Zanaka mpiandry efa-dahy nanendaka pasitera ao amin’ny Toby
1. ari.malala
(
23/07/2008 06:42)
http://www.midi-madagasikara.mg/midi/index.php?option=com_content&task=view&id=6306
Faits Divers
HALATRA. Hatraiza hatraiza no ahitana ny faharatsiana isan-karazany. Tsy aty amin’ny “jentilisa” ihany fa hatrany amin’ny toerana voalaza fa masina.
Zanaka mpiandry efa-dahy nanendaka pasitera ao amin’ny Toby
Raha mbola samy revo teo amin’ny fanokanana ho mpiandry ny rehetra teny amin’ny Toby Ambohimahazo, dia nojokoin’ilay ankizy vao 14 taona monja ny sakaosin’ilay lehiben’ny toby. Nisy fakan-tsary, vola ary lakile maromaro tao anatin’io. Rehefa azon’ilay mpangalatra ny entana dia natsipiny tany anaty kirihitr’ala ilay sakaosy. Rehefa izany, tonga ny namany telo hafa naka mora foana ilay kitapo.
Rehefa tratra ry zalahy ireto ka natao famotorana, dia nibaribary fa ny zanak’ireo mpiandry ihany no nanao ity halatra ity. Miisa efatra izy ireo no sarona tamin’ity raharaha ity. Ny iray tamin’izy ireo no tsy ampy taona, ilay naka ny entana io.
Rehefa azon-dry zalahy ilay sakaosin’ny lehiben’ny toby dia namidiny teny andrefan’ny STAR. Efa niparitaka anefa ny vaovao mikasika ny fahaverezana. Ilay olona nitondrana ny halatra anefa nahafantatra tsara ny tompon’ilay fakan-tsary ka nampandre azy. Dia tsy afaka nihetsika ireto zaza maditra fa noraisim-potsiny.
Tamin’ny herinadro teo no niseho ity zavatra ity. Hatraiza hatraiza, nahenoana halatra mahavoarohirohy ankizy tsy ampy taona. Efa tena miha ratsy mihitsy ve ny fiarahamonina sa sarotra ny fiainana ka lasa fitaovana ny zaza tsy ampy taona ? Raha ny vaovao re tetsy sy teroa, dia misy mihitsy ny mpamporisika ireny ankizy ireny hangalatra. Tsy eto amintsika ihany fa saika manerana ny firenena maro tokoa. Any ampita any, tsy mangalatra fotsiny ny ankizy fa mamono olona mihitsy. Fikambanan’olon-dratsy maro no efa mijoro ary sarotra ho an’ny mpitondra fanjakana ny mandamina ny raharaha.
Raha ny eto amintsika manokana dia fotoana izao andresena azy ireny tsy ho latsa-paka.
Lova

novalian'i Kapistra ny 08/08/2008 06:21
2. ainaheri
(
23/07/2008 08:45)
Amiko ny olombelona rehetra mitovy daholo nateraka mba hanota,endriny ivelany fotsiny ireny filanjana baiboly sy ny tariny ireny,indrindra ireny mpiandry sy diakona ireny no tena ahitanjavatra ao anatin'ireny sampana misy azy ireny,ao ny mangalatra rakitra ao ny mifampisipa samy ao,samy mahalala fa tsy misy miteny,d refa tonga ny alahady io doli samy miseho ho masina :twisted: :twisted:
3. tess
(
23/07/2008 18:23)
:-D :-D :-D :-D ainaheri: de aleo mikofensy kely alou mba ho afa-kota izany :-P
tena efa sarotra ny fiainana e! fangah hadinonareo sahady ingahy chirac????? :°) tsy mifidy olona io rehefa tratran'ny ankasarotana....
fa dia ny aza mba tratra sy voasazy ihany.....
tsy inona fa io resaka vola io ihany anefa no fototry ny asa ratsy retra...raha mba tsy nisy andra-vola moa izany fa ilay hoe takalo otran'ny taloha mety hisy ihany ve ny fanaovandratsy????? :°)

5. tsimati
(
26/07/2008 12:42)
Tsy ny fiainana sarotra ihany no mahatonga ny ratsy fa na ny mpanankarena aza hitoeran'ny fahotana. Ny tsirairay ihany no afaka mandanjalanja ny tenany. Ny tsy fanana tsy midika fa hamono olona mba hanana ? Ny harembe anjaranao no manambara raha lasa Andriamanitra ka izay tianao atao no atao eny fa na ny hihevitra ny sasany ho fitaovana sy lalaovina sahalan'ny saribaly aza. Demony eny foana ary asa na fahantrana no nahabe fahotana tao sodoma sy gomora. Tsy haiko
6. fahamarinana
(
02/08/2008 12:31)
ainaheri:
indrindra ireny mpiandry sy diakona ireny no tena ahitanjavatra ao anatin'ireny sampana misy azy ireny,ao ny mangalatra rakitra ao ny mifampisipa samy ao,samy mahalala fa tsy misy miteny,d refa tonga ny alahady io doli samy miseho ho masina
:arrow: Mety misy kosa angambany fa tsy ny rehetra e...Tsy aty aminay aloha hatreto...marina any zany.. (l)
8. Kapistra
(
08/08/2008 06:21)
Hoy i ainaheri:
indrindra ireny mpiandry sy diakona ireny no tena ahitanjavatra ao anatin'ireny sampana misy azy ireny,ao ny mangalatra rakitra ao ny mifampisipa samy ao,samy mahalala fa tsy misy miteny,d refa tonga ny alahady io doli samy miseho ho masina
hoy i fahamarinana
Mety misy kosa angambany fa tsy ny rehetra e...Tsy aty aminay aloha hatreto...marina any zany..
Tena marina ny voalazan'ny fahamarinana.Izy aloha dia tena mahafinaritra ahy mihintsy e! ...hatreto aloha a!
Itony gazety tony aloha dia manimba ny toe-tsain'ny ol indraindray e!
Pasitera telo na efatra ao anatiny arivo no manao ny ataony dia ny pasitera rehetra no mahazo loza.Tahaka izany koa ireo voalazan'i hery eo ambony ireo.Ny tsara vitan'ireo pasitera arivo tsy mba voaresaka mihintsy.
Ny artista sy ny spôrtifa ary ny mpanao politika no mahazo sehatra.
Satria ireo hono no mitondra tombony be ho an'ny gazety.