andriamanitra ny olona iray dia lasa vatana mitondra ny Fanahin'Andriamanitra.
Eo ary fa manomboka mahita ny eto an-tany (ara-batana) sy ny tsy eto an-tany (tontolon'ny fanahy).
Inona anefa no niova nanomboka teo amin'ny ianao lasa zanak'Andriamanitra?
Voavela ilay heloka izay nanasaraka anao tamin'Andriamanitra. Io ilay lasa fotsy toy ny oram-panala. Efa voafafa tamin'ny ran'i Jesosy Kristy ary tsy ho tsarovan'Andriamanitra intsony iny. Mazava sahady fa tsy mila manaraka ny didy folo intsony satria ny olona voavela heloka dia tsy ao ambanin'ny lalàna.
Inona ary ilay fahasoavana noraisina maimaim-poana? Tsy inona fa ny famonjena ny Fanahy, ka afaka miditra malalaka ny lanitra raha toa ka maty eo noho eo.
Mitohy ary ny fiainan'ilay olom-baovao...eo vao tena zavatra...manomboka mahita amin'ny fomba tsotra ny asan'ny tsara sy ny asan'ny ratsy. Manomboka mahalala izany hoe Fanahy Masina, mahalala izany hoe tsy izy kay itsy na izaroa. Lasa mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy. Tsy ampianarin'olona fa satria tarihan' Fanahy Masina. Ny tenanao aza dia tsapanao fa niova ho azy, tsy nisy ezaka natao! Mety mbola ho lava be ny tohiny fa ny hamaranako azy aloha androany dia "Midira aloha ao amin'ny Vavahady" Nataoko majuscule satria tsy iza io fa i Jesosy Kristy. Ahoana ary ny fomba hidirana ao? Ho tohizan-tsika amin'ny manaraka sao dia efa lava loatra.
15. niryna ( 26/08/2008 16:55)
Zakou:

misaotra e ,tena mazava be fa dia miandry ny tohiny e :wink: :D
16. xxx ( 26/09/2008 11:44)
Raha ity valin-teninao ity ry nyrina de misy tsy hiombonan-kevitra aminao:
[center]"ny fahafantarako io teny tiany lazaina io dia mitady ny fanjakan'ny lanitra ilay tovolahy mpanankarena ka rehefa notsampain'i JK ny fanahiny tamin'ny zavatra mampalemy azy dia niala izy,satria mbola sarobidy aminy ilay fananany.Tsy nieritreritra ny ametraka an'i JK ambony noho ny zavatra rehetra sy ny ambony noho ny fananany izy .
Moa ve midika izany fa ny mpanankarena rehetra dia tokony hivarotra ny fananany ? tsia no valiny aloha ,saingy raha mba nomena izay mihoatra noho ny rehetra isika dia mba afaka mizara na manampy ireo mahantra..
Na izany aza dia miezaka ny ametraka an'i JK ambony noho ny zavatra rehetra isika ary miezaka ny hiala amin'ny toetra ratsy izay misy amin'izao fiainana izao"[/center]
satria tena nitady ny fanjakan'Andriamanitra ilay tovolahy nefa attaché t@ harenany, izay harena efa fantany fa tsy hanaraka azy any @ fanjakan'ny lanitra fa filan'izao tontolo izao! Tsara ny mizara fa tena mbola tsara lavitra ny mahafoy an'izao tontolo izao sy ny harena rehetra ka hanaraka azy mba hahazoana ny fanjakan'ny lanitra! Vitsy ny olona no hahavita izany hoe handà an'izao filàn'izao tontolo izao, izay no mahatery ny lalàna mankany satria Izy no lalàna sy fahamarinana ary fiainana! Jereo ary diniho ny asan'i Jesoa Kristy teto an-tany fa tsy nitsahatra nizara fitiavana, fahasoavana, fiantrana ho an'ny mahantra indrindra Izy! Diniho ka zahao hoe hatraiza ny fitiavana an'Andriamanitra amin'izay satria hoe tiavo ny namanao tahaka ny tenanao, ary tiavo aho @ fonao rehetra!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.008